Toko faha 14

1 Nagnety iaho ary nahita gne Zanak'ondry nitsanga teo amè vohitry Ziona. Niaraky tamy gne 144.000 izay nana gn'agnarany sy gn'agnaran'e Rainy vosoratry eo amy gne pandandreo. 2 Nahare feo avy agny an-dagnitry akoy gne rano mandeha sy varatry mafy iaho. Gne feo reko evakoa da mitovy amè mpitendry lokanga mitendry gne lokangany. 3 Nihira hira vaovao teo aloan'e seza fiandriana sy teo aloan'gne rahà-managnay efatry sy gne loholo indreo. Tsy nisy ndre ia ndre ia afaky nianatry gne hira afa-tsy gne 144.000 izay novidy avy teto an-tany avao. 4 Io da olo izay tsy nandoto gne tegnandreo tamim-biavy, fa niteno gne zakany madio ara-nofo indreo. Izany da izay magnaraky gne Zanak'ondry na aia na aia ombany. Izy ireny da novidy avy tamy gn'olombelo mitovy amè voloham-bokatry ho an,Andriamanitra sy ho an'e Zanak'ondry. 5 Tsy nisy vandy hita tao amy gne molotrin-dreo, tsy manan-tsigny indreo. [Fagnamariha: Gne dikazaka sasany magnampy hoe: "teo alohan'gne seza fiandrianan'Andriamanitra"] 6 Nahita anjely hafa nandrembo ambony iaho, izay nana gne hafatry fandrakizain'gne vaovao mahafaly hambara amy gne izay miaogny ambonin'e tany- my gne firenena, foko, fiteny, ary gn'olo agnaby. 7 Nangaiky tamè feo mafy izy hoe:"Matahora an'Andriamanitra ary magnomeza voninahitry Enazy. Fa avy gn'andron'e fitsarany. Mivavaha Aminazy, gne raiky izay nagnano gne lagnitry, gne tany, gne ranomasy, ary gne loharano." 8 Nisy anjely hafa- gn'anjely faharoy- nagnaraky nizaka hoe:" Nilavo, nilavo Babylona zakabe, izay nandresy lahatr gne firenena agnaby mba hinindrano gne divain'gne fitondran-tegna maloto." 9 Nisy anjely hafa- anjely fahatelo- nagnaraky endreo, nizaka tamè feo mafy hoe:"Raha misy mivavaky amy gne bibidy sy gne sariny, ary mandray gne mariky eo amè pandany na eo amè tagnany, 10 da hinindrano gne sasany amy gne divain'e fahavigniran'Andriamanitra evakoa izy, divay tsy niharo izay nararaky tao agnatin'e tasy gne havignirany. Gn'olo izay minindrano izany da ho ampijaly amè gn'afo sy solifara eo aloan'gn'anjely masin'Andriamanitra sy eo aloan'e Zanok'ondry. 11 Gne setroky avy amè fijalian-dreo da miakatry mandrakizay doria, ary tsy manampijanogna gn'atoandro sy gn'arivandreo- io mpanpmpon'e bibidy sy gne sariny io, ary gn'olo-agnaby izay mangala gne marikiny gn'agnarany. 12 Ity da aiky ho an'gne fahareta maharitrin'gne izay masina, ireo izay magneky gne didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy." 13 Nahare feo avy agny an-dagnitry iaho nizaka hoe: "Soraty izao: sambatry gne maty izay maty ao amè Tompo." "Eka", hoy gne Fagnaha, "mba ahafahandreo miala sasatra amy gn'asandreo io, fa gne vitandreo da hagnaraky endreo." 14 Nagnety iaho, ary nisy mika fotsy. Nipetraky teo amy gne mika gne raiky akoy gne zanak'olo. Nana satro-boninahitry volamena teo amè lohany sy fandidy maragnitry egny an-tagnany izy. 15 Da nisy anjely hafa nijotso gne tempoly ary nangaiky tamè feo mafy an'gne mipetraky eo amè mika nagnano hoe:"Reso gne fandidinao ka manmboa mandidy. Fa avy gne fotoa handidia, satria maaky gne vokatry gne tany." 16 Ary gne raiky izay nipetraky teo amè mika nampandroso gne fandidiny teto an-tany, ka nodidiany gne tany. 17 Nisy anjely hafa nijotso tao an-tepoly tagny an-dagnitry; nana fandidy maragnitry evakoa izy. 18 Mbola nisy anjely hafa koa nijotso gn'alitara fagnoroa ditin-kazo magnitry, izay mana fahefa amè gn'afo. Nangaiky tamy gne feo mahery an'gne izay nana fandidy maragnitry izy hoe:"Reso gne fandidinao maragnitry ary alagnono gne sampahom-boaloboky avy avy amy gne voaloboky gne tany, fa gne voaloboka da efa masaky izao." 19 Nampandroso gne fandindiny tamè tany gn'anjely ary nandagno gne vokatry gne voaloboky gne tany. Natorakiny tao agnaty famiazam-boaloboky zakaben'e fahavigniran'Andriamanitra izany. 20 Gne famiazam-boaloboky da nitsaha tagny ambadiky gne tanà, ary gne rà da niraraky avy ao amizany ka avy atramè gn'ahabon'e lamboridin-tsovaly, izay 1.600 stadio.