Toko faha 12

1 Famantara zakabe gne hita tagny an-dagnitry: viavy nagnisy gne masoandro, ary gne vola teo ambanin'e tombony, ary satro-boninahitry vita tamè kita roy ambin'ny folo gne teo amè lohany. 2 Bevoky izy, ary nangaiky mafy fa efa ho teraky, ao anatin'e fihetsehan-jaza. 3 Avy eo nisy famantara hafa niboda tagny an-dagnitry: Igny! Nisy dragona mena zakabe izay nana loha fito sy tandroky folo, ary nisy satro-boninahitry fito teo amy gne lohany. 4 Gnohony da nifoky gne ampahatelon'e kinta tagny an-dagnitry sady nanoraky endreo tegny amy gne tany. Gne dragona nitsanga teo agnatrehany gne viavy izay efa ho teraky, ka raha teraky izy, da afaky hihina gne zanany izay. 5 Niteraky zaza lelahy izy, izay hanapaky firenena agnaby miaraky amy gne tehim-by. Gne zanany da nalay an-kery ho agny amin'Andriamanitra sy ho eo amy gne seza fiandriana, 6 ary gne viavy da nandea nilefa agny agn'efitry, izay nisy toera efa nomanin'Andriamanitra ho anazy, ka da ho vokarakara mandritry gne 1260 andro izy. 7 Ary nisy ady tagny an-agnitry. Mikaela sy gn'anjely da niady tamy gne dragona; ary gne dragona sy gn'anjely da namaly ady. 8 Fa tsy da natanjaky gne dragona ka tsy naharesy. Koa tsy nisy toera ho anazy sy gn'anjely esanaky tagny an-dagnitry. 9 Gne dragona zakabe— izay menara taloha nangia oe devoly na Satana, gne namitaky an'izao tontolo iao — da natoraky tegny ambonin'ny tany, ary gn'anjely da natoraky niaraky taminazy. 10 Avy eo nahare feo mafy avy agny an-dagnitry iaho:" Amizao da avy gne famonje, gne hery, gne fanjakan'Andriamanitrintsika ary gne fahefan'i Kristiny. Fa gne mpagnameloky gne rahalahantsika da natoraky tagny ambany, gne raiky izay mpagnameloky endreo atoandro aman'aly eo agnatrehan'Andriamanitrintsika. 11 Indreo da naharesy enazy tamè ràn'e Zanak'ondry sy tamy gne zaka fitsanganandreo vavolombelo, fa tsy nankamamy gne fiainany esanaky indreo ndre da ho faty. 12 Noho izany, mifalia, anareo ry lagnitry, sy izay mino aminazy agnaby. Fa mitandrema gne amy gne tany sy gne ranomasy satria gne devoly da nidina tegny aminareo. Feno fahavignira izy, satria fantany fa fotoa fohy sisa gne hanagnany. 13 Raha nahafantatry gne dragona fa nalavo tamy gne tany izy, da nagnia gne viavy niteraky zaza lelahy izy. 14 Fa gne viavy da noma eletry roin'gne voromahery zakabe, ka da afaky nandrembo nandea amy gne toera nokarakaray ho anazay tagny agn'efitry. Io gne toera hitsinjova enazy, mandritry gne telo tao sy tapany— mba tsy ho hitan'gne menara. 15 Namoky rano akoy gne rano zakabe tamè vavany gne menara, izay angala an-draviavy. 16 Fa gne tany nagnapy an-raviavy. Nosokafan'e tany gne vavanyary da nateliny gne riaky iay navokin'e vavany dragona. 17 Ary vignitry tamin-draviavy gne dragona ka niala ary nitadia ady tamè gn'ambin'gne taranany, izay magneky gne didin'Andriamanitra ary mita gne fitsangana vavolombelo momba an'i Jesosy. 18 Avy eo nitsanga teo ambonn'e fasiky gne ranomasy gne dragona.