Toko faha 13

1 Ary nahita bibi-dihy iaho niakatry avy tamè ranomasy. Nana tandroky folo izany ary loha fito. teo amè tandrony da nisy diadema filo, ary teo amè lohany da nisy agnara fizaka ratsy avy. 2 Gne bibi-dihy izay hitako da mitovy amy gne leoparda. Gne tombony da akoy gne tomboky gne bera, ary ny vavany da akoy gne nvavan'e liona. Gne dragona nagnome enazy gne heriny, gne seza fiandrianany, ary fahefanyzakabe hanapaky. 3 Gne lohan'gne bibi-dihy raiky da akoy gne efa maty, kanefa mela gne ratry saiky nahafaty enazy. Ary gaga agnaby gne tany ka nagnaraky gne bibi-dihy. 4 Ary da nandohaloky koa teo amy gne dragona indreo, satria izy gne nagnome gne fahefa ho an'e bibi-dihy. Nandohaliky teo amy gne bibi-dihy, ka, indreo, ary nizaka hoe:"Ia gne akoy gne bibi-dihy?" ary "Ia gn'afaky miady aminazy?" 5 Nome vava izay afaky mizaka firahareha sy fizakan-dratsin'gne bibi-dihy. Nome alala izy mba hampihatra mandritrin'gn'efatra ambi-efapolo vola. 6 Ary namoa gne vavany hizaka ratsy an'Andriamanitra gne bibi-dihy: nizaka ratsy gn'agnaran, gne toera izay hioetrahany ary gne izay mipetraky ao an-dagnitry. 7 Navelany hiady tamy gne mino ary handresy endreo gne bibi-dihy. Ary koa, gne fahefa da nome enazy magnera gne foko, gn'olo, gne fizaka, ary gne firenena agnaby. 8 Handohaliky eo aminazy agnaby izay mipetraky ambonin'e tany, ireo izay tsy vosoratry agnara, nandritrin'gne famorogna izao tontolo izao ao amè Bokin'ny Fiaina, izay an'e Zanak'ondry, izay efa novonoy. 9 Raha misy manan-tsofy, ôka izy hiteno. 10 Raha misy nalaina babo, da hadeha amy gne fahababoa izy. Raha misy novonoy tamy gne sabatry, amy gny sabatry gne hamonoa enazy. Ity gn'antso ho an'e fahareta ary finoa ho an'ireo izay masina. 11 Ary nahita bibi-dihy hafa iaho niakatry avy tamè tany. Izany da nana tandroky roy akoy gne zanak'ondry, ary nizaka akoy gne dragona. 12 Nampihariny agnaby gne fahefan'gne bibi-dihy volohany eo agnatrehany, ary gne tany sy gne izay mipetraky eo aminazy da asainy mandohaloky eo amy gne bibi-dihy volohany— gne raiky izay afaky tamè ratsy saiky nahafaty enazy. 13 Nagnano fahagaga maro zakabe izy. Nampidina afo avy agny an-dagnitry ho amè tany teo agnatrehan'gn'olo. 14 Tamy gn'alaln'e famantara da nome alala agnano izany, namitaky an'gne nipetraky ambony tany izany. nizaka tamindreo izany mba hagnambotry sary ho voninahitry gne bibi-dia izay voratran'e sabatry nefa velo. 15 Navela asia aina gne sarin'e bibi-dihy mba ahafahan'gne sary misaka ary izay tsy magneky mandohaloky amy bibi-dihy agnaby da novonoy. 16 Nanery gne tsiraikiraiky evakoa izany, ndre gne madiniky ndre zakabe, ndre gne tsy andevo nre gn'andevo, da mangala gne mariky eo amy gne tagna ankavana na oe amy gne pandany. 17 Tsy hisy olo mahazo mividy na mivarotry mandra-pahazony gne mariky gne bibi-dihy, izany da gne isan'gne fagnambara gn'agnarany. 18 Izany da mitaky fahendre. Raha misy olo manan-tsaina, ôka izy hagnisa gne isan'gne bibi-dihy. Fa zany da isan'gn'olo. Izany isa izany da 666