Toko faha 21

1 Raha nagnato an'i Jerosalema Jesosy sy gne mpianany ka negnao Betifaga, any an-tendrombohitr'i Oliva, da nandefa mpianatry roy Jesosy, ka nagnano hoe: " 2 Mandehana anareo aminio vohitry tandrify anareo io, ary miaraky amin'izà da hahita boriky mifatotry sy gne zanany eo aminy anareo". Vavaro izy, da indeso megnaty amiko. 3 Ary raha misy mizàka anareo, da zakay hoe: " Misy raharaha ilan'i Tompo anazy, ary da havelany hindeshy miaraky amin'izay izay." 4 Ary nitranga izà mba hahatateraky izay nambara tamè alalan'gne mpaminany. Hoy Izy hoe: " 5 Izakay gne zanaka vavin'i Ziona hoe: ' Igny gne Mpanjakanao magnato anao, Manetry tegna ary mitikitry boriky-zana-boriky lahy.''' 6 Ary da nandeha gne mpianatry ka nagnano arak'izay nandidian'i Jesosy anazy. 7 Da nindeshiny gne boriky sy gne zanany ary naniny tambonin'gne lambany, ary Jesosy da nitikitry tamboninazy. 8 Ary gn'ankamaroan'gne vahoaky da namelatry gne lambany tandàla, ary gne sasany nagnapaky piripiky, da natapiny t'andàla tegny koa izà. 9 Ary gne vahoaky izay nialoha Anazy sy izay nagnaraky da nangaiky hoe: " Hosana ho an'gne Zanak'i Davida! Isaorà anie Izay avy amè agnaran'i Jehovah! Hosana any amè avo indrindra!'' 10 Ary raha efa tafiditry tany Jerosalema Izy, da nitabataba gne tanà rehetra ka nagnano hoe: " Ia me izà?" 11 Ary gne vahoaky nizàka hoe: " Iao gne Jesosy mpaminany izay avy any Nazareta any Galilia. 12 Ary Jesosy niditry teo an-kianjan'gne tempolin'Andriamanitry, da nandrôky izay rehetra nivarotry sy nivanga teo an-kianjan'gne tempoly ka nandavo gne latabatry gne mpanakalo vola sy gne fidoboan'gne mpivarotry gne voromamanga. 13 Da hoy izy taminy: " Efa voasoratry hoe: Gne tragnoko hanì tragno fivavahana. Fa anareo kosa magnano azy ho zohy fieren'gne Jiolahy. 14 Ary nisy jamba sy mitongaitry nagnato Anazy teo an-kianjan'gne tempoly, da nahasitrany anazy izy. 15 Fa nohon'gne hitan'gne lehibe gne mpisorona sy gne mpanora-dalàna gne zavatry mahagaga izay naniny sy gne marao madiniky eo an-kianjan'gne tempoly ka nagnano hoe: " Hosana ho anin'gne zanak'i Davida!" da vignitry indreo. 16 Ka nagnano taminy hoe: " Renao gne zakaindreo?" Da hoy Jesosy taminy: " Eka, tsy mbola voavakinareo me gne teny magnano hoe: " Avy amè vavan'gne koboty sy gne zaza minono gne nagnamboaranao fideragny?'' 17 Da nandao anazy Izy ka niala tao an-tanà nandeha avy Betania, ary da nidoboky tao manditry gne ariva Izy. 18 Ary rehefa hipody mandraigny handeha an-tanà Izy, da mosare. 19 Ary nahita hazo aviavy raiky tamoron-dalà Izy, da nagnato anazy, kaiky tsy nahita na ino na ino teo aminy, afa tsy raviny evao; da hoy Izy taminy: " Ka misy voa avy aminao esana mandrakizay." Da maigny tselatsela ilay hazo aviavy. 20 Ary rehefa hitan'gne mpianatry izà, da gaga indreo ka nagnano hoe: " Akongaia lôtry gne da tonga da nahamaigny tselatsela io aviavy io?" 21 Ary Jesosy namaly ka nagnano taminy hoe: " Zakaiko aminareo marina tokôtry, raha manam-pinoa anareo ka tsy mihagnahagna, da tsy izao nanì tamin'gne aviavy izao avao gne ho vitanareo, fa raha hizàka amin'ity tendrombohitry ity aza anareo ka hagnano hoe: " Mifindrà anao, ka milavoa any an-dranomasy, da ho tonga izà." 22 Ary na ino na ino gne angatahinareo amè fivavahà atao amè finoà da ho azonareo. 23 Ary rehefa tafiditry teo an-kianjan'gne tempoly Jesosy ka nampianatry, da nagnato anazy gne lehiben'gne mpisorona sy gne lonaky ka nagnano hoe: " Fahefà laha taia gne agnamboaranao anizao? Ary ia gne nagnomè anao anizao fahefà izao?" 24 Ary Jesosy namaly ka nagnano taminy hoe: " Iao kosa hagnotany anareo zavatry raiky aloha, ary raha hovalianareo izà, Iao kosa da hagnambara aminareo izay fahefà agnamboarako izà." 25 Gne batisan'i Jaona, avy taia mè izà? Avy t'andanitry, sa avy tamè olo? Ary indreo niara-nandiniky ka nagnano hoe: " Ka nahoa ary gne tsy nino anazy anareo? 26 Ary raha ambarantsika hoe: Avy tamè olo, da malia gne vahoaky isika, satria anindreo agnaby ho mpaminany Jaona. 27 Da namaly an'i Jesosy izy ka nagnano hoe : " Tsy fantatrinay." Da hoy Jesosy taminy: " Iao kosa tsy nizàka aminareo izay fahefà agnamboarako izà. 28 Fa akongaia kosa gne hevitrao? Nisy zalà roy lahy iray nana zanaky lahy roy. Nandeha negnagny amin'ilay voalohany izy ary nagnano hoe: " Anaky, mandehanà miasa any amè tanim-boaloboky androany." 29 Fa namaly izy ka nagnano hoe: " Tsy handeha iao". Nefa rehefa afaky izà, da nanegny da nandeha avao. 30 Avy eo da nagnato amin'ilay faharoy izy ary nizàka mitovy aminizà koa. Namaly izy ka nizàka hoe: " Ho any iao, tompoko," nefa tsy negnagny izy. 31 Ia tamin'ireo zanany roy ireo gne nagnano gne sitrapon'gne rainy? Ary hoy indreo hoe: " Ilay voalohany." Jesosy nizàka andreo hoe: " Zakaiko marina aminareo, ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tegna da hiditry gne fanjakan'Andriamanitry alohanareo. 32 Fa Jaona nagnano anareo tamè fahamarinà, fa tsy nitegno anazy anareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tegna nitegno anazy. Fa anareo, na da nahita izà aza, da tsy nibebaky sy tsy nitegno anazy. 33 Tenomy ity fagnohara raiky hafa itiky. Nisy lehilahy raiky, tompona tany. Nambotry tanim-boaloboky izy, no valahany izà, nandavahany famiazana tao agnatiny, nananganany tilikambo, ary nampamondrony andreo mpamboly voaloboky. Avy teo da negnagny amè tanà hafa izy. 34 Rehefa marigny gne taom-pamokarana, da nagniraky gne sasany tamin'ireo mpagnompo izy hegnagny amin'ireo mpamboly voaloboky hangala gne vokatrany. 35 Fa nosamborin'ireo mpamboly voaloboky ireo mpagnompony, novangony fiky gne raiky, novonoiny gne raiky, da mbola notorahany vato gne hafa. 36 Ary mbola, nandefa mpanompony hafa indraiky ilay tompon-tany, maro nohon'gne tamè voalohany, fa ninindreo mitovy aminizà evakoa. 37 Taorian'izà, da nagniraky gne zanany lahitokany tany amindreo gne tompon-tany, nizaka hoe: " Hagnaza gne zanako indreo." 38 Fa rehefa nahita ilay zanaky lehilahy ireo mpamboly voaloboky, da nikorà indreo hoe: " Itiky gne mpandova, Aska, ho vonointsika izy ary ho alaintsika gne lovany.'' 39 Noho izà da nosamborindreo izy, natsipy tao agnatigne tanim-boaloboky ary novonoigny. 40 Ary rehefa avy gne tompon'gne tanim-boaloboky, ino gne ho ataony amindreo mpamboly voaloboky?" 41 Hoy indreo taminy hoe: " Ho ravany amin'izay fomba mafy indrindra ireo olon-doza, ary avy eo hampamondrony amin'ireo mpamboly voaloboky hafa gne tanim-boaloboky, olo hanome anazy gne hajara-voligny amè fotoam-pamokarà." 42 Jesosy nizàka tamindreo hoe: " Tsy mbola namaky gne Soratra Masina mihitsy anareo hoe: " Gne vato nolavin'gne mpanorin-tragno gne natao vato fehizoro. Avy tamè Tompo izà, ary mahagaga eo imasontsika"? 43 Noho izà zakaiko aminareo, hesory aminareo gne fanjakan'Andriamanitry ary homè gne firenegny izay mamokatry gne voany. 44 Na ia na ia ho lavon'io vato io da ho rotorotiky. Fa gne hianjerany kosa da ho vilavila." 45 Rehefa naharè ireo fanoharany ireo gne lehiben'gne mpisorona sy ireo Fariseo, da azondreo ireo fa mahakasiky andreo gne noresahany. 46 Nikasa gne hisambotry Anazy, nefa natahotry gne vahoaky indreo, satria nanin'olo ho mpaminagny Izy.