Toko faha 19

1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izà zaka izà, da niala tany Galilia izy ka nagnaraky gne lalà tegny an-danitry Jordana, da tonga tany amè sisin'Jodia. 2 Ary nisy vahoaky maro nagnaraky anazy, da nagnasitrany anazy teo izy. 3 Ary nisy Fariseo nagnato anazy, da nangala fagnà anazy hoe;" Mahazo misaotry gne vadiny gne lehilahy noho izay rehetra indesiny iampangany anazy na ino na ino? 4 Ary izy namaly ka nizàka hoe: " Tsy mbola novakinareo gne teny, fa gne nahary anazy tamè voalohany da nahary anazy ho lahy sy viavy, ka nagnano hoe: 5 Ary noho izà gne lehilahy da handao gne rainy sy gne Endriny ka hikamba amè vadiny; ary da ho nofitry raiky indreo roy. 6 Ka tsy roy esana izy, fa nofo raiky avao. Koa amin'izà, izay nampiraisin'Andriamanitry da aoky tsy ho hampisarahin'olo. 7 Hoy indreo taminy: " Nahoa ary Mosesy gne nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotry anazy?" 8 Ary hoy Jesosy taminy: " Gne hamafin'gne fonareo gne namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamè voalohany da tsy mba mitovy amin'izà. 9 Fa zakaiko aminareo : " Na ia na ia gne misaotry gne vadiny, afa-tsy nohon'gne fijangajangà avao, ka mampiakatry gne hafa, da mijangajangà; ary gne mampakatry gne voasaotry da mijangajanga koa." 10 Da hoy gne mpianatry taminy: " Raha izà gne toetry gne lehilahy amè vadiny, da aleo tsy manambady." 11 Fa hoy izy taminy: " Tsy gne olo agnaby gne mahay mandray izà zakà izà, fa izay nome avao." 12 Fa misy ionoka, izay teraky ionoka latagn'ati-troky, ary misy ionoka, izay nanin'olo, ary misy ionoka, izay nagnano gne tegnany ionoka nohon'gne fanjakan'gne lanitry. Aoky handray izà gne mahay mandray. 13 Ary tamin'izà da nisy zaza madiniky nindesy teo amin'i Jesosy mba hametrahany tagnà sy hivavahany ho anazy; fa gne mpianany nizàka mafy. 14 Nefa Jesosy nagnano hoe : " Apetray gne zaza, ary ka rarà agnato anah; fa mendrika anazy gne fanjakan'gne lanitry." 15 Ary rehefa nametraky gne tagnany taminy izy, da niala tamigneo. 16 Ary, igny mpianatry raiky nagnato anazy ka nagnano hoe: " Mpampianatry ô, ino gne tokony ho aniko hazahoako gne fiainagny mandrakizay?" 17 Fa hoy Jesosy taminy: " Nahoa iao gne hanontanianao gne mahakasiky anizà?" Raiky gne tsara, fa raha te-hiditry amè fiainagny mandrakizay anao, tendremo tsara gne didy. 18 Hoy ralehilahy taminy: " Ino agnaby me?" Da hoy Jesosy: " Gne hoe: " Ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatry, ka mety ho vavolombelo gne mpavandy, 19 magnajà gne Rainao sy gne Reninao, ary tiavo gne namanao mitovy amè fitiavanao gne tegnanao." 20 Hoy ilay marao lahy taminy: " Izà rehetra izà efa voatandriko agnaby. Fa ino avao gne mbola tsy mahatanteraky anah?" 21 Da hoy Jesosy taminy: " Raha tianao ho tanteraky, mandehana, amidio gne fanagnanao, ka omeo gne malahelo, da hanagny rakitry any an-danitry anao, ary avia agnaraky anah." 22 Fa raha vao naharè izà zaka izà ilay marao lahy, da niala tamin'alahelo izy, satria nagnandrà marobe. 23 Da hoy Jesosy tamè mpianany: " Zakaiko aminareo marina tokôtry fa sarotry gne hidiran'gne manan-karena amè fanjakan-lanitry." 24 Ary hoy iao aminareo indraiky: " Ho moramora kokoa gne hidiran'gne rameva amè vodi-fanjaitry nohon'gne hidiran'gne manan-karena amè fanjakan'Andriamanitry." 25 Ary raha vao naharè izà gne mpianatry, da gaga tanteraky ka nagnano hoe:" Ia koa izao gne azo hovonjè?" 26 Ary Jesosy nagnety anazy ka nagnano taminy hoe: " Tsy hain'olo izà, fa Andriamanitry gne mahay gne zavatry rehetra." 27 Da namaly Petera ka nagnano hoe: " Iahay efa nahafoy gne zavatry rehetra ka nagnaraky anao. Ka ino ary gne ho azonay?" 28 Fa hoy Jesosy taminy: " Zakaiko aminareo marina tokôtry, fa rehefa amè vanim-potoa vaovao rehefa midoboky eo amè seza fiandrianan'gne voninahiny gne Zanak'olo, da hidoboky eo amè seza fiandrianana roa ambin'ny folo evakoa anareo izay nagnaraky anah, hitsara ireo foko roa ambin'ny folon'Israely. 29 Ary gne rehetra efa nahafoy tragno, rahalahy, agnakavy, ray, reny, na tany, amin'gn'agnarako, da handray zato heny ka handova gne fiainagny mandrakizay. 30 Nefa maro gne voalohany gne ho lasa farany, ary izay farany gne ho voalohany.