Toko faha 17

1 Raiky tmy ng'anjely fito izay nità gne lasety volamena fito nagnto sy nizaka taminahy hoe:"Avia, ho ambarako anao gne sazin'gne mpijanjanga zakabe izay mipetraky ambony rano. 2 Niaraky taminazy gne nampijangajanga gne mpanjakan'e tany. Gn'andianan'e fijangajangany gne nahamamo gnolon'e tany. 3 Avy eo gn'anjely ninday enahy tamy gne Fagnahy tagny amè tany karakay, ary nahita viavy nipetraky teo ambony bibi-dy mena izay feno agnara zaka ratsy iaho. Gne bibi-dy da mana loha fito sy tandroky folo. 4 Gne viavy da nagnisy akanjo voloparasy sy mena ary voravaky volomena, vato sarobidy, ary vato soa. Izy da nità tamè tagnany kopoaka volamena feno gne rahà mampitsanga volokoditry sy gne tsy fahadiovan'gne fijangajanga. 5 Teo amè tarehiny gne nisy agnara mana dikany mifiny vosoratry hoe:"Babilona zakabe, iandrin'gne mpijangajanga sy gne rahà mampitsanga volokoditry." 6 Nahita iaho fa gne viavy da mamon,gne ràn'gne mpino sy gne ràn'gne martiry ho an'i Jesosy. Raha nahita enazy iaho, da tena nangangaky. 7 Fa gn'anjely nizaka taminahy hoe:"Magnino gne gaga anao? Ho azavaiko anao gne dikan'gne viavy sy gne bibi-dy izay minday enazy, gne bibi-dy izay mana loha fito sy tandroky folo. 8 Gne bibi-dy izay hitanao da misy, fa tsy misy amizao, fa andalam-pekara avy agny amè farany ambonin'gne lavaky tsy hita fiafarany. Avy eo da handeha amè fahavilavila izany. Gne izay miaigny ambony tany, gne tsy vosoratry ao amè Bokin'e Fiana hatramè namorogna an'izao tontolo izao gn'agnagnarany- ho gaga indreo raha hahita fa gne bibi-dy da misy, fa tsy misy esanaky amizao, fa andalam-pevia. 9 Mangaiky say izay manam-pahendre izany. Gne loha fito da vohitra fito izay hipetrahan,gne viavy. 10 Indreo evakoa da mpanjaka fito. Mpanjaka dimy gne lova, raiky gne misy, ary gne hafa da mbola tsy avy; raha avy izy, da fe-potoa kidy avao gne hipetrahany. 11 Gne bibi-dy izay misy, fa tsy misy amizao, mpanjaka fahavalo izy; kenefa raiky amy gne mpanjaka fito izy, ary handeha amy gne fahasimba. 12 Gne tandroky fito izay hitanao da mpanjaka fito izay mbola tsy nahazo fanjaka, fa hahazo fahefa akoy gne mpanjaka miaraky amy gne bibi-dy -agnatiny gne adiny raiky indreo. 13 Firaisan-tsay izany, ary indreo da hagnome gne hery sy gne fahefandreo an'gne bibi-dy. 14 Hitariky ady manohitry gne Zanok'ondry indreo. Fa gne Zanak'ondry gne handresy endreo satria Izy gne Tompon'gne tompo, ary Mpanjakan'e mpanjaka-ary miaraky aminazy gne vohaiky, gne vofidy, ary gne manom-pinoa." 15 Hoy gn'anjely taminahy:"gne rano izay hitanao, teo amè nipetrahan'gne mpijangajanga, gn'olo, vondron'olo, firenena, ary fizaka. 16 Gne tandroky filo izay hitanao-indreo sy gne bib-dy da hankahala gne mpijangajanga. Ho anin-dreo lao sy mikojy izy, handrivatry gne nofony indreo, ary hagnoro enazy tanteraky amè gn'afo. 17 Fa Andriamanitra efa nagnapetraky izany tao am-pon-dreo mba hagnatanteraky gne kiniany amè fagneken-dreo hagnome gne herin-dreo hindesa gne bibi-dy mandra-pahatanteraky gne zakan'Andriamanitra.