Toko faha 9

1 Nangaiky gne mpianatriny roy amby folo lahy i Jesosy ary nagnome endreo gn’hery sy gne fahefaha ame demony ary hitsabo gn’arety aby. 2 Nalefany indreo history gne fanjakan’Andriamanitry sy hitsabo gne marary. 3 Hoy Izy tamindreo se:’ka minday n’ino n’ino ame dianareo – tsy misy angira, tsy misy tragnom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, tsy misy akanjo fagnampiny. 4 Gne tragno idiranareo, da mijano ao mandra-pelanareo. 5 Ndre aia ndre aia tsy handresan’olo enareo, laha mandalo enzà tanà zà enareo da ahitsagno iala gne boho ame tombokareo mba ho fijoroa ho vavolombelone fanohera andreo». 6 Avy teo da lasa indreo ary namakivaky gne tanà, nitory gne filazan-tsara sy nitsabo gne narary. 7 Ary ren’i Heroda mpanjaka aby gne raha niboda, ary da lany hevitry izy, satria vazakane sasany fa i Jaona mpagnano batisa da nitsanga tame maty, 8 ary vazaka fa noboda i Elia, gne sasany mizaka fa gne raiky tame mpaminany taloa gne nitsanga tame maty. 9 Hoy i heroda se: «ià gne nanapaky gne lohan’i Jaona, mba ia koa sawa gnaresako gne raha akoizà?» ary niezaky gne ahita Anazy izy. 10 Laha nipody gn’apostoly da nikora taminazy gne raha aby vitandreo. Avy teo da nindesiny niray taminazy indreo, ary nandeha nitoka ho ame tanà atao hoe Betsaida. 11 Laha nahare en’izà gne vahôky da nagnaraky Enazy. Da noresiny indreo ary nambarany andreo gne mikasiky gne fanjakan’Andriamanitry, ary nitsabo en’izay mila fitsaboa Izy. 12 Ary laha ho ariva gn’andro da nagnato enazy è zalah roy amby folo lahy ary nizaka hoe: «alefaso mandeha gne vahôky mba ahafahandreo mandeha ame tanà magnodidy sy ambanivolo mba ahitandreo fatoria miaro sakafo, satria aty ame tany tsisy raha itsika». 13 Fa hoy izy tamindreo se: « Omeo raha hoany indreo». Ary nizaka indreo hoe: «tsy mana afa tsy mofo dimy sy laoky andrano roy iahay – laha tsy hoe mandeha iahay ary mividy sakafo ho an’io olo maro io». 14 (tokony ho dimy arivo teo ho eo gne lelah teo). Ary nizaka tame mpianatriny Izy hoe: «atokotokano dimapolo dimapolo indreo». 15 ka da nanindreo iza, ary napidoboky gne vahôky. 16 Noresiny gne mofo dimy sy gne laoky andrano roy, da nihandra tame lagnitry izy, nisaotry endreo ary nozarzarainy izà, ka nomeny gne mpianatriny iza mba hatolotry gne vahôky. 17 Nihina indreo aby da afa-po, ary nalagno gne sisa tsy lany – da nisy potipotiny roy amby folo haro. 18 Ary laha nivavaky manoka i Jesosy da niray taminazy gne mpianatriny da nagnontany endreo izy hoe: «anine vahôky ia me ià io?» 19 Namaly indreo hoe: «i Jaona mpagnano batisa. Fag ne sasany nizaka hoe i Elia ary gne sasany nizaka hoe nitsanga tame maty gne raiky tame mpaminany taloa». 20 Ary nizaka tamindreo izy hoe: «fa haninao ia me ià?» Namaly i Petera hoe: «ilay Kristin’Andriamanitry». 21 Fa nandrara mafy izy tsy izaka anza na amn’iza na amn’iza, 22 nagnano hoe: «gne zanak’Olo da tsy maintsy hijaly ame raha maro ary ho raràhane loholona sy gne lohandohane mpisorogny ary gne mpanoratry lalàgna, ho vony izy ary hitsanga ame gnandro fahatelo». 23 Ary hoy izy tamindreo aby se: «Laha misy ta-hagnaraky enah da tsy maintsy mandà gnainy izy ary mitondra gn’hazo fijaliany isan’andro, ary da magnaraky enah. 24 N’iza n’iza ta hagnavotry gnainy da hagnary en’izà, fa n’iza n’iza magnary gnainy noho ne fitiavany enah da hagnavotry izà. 25 Ino gne tsara azon’olo ame fanagna an’izao tontolo izao, kanefa magnary na magnapotiky gnainy? 26 fa n’iza n’iza megnatry noho ne gnamnà sy gne zakako, da ho megnatry enazy koa gne zanak’Olo aby avy ame voninahitriny, sy gne voninahitry gne Ray sy gn’anjely masina izy. 27 Fa koragniko marigny aminareo, fa gne sasany aminareo etoa io da tsy hahita fahafatesa meloha gnaitany gne fanjakan’Andriamanitry». 28 Ary valo andro teo ho eo tafarane nikoragnan’i Jesosy en’izà, da nindesiny nindray taminazy i Petera, i Jaona ary i Jakoba, ka niranga gne vohotry hivavaky. 29 Laha nivavaky igny izy da niova gne laharany, ary nivadiky fotsy mamirapiratry gnakanjony. 30 Igny nisy roy lahy nagnato sady nikora taminazy, da i Mosesy sy Elisa izà, 31 izay niboda tame vohotry mamirapiratry. Nikora mikasiky gne fialany Izy, izay indesiny ho tanterahany agny Jerosalema. 32 Ary i Petera sy gne niray taminazy da navesatre torimaso, fa laha natsiaro indreo, da nahita gne voninahitriny sy gne lelah roy nindray nitsanga taminazy. 33 Ary laha niala lavidavitry en’i Jesosy indreo, da hoy i Petera taminazy se: «Tompo o! tsara amitsika gne mijano etoa. Apetray iahay agnano felofa telo, gne raiky Anao, gne raiky an’i Mosesy, gne raiky an’i Elia». ( tsy fatatriny izay nozakainy). 34 Tame fotoa nizakany en’iza da nisy mika nandrakotry endreo, ka lasa natahatry indreo laha tafiditry tam’zà mika zà. 35 Nisy feo nivoky avy tam’zà mika zà, nagnano hoe: «ity gne zanako lelah, gne raiky izay voafidy; tenomo izy». 36 Laha nizaka izà feo zà da i Jesosy raiky gne hita teo. Nitazo gne fahanginandreo indreo ary tsy nizaka tam’iza n’iza tam’zà andro zà gne mikasiky gne raha itandreo aby. 37 Ary ako gn’omarain’igny, laha nidigny avy tame tendrombohotry indreo, da vahôky maro gne nifankahazo taminazy. 38 nisy lelah raiky niboda avy tame vahôky nikoiky mafy, nagnano hoe: «Eh ro mpampianatry e! mibebaky aminao ià mba hagnety gne zanako lah ty, fa zaza toka izy io. 39 Itanao misy fagna mibeko enazy zay da mitoreo tapoky izy; mapifanitosito enazy iza ka mampisy ranivy gne vavany. Tsy miala anazy izà ary da tena mahasosotry enazy. 40 Nibebaky tam’gne mpianatrao ià mba hagnala anzà fa tsy afakindreo». 41 Namaly i Jesosy hoe: «enareo tsy mpino sady taranaky ratsy fitondran-tena, hatram’gnovia gne tsy maintsy iarahako aminareo sy heretako indray aminareo? Indeso aty gne zanakao lah». 42 Laha nagnato ity zaza lah, da nahifike demonia tame tany izy ary napimia anazy. Fa i Jesosy da nizaka mafy gne fagna ratsy ary nitsabo en’izà zaza lelah zà, ary namerigny enazy tam’iabany. 43 Ary avy teo da gaga aby gne be sy ny maro nahita gn’ahabene Zagnahary. Laha gaga tame raha maro namboariny indreo, da hoy izy tame mpianatriny se: 44 « anio agnatine sofinareo itoa zaka toa: gne zanak’Olo da efa hatolotry ho atagnan’olo». 45 Fa tsy azondreo izà fagnambara zà. Izà da nafiny endreo, noho izà da tsy azondreo gne dikan’izà, ary ambola matahatry indreo gne hagnontany gne mikasiky enzà fagnambara zà. 46 Avy teo da nanomboky nisy tsy fifankazaoan-kevitry tamindreo gnam’hoe ho zakabe sady ho to-teny amindreo. 47 Fa i Jesosy d’efa nahafatatry gn’hevitry tagnaty trokindreo, ka zaza madiniky raiky Izy ka napidobohiny tagnilany teo 48 ary nizaka tamindreo izy hoe:’fa n’iza n’iza mandray an’ity zaza ty am’gnagnarako da mandray enah; ary n’iza n’iza mandray enah, da mandray gne Ray izay nagniraky enah. Fa izay kidy indrindra aminareo aby gne zakabe». 49 I Jaona da namaly hoe: «Tompo o! nahita olo raiky iahay nangala demonia tam’gnagnaranao da noraranay izy, satria izy tsy mindray dia aminay». 50 «ka rarà izy», hoy Jesosy, «satria izay tsy manohitry enareo da magnaraky enareo». 51 Laha efa nariny gn’andro apekara anazy, da nitodiky ho agny Jerosalema izy. 52 Nandefa hiraky taloa izy, ary nandeha indreo ka niditry tame tanà-ne Samaritana mba hagnoma gne raha aby ho anazy. 53 Fa gne vahôky tao tsy nandray enazy, satria nitodiky ho agny Jerosalema izy. 54 Laha nahita en’izà i Jakoba sy i Jaona mpianatry, da hoy indreo se: «Tompo o!, tianao iahay laha mandefa afo milatsaky avy an-dagnitry mba hagnapotia andreo?» 55 Fa nitodiky izy ary nizaka mafy tamindreo, 56 lasa tagny ame tanà hafa indreo. 57 Ary laha tame làla indreo da nisy olo raiky nagnano taminazy hoe: «hagnaraky enao ià n’aiza n’aiza ombanao». 58 I Jesosy nizaka taminazy hoe: «gnamboahidy manan-davaky ary gne voro mandrembo da mana gne tragnony, fag ne zanak’Olo tsy mana-toera asia gne loany». 59 Ary hoy izy tame sasany se: «magnarà anah». Fa hoy izy se: «apetray eky ià handevy en’iabako». 60 Fa hoy Izy taminazy se: «apetray gne maty handevy gne maty aminazy. Fa ho anao mandiana ka mitoria agny lavitry agny ary apitombohy gne fanjakan’Andriamanitry». 61 Ary nisy olon-kafa nagnano hoe: «hagnaraky enao ià Tompo, fa apetray eky ià hagnano veloma gn’olo andragnoko». 62 I Jesosy namaly enazy hoe: «Tsy misy olo mità angady ary mitodiky ka mendriky ho ame fanjakan’Andriamanitry».