Toko faha 20

1 Ary nahita anjaly nidigny avy tagny an-dagnitry iaho. Nana gne fangalahidin'gne lavaky tsy hita farany izy, ary nana rojo vy zakabe tegny an-tagnany. 2 Nanambotry gne dragona izy, gne menara taloha, gne devoly, na satana, ary nofiheziny arivo taona. 3 Natorakiny tagny amè lavaky tsy hita fihafarany izy, nohidiany izany ary nise tombo-kase teo aminazy. Naniny izay mba tsy hamitahany gne firenena maro angia mandra-pahatapitry gn'arivo taona. Afaran'izany, da tsy maintsy haboda fotoa kedikidy izy. 4 Ary nahita seza fiandriana maro iaho. Nimpetraky teo amboniny gne izay nome fahefa mitsara. Nahita gne fagnahin'gne izay notapahin-doha iaho noho gne fitsangana vavolombelo mikasiky an'i Jesosy ary nohon'gne zakan'Andriamanitra. Tsy nandohaloky tamè bibi-dy na tamè sariny indreo, ary indreo da nandà gne handray gne mariky gne bibi-dy teo amè pandany na teo amè tagnany. Avy velo koa indreo, ary nanjaka niaraky tamin'i Kristy nandritry gn'arivo tao. 5 Gn'ambindreo maty da tsy velo mandra-pahatapitry gn'arivo tao. Izany gne fitsangana volohany. 6 Sambatry ary masina izay olo mana gn'anjara amè fitsangana voloany! Eo agnatrehan'izany da tsy manan-kery gne fahafatese faharoy. Indreo da ho mpisoro an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miaraky Aminazy mandritry gn'arivo tao. 7 Raha tapitra gn'arivo tao, da hovoha ao amè tragno miziny Santana. 8 Hijotso izy mba hamitaky gne firenena maro egny amè vazan-tany efatra—Goga sy Magoga—mba hinday endreo miaraky ho ame gn'ady. Indreo da ho maro akoy gne fasiky gny ranomasina. 9 Niakatry teo ambonin'e tany lemaky indreo ary nagnodidy gne tobiky gne mpino, gne tanà malala. Nefa nisy afo nidina avy tagny an-dagnitry ary nandavo endreo. 10 Gne devoly, izay namitak endreo, da natoraky tao amè farihy gn'afo solifara, toera izay hagnatoraha gne bibi-dy sy gne mpaminany sandoky Ary ho ampinjaly atoandro aman'aly mandrakizay ary mandrakizay indreo. 11 Ary nahita seza fiandriana fotsy zakabe iaho sy gne nipetraky teo amboniny. Gne tany sy gne lagnitry da nilefa gne fagnatrehany, kanefa tsy nisy toera andehanan-dreo. 12 Nahita gne maty iaho—gne zakabe ary gne kidy—nitsanga teo alohan'gne seza fiandriana, ary novelary gne boky. Ary nisy boky raiky novolariny—Gne bokin'gne Fiaina. Gne maty da notsaray araka izay vosoratry tao amy gne boky, araka gn'asany. 13 Gne ranomasina nagnaboda gne maty tao agnatiny. Gne fahafatesa sy gne fiainan-tsy hita da nagnaboda gne maty izay tao amindreo, ary gne maty da notsaray araky gne rahà namboariny. 14 Gne fahafatesa sy gne fiainan-tsy hita da natoraky tao amè farihy afo. Iazany gne fahafatesa faharoy—da gne farihy afo. 15 Raha nisy agnara tsy hita vosoratry ao amè Bokin'gne fiaina, da natoraky tao amè farihy afo.