Toko faha 15

1 Avy eo da nahita famantara hafa tegny amè lagnitry iaho, zakabe sy mahagaga: Nisy anjely fito miaraky amè loza fito, izay loza farany indrindra, fa amindreo gne hahatanteraky gne fahavigniran'Andriamanitra. 2 Nahita izay niseho tamè ranomasy fitaratra nampiaraha tamy gn'afo iaho. Nitsanga teo akekin'e ranomasy ireo izay nandresy gne bibidy sy gne sariny, sy gne isa magnambara gn'agnarany. Indreo da nita harpa nomen'Andriamanitra endreo. 3 Indreo nihira gne hiran'i Mosesy, gne mpanompon'Andriamanitra, gne hiran'e Zanak'ondry hoe:"Zakabe sy mahagaga gn'asanao, Tompo Andriamanitra. gn'Ambony indrindra. Marigny sy mahitsy gne lalanao, ry Mpanjakan'gne firenena. 4 Ia gne tsy hahatahotry Anao, ry Tompo, sy hagnome voninahitry gn'agnaranao? Fa Enao raiky gne masina. Gne firenena agnaby ho avy sy hivavaky eo agnatrehanao satria gn'sanao marigny da efa nambara." 5 Tafaran'io rahà io iaho da nagnety, ary nivoa tegny amè lagnitry gne tempoly izay mana lain'gne fitsangana vavolombelo. 6 Niboky avy tao amy gne toera masina indrindra gn'anjely fito mita gne loza fito. Indreo da magnisy akanjo madio, lamba rongony madio mamirampiratry sy misy fehim-bania volamena magnodidy gne tratrandreo. 7 Raiky tamy gne rahà managnay efatry nagnome gn'anjely fito lasety volamena fito feno gne fahavigniran'Andriamanitra, gne volamena mandrakizay doria. 8 Feno setroky avy amy gne heriny gne tempoly. Tsy misy ndre ia ndre ia afaky miditry ao mandra-pahatanteraky gne loza fiton'gn'anjely fito.