Toko faha 22

1 Ary nambaran'gn'anjely enahy gn'onin'e ranon'e fiaina, madio akoy gne kristaly. Izany da mivary avy agny amè seza fiandrianan'Andriamanitra sy gne Zanak'ondry 2 mamakivaky eo ategnategnan'e lalan'gne tanà. Ary gne gnagnilany roy amè ony da samy misy gne hazon'e fiaina, mamoa karaza voa roy ambin,ny folo, ary da mamoa gny voany da namboary hagnafaky gne firenena agnaby. 3 Ka tsy hisy esanaky gne vôhozona. Gne seza fiandrianan'Andriamanitra sy gne Zanak'ondry da ho ao amè tanà, ary gne mponompony da hanompo Enazy. 4 Hahita gne Endrikin-dreo, ary gn'Agnarany da ho eo amè pandandreo. 5 Ka tsy hisy ariva esanaky; indreo da tsy mila fahazavan'e jiro na gne masoandro esanaky satria gne Tompo Andriamanitra gne hazava eo amindreo. Ary hanjaka mandrakizay doria indreo. 6 Hoy gn'anjely taminahy:" Gne zaka io da azo atokisa sy marigny. Gne tompo, gn'Andriamanitr'io fagnahan'e mpaminany, da nandefa gn'anjeliny mba hapiseho izay rahà tsy maintsy hiboda tsy ho ela amy gne mpanompony." 7 Io! Efa akeky gne feviako! Sambatry izay magneky gne zakan'e faminania amity boky ity." 8 Iaho, Jaona, gne raiky izay nahare sy nahita gne an'io rahà ia. Raha nahare sy nahita izany iaho, da nandohaloky teo amè tomboky gn'anjaly gne tegnako mba hidera enazy, gn'anjely izay nagnambara enahy en'io rahà io. 9 Hoy izy taminahy:" Ka magnano akoio! Fa mpanompo namanao miaraky aminao iaho, miaraky amy gne mpaminany rahalahanao, ary miaraky amè izay magneky gne zakan'ity boky ity. Miderà an'Andriamanitra!" 10 Hoy izy tamiko:"Ka ise tombo-kase io zakan'e fiaina amin'ity boky ity, fa antomotry gne fotoa. 11 Izay magnano gne tsy marigny, avelay izy hanohy gne tsy fahamarigna. Izay maloto fiaina, avelay izy hanohy gne fiaina maloto. Izay marigny, avelay izy hanohy gne fagnamboarany gne marigne. Izay masina, avelay izy hanohy gne fahamasigna." 12 "Io! Efa akeky gne feviako. Gne valisoako da miaraky aminahy, mba hamaliako gne tsiraikiraiky araky gne rahà vitany. 13 Iaho gn'Alfa sy Omega, gne volohany sy gne farany, gne fanomboany sy gne fiafarany. 14 Sambatry gne izay manasa gn'akanjon-dreo mba hahazo alala mihina avy amè hazon'e fiaina sy hiditry ao amè tanà avy eo amè vavahady. (Fagnamariha: Raha tokony:"Sambatry gne izay manasa gn'akanjon-dreo." Gn'antontan-taratasy hafa taloha da mivaky hoe:"Sambatry gne izay magnano gne didiny.") 15 Fa agny ambadiky gn'amboa, gne mpagnano aody, gne mpijangajanga, gne mpamono olo, gne mpanompo sampy, ary izay tia mavandy agnaby sy gne mpavandy. 16 Iaho, Jesosy, da nandefa gn'anjeliko mba hagnambara aminareo gne rahà ho an'gne fengana. Iaho gne vahatriny sy taranak'i Davida, gne kintana mamirapiratry marandray." 17 Gne Fagnahy sy gn'Ampekary magnano hoe: "Avia! Ôka izay mahare hizaka hoe:"Avia!" Ndre ia ndre ia mangetaheta, ao izy hagnato, ary ndre ia ndre ia magniry anizany, ao izy hahazo maimaim-pona gne ranon'gne fiaina. 18 Iaho da magnambara agnaby amizay mahare gne zakan'e faminania amin'ity boky ity:" Raha misy magnampy io, Andriamanitra hagnampy loza enazy izay vosoratry ao amin'ity boky ity. 19 Raha misy mangala gne zaka faminania amin'ity boky ity, Andriamanitra da hangala gn'anjarany amè hazon'e fiaiana sy gne tanà masina izay vosoratry ao agnatin'ity boky ity." (Fagnamariha: Gn'antontan-taratasy taloha da mivaky hoe:"Andriamanitra hangala gn'anjarany ao amè Bokin'e Fiaina ary ao amè tanà masina izay vosoratry ao amin'ity boky ity.") 20 Hoy gne raiky izay magnambara an'io rahà io: "Eka! Efa akeky gne feviako." Amena! Mevia,ry Tompo Jesosy! 21 Ho amè gn'olo agnaby anie gne fahasovvan'ny Tompo Jesosy. Amena.