TOKO FAHA 18

1 Tafaran'io raha io da nahita anjely hafa izay nidigny avy agny an-dagnitry iaho. Nana fahefa zakabe izy, ary namirampiratry nohon'gne voninahitra gne tany. 2 Nitoreo tame feo mafy izy, nizaka hoe: " Nidaboky, nidaboky gne Babylona zakabe! Lasa nivadiky toeram-ponenan'gne demony, fialofa ho an'gne fagnahy maloto, ary fialofa ho an'gne voro maloto sy mapadikidikyagnaby. 3 Fa gne firene aby da nisotrogne divain'gne fitondran-tegna malotony. Gne mpanjakan'gne tany da nagnano fitondran-tegna maloto taminazy. Gne mpivatotry gne tany da lasa mpanakarena tamign'alalan'gne fomba fiaigna ame nofo." 4 Avy teo da nandre feo hafa avy agny an-dagnitry iaho, mizakà hoe: " Mialà aminazy ry oloko, mba tsy hamindrany gne fahotany ao aminareo, ary mba tsy hazahoanareo gne lozany. 5 Efa nilagno akô nge ahabon'gne lagnitry gne fahotany, ary Andriamanitry mahataididy gne asa ratsiny. 6 Mamalia anazy akô gne namalian'gne hafa, ary valio indroy mihoatry izay efa vitany; tao ame kapôky izay efa nofenoiny, da fenoy indroy mihoatry ho anazy. 7 Akô izy hagnome voninahitry gne tegnany sy niay tame tsy fiafia, omeo anazy gne fampijalia sy gne alahelo sahatry anazy. Fa izy nizaka tao am-pony nagnano hoe: 'Nipetraky akô gne mpanjaka viavy iaho. Tsy maty vady iaho, ary tsy hisaona mandrakizay.' 8 Noho izany da ho avy ame andro raiky gne arety mandrigna: gne fahafatesa, gne fisaogna, ary gne mosary. Hodoroan'gne afo izy, fa gne Tompo Andriamanitra da mahery, ary izy gne mpitsara anazy." 9 Gne mpanjakan'gne tany izay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritrereta niaraky taminazy da hitagny ary handohaliky eo agnatrehany raha hahita gne setroky gne fahamaizagny indreo. 10 Hitsanga lavitry indreo, hatahotry gne fijalia, hijaka hoe: "Loza, loza ho an'gne tanà zakabe, Babylona, gne tanà mahery, fa amè lera raiky da ho avy gne sazinareo." 11 Gne mpivatotry gne tany da nitagny sy misaona ho anazy, satria tsy nisy olo niady varotra ho anazy koa- 12 varotry volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaky, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, Landy mena, gne karazane hazo ala, gne fanaky ivora, gne fanaky aby vita ame hazo sarobidy, varahy, vy, marbra, 13 kanelina, zava-magnitry, ditin-kazo, miora, hanitra, divay, menaky, koba tsara disa, vary, biby fiompy ary ondry, sôvaly sy kalesy, gne andevo sy fagnahin'olo. 14 Gne vokatry izay tianao tamè herinao agnaby da hiala aminao. Gne entanao lafo vidy sy gne namirampiratry da nanjav, ary tsy ho hita koa mandrakizay. 15 Gne mpivarotry gne enta izay lasa mpanan-karena noho izy da hiala aminazy lavitry nohon'gne fatahora gne fijalia, hiatagny sy hisaogny mafy. 16 Hizàka indreo hoe: "Loza, Loza ho an'gne nitafy lamban-drongony tena tsara, volomparasy, sy mena ary noravaha tamè volamena, firavaky sarobidy, ary vatosoa! 17 Agnatin'gne lera raiky da hanjavogny izany hare zany. "Gne kapitenin-tsambo agnaby, gne nandeha egny ambonin'gne ranomasy aby, tatsambo, sy izay rehetra mimpetraky an-dranomasy, da hitsanga alavitry. 18 Nikoiky indreo raha vao nahita gne setrokin'gne fahamaizagny. Nizaka indreo hoe: "Tanà ino gne akô tanà zakabe?" 19 Nanimpy vovoky teny andohany izy, nikiaky mafy, nitomagny, sy nisaogny nanao hoe: "Loza, loza ho an'gne tanà zakabe izay nisy gne rehetra nana gne sambo an-dranomasy gne tonga mpanakarena avy ame harenany. Fa tao agnatiny gne lera raiky da Simba izany." 20 "Mifalia aminazy, ry lagnitry, ianareo mpino, ary mpaminany, fa Andriamanitry nitondra ny fitsaranareo taminazy!" 21 Anjely mahery raiky nangala vato akô gne vato zakabe ary nanimpy izany tagny andranomasy, ary nizaka hoe: " am'izany fomba izany, Babylona, ilay tanà zakabe, haroda arahina herisetra, ary tsy ho hita koa. 22 Gne feo nataon' gne lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka asody, sy atsiva da tsy ho re ao aminao koa. Gne mpagnano asa-tagna isakarazany da tsy hita aoaminao koa. Tsy hisy feon'gne vato fikoseham-bary ho re koa eo aminao. 23 Gne fahazavan'gne jiro, da tsy namirampiratry ao aminao esana. Gne feon'gne mpagnakatry sy gne ampakary da tsy ho re aminao koa, fa gne mpivarotrareo gne andrian'gne tany, ary gne firenena da voafitaky tamè famosavianareo. 24 Tao aminazy gne nahita gne ràn'gne mpaminany, sy gne mpino, ary gne ràn'gne rehetra izay voavono teto an-tany."