Toko faha 16

1 Nahare feo mafy nangaiky avy tao an-tepoly iaho ary tamy gn'anjely fito hoe: "Mandehana ary araraho amè tany gne lasety fito feno gne havigniran'Andriamanitra." 2 Lasa gn' anjely volohany ary nandraraky gne tao ame lasetiny taame tany; ratry ratsy sy maharary gn,avy tamy gn'olo izay nana gne mariky gne bibi-dy, gne izay nankalaza gne sariny. 3 Gn'anjely faharoy nandraraky gne tao ame lasetiny tamy gne ranomasy. Lasa rà izany, akoy gne ràn'olo maty, ary maty agnaby gne rahà managnay tao andranomasy. 4 Gn'anjely fahatelo nandraraky gne tao ame lasetiny tamy gne ony sy loharano, ary lasa rà io. 5 Reko gn'anjelin'gne rano magnano hoe:"Marigny enao_gn'amizao sy taloha, Gne raiky Masina_satria efa nitsara ireo rahà ireo Enao. (Fagnamariha: Gn'antontan-taratasy sasany taloha da mamaky hoe:"Marigny Enao, Tompo_Gne amizao sy taloha ary avy, satria efa nitsara ireo rahà ireo Enao.") 6 Satria ràn'gne mpino sy mpaminany gne nalatsakindreo, da nomenao rà ho indranomy indreo; izany gne mendriky endreo." 7 Reko gn'alitara namaly hoe:"Eky, Tompo Andriamanitra zakabe, gne fitsaranao da marigny sy mahitsy." 8 Gn'anjely fahefatry nandraraky gne tao ame lasetiny tamy gne masoandro, ary nahazo alala hagnoro gn'olo amè gn'afo izany. 9 Main'gn'afo hafana be indreo, ary nizaka ratsy gn'agnagnaran'Andriamanitra, izay mana gne fahefa amin'ireny lozo ireny. Tsy nibebaky indreo na nagnome voninahitr Enazy. 10 Avy eo gn'anjely fahadimy nandraraky gne tao ame lasetiny tamy gne seza fandrianan'gne bibi-dy, ary nandroky gne fanjakany gne hamisigna. Niota gne lelany indreo nohon'gne fahoria. 11 Nizaka ratsy gn'Andriamanitra gne lagnitry indreo nohon'gne fahoria sy ratrindreo, ary mbola nandà gne hibebaky amizay vitandreo avao indreo. 12 Gn'anjely faha-enina nandraraky gne tao ame lasetiny tamy gne ony zakabe, gne Eofrata. Noritany izany mba hagnomagnany gne lala ho an'gne mpajaka izay ho avy agne antsignana. 13 Nahita fagnahy maloto telo iaho izay niendriky boketra avy agny am-bavan'gne dragona, avy agny amb-bavan'gne bibi-dy, ary avy amy gne vavan'gne mpaminany sandoky. 14 Fa fagnahin'gne demonia magnano famantara mahagaga inreo. Nandea agny amy gne mpanjakan'izao tontolo izao indreo mba handagno endreo miaraky ho an'ny adin'gn'andro zakaben'Andriamanitra Ambony indrindra. 15 ("Igny! Avy mitovy amy gne mpangalatry Iaho! Sambatry izay mandigny, miaro gne fisikinany mba tsy hiboda ame bazy izy ary hitandreo gne fahamegnarany.") 16 Netindreo niaraky tagny amy gne toera izay angia hoe Hara-magedona amy gne Hebreo indreo. 17 Avy eo gn'anjely fahafito nandraraky gne tao ame lasetiny tamè rivotry. Ary nisy feo mafy niboda avy tao an-tempoly sy avy tamè seza fiandriana, magbano hoe:'" Vita izany!" 18 Nisy elatry, varatry, feom-baratry, ary horohon-tanymafy_horohoron-tany zakabe noho izay efa ita hamizay nisian'gn'olo teto an-tany, ka da mafy izany horohoron-tany zany. 19 Vaky ho fizara telo gne tanà zakabe, ary rava gne tanànan,gne firenena. Avy eo Andriamanitra nangaiky mba hahatsiaro an'i Babylona zakabe, ary nomeny izany tanà zany gne kapoaka feno divay vita avy amy gne firehetan'gne fahavignirany. 20 Tsy hita agnaby gne nosy, ary tsy hita esanaky gne vohitry. 21 Nisy havandra zakabe, milanja eo amy gne talenta raiky ee, nidina avy agny an-dagnitry ho amy gn'olo. Nagnozogny gn'Andriamanitra indreo nohon'gne loza avy tamy gne havandra satria tena mafy lotry izany loza izany.