Toko faha 20

1 Fa gne fanjakan-lanitry da mitovy amè lehilahy tompon-tragno, izay nizotso marandray ka hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. 2 Ary rehefa nifanaiky gne mpiasa, da nalefany negnagny an-tanim-boalobony indreo. 3 Ary nizotso tamè lera fahatelo izy, da nahita gne sasany nidoboky fotsiny. 4 Ka hoy izy taminy: " Alao koa anareo handeha amè tanim-boaloboky, fa izay an-keviny marina da homeko anareo." Ka nandeha niasa indreo. 5 Ary nijoso tamè lera fahenina sy fahasivy indraiky koa izy ka nagnano mitovy amin'izà koa. 6 Ary rehefa tokotry ho tamè lera fahiraika ambin'ny folo da nijoso izy ka nahita gne sasany nidoboky teo, da hoy izy taminy: " Nahoa anareo gne midoboky fotsiny etoa tontolon'andro?" 7 Hoy izy taminy: " Satria tsy nisy olo nagnakarama anay." Da hoy ralehilahy taminy: " Alao koa anareo megnagny amè tanim-boaloboky." 8 Ary rehefa ariva gn'andro, da hoy gne tompon'gne tanim-boaloboky tamè mpitandrina gne raharahany: " Angio gne mpiasa, ka aloavy gne karamany, atomboy amè tafara ka megnagny amè voalohany. 9 Ary rehefa avy indreo nokaramà tamè lera fahiraika ambin'ny folo, da nahazo denaria misesy agnaby indreo. 10 Fa rehefa tonga indreo voalohany, da nagnategna hahazo mihôtry indreo, kaiky samy denaria misesy avakoa gne azondreo. 11 Rehefa nahazo izà izy, da nimenimeny tamè tompon-tragno ka nagnano hoe: " 12 Indreo farany ireo da niasa lera raiky avao, kanefa naninao mitovy aminay, izay niaritry gn'avalà sy gne hain'andro." 13 Fa izy namaly ka nagnano tamè raiky hoe: " Ry sakaiza, tsy mba magnano izay tsy marina aminao iao. Tsy efa denaria gne nifagneketsika?'' 14 Alay gnanao, da mandehana, fa gne farany da tiako omè mitovy amin'gnanao koa. 15 Tsy mahazo magnano gne tiako amin'gn'anah me iao? Ratsy me gne masonao, satria tsara iao? 16 Da mitovy amin'izà, gne farany ho voalohany, ary gne voalohany ho farany. 17 Ary Jesosy, raha niakatry ho an'i Jerosalema, da nangala malomaloky gne mpianatry roa ambin'ny folo lahy ka nizàka tamin'azy t'andala hoe: 18 " Miakatry ho egny Jerosalema isika io, ary gne zanak'olo da atolotry ho amè lehibe gne mpisorona sy gne mpanora-dalàna, da ho sazy ho faty izy. 19 Ka atolotry amè Jentilisa mba haniny fiomezà sy ho vangoiny fiky sy ahisiny amè hazo fijalia. Fa amè andro fahatelo da hatsanga indraiky izy. 20 Ary tam'izà da nagnato an'i Jesosy i endrin'gne zanak'i Zebedio izy amè zanany lehilahy, da nitanondriky sady nangataky raha maro. 21 Ary hoy izy taminazy hoe: " Ino gne tianao?" Da hoy ra-viavy taminazy: " Manomeza baiko mba hidoboan'itoa zanako roalahy itoa, gne raiky ho amè ankavagnanao, ary gne raiky ho amè ankavianao, da ho amè fanjakanao. 22 Fa i Jesosy namaly da nizàka hoe: " Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo gne mindragno amè kapôky izay efa hindranomako?" Hoy izy roalahy taminazy: " Hainay kà." 23 Hoy koa Izy taminazy: " Indragno amè kapôkiko dato anareo; fa gne hipetraky amè tagnako ankavagna sy amè tagnako ankavia da tsy iao gne hanome an'izà fa izay nagnamboaran'iabako anizà gne omè anizà." 24 Ary raha naharè an'izà indreo folo lahy, da vignitry tamè nan'izy mirahalahy. 25 Fa i Jesosy nangaiky anazy da nizàka hoe: " Fantatrareo fa gne mpanjaka gne Jentilisa da magnandevo anazy dato, ary gne lehibeny da mpanapaky anazy fatratry." 26 Fa tsy mitovy amin'izà anareo, fa izay te-ho zakabe aminareo da ho mpagnompo anareo. 27 Ary izay te-ho akaboa indrindra aminareo da ho mpagnomponareo. 28 Fa mitovy amin'izà, gne zanak'olo tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ka hanolotry gn'ainy ho avotry hisolo gne maro. 29 Ary raha niala tao Jeriko izy, da nisy vahoaky betsaky nagnaraky an'i Jesosy. 30 Ary igny, nisy jamba roa lahy nidoboky teo amoron-dalà, ary rehefa reny fa i Jesosy gne mandalo, da nangaiky izy ka nagnano hoe: " Mamindrà fo aminay, ry Tompo, zanak'i Davida ô! 31 Ary gne vahoaky nizàka mafy anazy mba hangina, fa vao nagnato izy ka nagnano hoe: " Mamindrà fo aminay, ry Tompo, zanak'i Davida ô! 32 Ary Jesosy nijano, da nangaiky anazy ka nagnano hoe: " Ino gne tianareo aniko aminareo?'' 33 Hoy izy taminy: " Zagnahariko ô, gne mba hapagnitenao gne masonay. 34 Ary Jesosy da firaigny anazy ka nanendry gne masony; ary nahiratry niaraky tamin'izà izy, da nagnaraky an'i Jesosy.