TOKo FAHA 19

1 Tafaran'gne raha io da nahare izay akô gne feo mafin'gne vahoaky maro isa tagny andagnitry iaho nagnano hoe: " Aleloia. Gne famonje, gne voninahitry, ary gne hery da an'Andriamanitratsika. 2 Gne fitsarany da marigny sy mahitsy, fa nitsara gne mpivaro-tena zakabe izay nagnaratsy gne tany tamè fijangajanga izy. Namaly faty gne ràn'gne mpanompony, izay nalatsakiny izy." 3 Nizaka fagnindroany indreo hoe: "Aleloia! Gne setroky da miakatry avy aminazy mandrakizay doria." 4 Gne loholo efatry amby roapolo sy sy gne zava-managnay efatra da handohaliky ary nanompo an' Andriamanitry izay midoboky teo ame seza fiandrana. Hoy indreo: " Amena. Aleloia!" 5 Da nisy feo nivôky avy tao amè seza fiandrana, nagnano hoe: " Derao Andriamanitsika, enareo aby mpanompony, ianareo izay matahotra Azy, na gne tsy manan-daja na gne mahery." 6 Da nahare izay akoy gne feon'olo maro isa, akoy gne rano mandea, sy akoy gne filatsan'e rikandrombaratry mafy iaho, nagnano hoe:"Aleloia! Fa manjaka gne Tompo, Andriamanitra izay manapaky amè raha agnaby. 7 Ôka isika hifaly sy ho ravoravo ary hagnome voninahitry Enazy satria avy gne fampekaram-badin'gne Zanak'ondry, ary gne ampekariny efa nioma. 8 Nome alala hisiky lamba rongony mamirapiratry sy madio izy"(fa gne lamba rongony da gn'asa marign'olo-masina.) 9 Gn'anjely nizaka taminahy hoe: "Sorato izao: Sambatry gne izay nangiany tamy gne fety fampekaram-badin'gne Zanak'ondry. Nizaka taminahy koa izy hoe:"Io da zaka marin'Andriamanitra." 10 Nandohalika teo amy gne tambony mba hanompo enazy iaho, fa hoy izy taminahy:"Ka magnano enio! Iaho da mpiara-manompo aminao sy gne rahalahanao izay mita gne fitsangana vavolombelo momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fa gne fitsangana vavolombelo momba an'i Jesosy da gne fagnahin'gne faminania." 11 Da nahita gne lagnitry nivoa iaho ary nagnety ka nisy soavaly fotsy. Gne nimpitiky taminazy da nangia hoe mahatoky sy marigny. Amy gne fahamarigna gne hitsarany sy hiadiany. 12 Gne masony da akoy gne lelan'afo, ary eo amè lohany misy satro-boninahitry maro. Mana agnara eo aminazy izay tsy misy mahafantatry afa-tsy izy avao izy. 13 Magnisy akanjo lava izay nazoboky tao amè rà izy, ary gn,agnagnarany da nangia hoe gne Tegnan'Andriamanitra. 14 Gne maramila n'e lagnitry da nagnaraky enazy tamè soavaly fotsy,magnisy akanjo rongony, fotsy madio. 15 Avy ao amè vavany gne miboda gne sabatry izay amin'izany gne hamagnoany gne firenena, ary hanapaky endreo amè tehany vy izy. Magnitsaky ao amè famiazan'gne fahavigniran'e fahavigniran'Andriamanitra Tsitoha izy. 16 Mana agnara vosoratry eo amy gn'akanja lavany eo amè tsobeny izy hoe:"Mpanjakan'gne mpanjaka sy Tompon'gne tompo." 17 Nahita anjely nitsanga teo amè masoandro iaho. Nangaiky tamè feo maharè gne voro mandrembo ambony agnaby izy hoe:"Avia, mivoria ho an'gne fety zakaben'Andriamanitra. 18 Avia ihina gne nofon'gne mpanjaka, gne nofon'gne mpitari-tafiky, gne lelahy mahery, gne nofon'gne soavaly sy gne mpileza aminazy, ary gne nafon'gne lelahy agnaby, gn'afaky sy gn'andevo, gne tsy manan-danja sy gne mahery." 19 Nahita gne bibi-dy sy gne mpanjakan'ne tany niaraky tamè miaramilan-dreo iaho. Nivory indreo mba hiady amè raiky izay nileza gne soavaly sy amè miaramilany. 20 Vosambotry gne bibi-dy ary niaraky tamè gne mpaminany sandoky izay nagnano gne famantara teo agnatrehany. Tamy gne famantaran'io gne namitahany gne izay nangala gne mariky gne bibi-dy sy gne izay nanompo gne sariny. Izy roy io da natoraky velo tao agnaty farihin'afo mirehitry solifara.