Toko faha 8

1 Ary tafara kidin’izà da nanomboky nitety tanà sy vohotry samihafa i Jesosy, nitory sy nagnambara gne filazà tsara mahakasiky gne fanjakan’Andriamanitry. Niray taminazy gne mpianatriny roy amby folo lahy, 2 Akoigne viavy sasany izay janga tame fagna ratsy sy tam’gn’arety: i Maria izay nantsoy hoe Magdalena, izay efa nagnajotsoa demonia fito; 3 i Johana, vadin’i Koza, izay mpitan-draharan’i Heroda, ary i Sosana; sy gne maro afa, izay tame fanagnandreo, da nagnome en’izay nilaindreo. 4 Raha mbola nisy vahôky maro nivavaky, da avy nagnato enazy gn’olo isake tanà, da nandray ohatry izy hoe: 5 «nisy mpamboly nijotso mba hamafy gne doriany. Laha igny izy namafy igny da voafafy tegny amoron-dàla gne sasany ary da voahitsakitsaky izà, ary da lanine voro mandrembo. 6 gne sasany taminazy da voafafy tame pelapelam-bato, ka raha vao nitsiry, da nalazo izà, satria tsy nisy hamandoa. 7 Ary gne sasany voafafy tame fatsy, ary gne fatsy niray nitsiry tame doria ka nanindry enazy. 8 Gne sasany da voafafy tame tame tany vokatry ka nagnome vokatry mahafa-po izay tsara lavitry avo zato heny». Tafaran’i Jesosy nizaka an’ireo raha ireo, da nangaiky mafy izy hoe: « izay mana sofy hitenoma, aok’izy hiteno». 9 Nagnontany enazy gne mpianatriny gname tiany hambara tame fagnoara. 10 Hoy izy se: «gne fahalala gne zavatry miafine fanjakan’Andriamanitry da nome enareo, fa hoane gn’hafa da mizaka ame fagnohara ià, mba tsy ahitandreo ndre da mahita, ary tsy ahafatarandreo ndre da maharè». 11 Ary akoizao gne dikane gn’ohatry noresiny: gn’hisiny da zakan’Andriamanitry, 12 Gne vafafy tame sisin-dala da gne maharè, kanefa avy teo da avy gne devoly da nangala gne zaka tame fony, mba tsy hino sady hovoavonjy indreo. 13 Ary gne tame pelapelam-bato da gne maharè gne zaka, da mandray enzà amin-kafalia. Nefa iza da tsy misy vahatriny; da tselatsela gne finoandreo, ary ame fotoa fitsapa da lavo indreo. 14 Gne hisiny voafafy tame fatsy da gnolo maharè gne zaka, fa rehefa mandeha ame lalany indreo, da voagejane fisalisala sy gn’harena ary gne fahafinaretan’ity fiaina ty, ka tsy atitry gne hisiny. 15 Fa gne hisiny voafafy tame tany vokatry da iza gne maharè gne zaka tame fo marigny sady tsara, ary indreo mitazo gne tsara ary mamokatry am-pahareta. 16 Ary tsy misy olo, laha nandrehitry jiro, da manakotry enazy ame sarony na magnapetraky enazy ambany fandria. Fa kosa, magnapetraky enazy ame fagnepetran-jiro, mba ho hitane gn’olo aby izay miditry ame gn’hazava. 17 Satria tsy misy takotry izay tsy hoa ampahafantary, na gne raha miafy ambadiky izay tsy fatatry ary hiboda eo ame gn’hazava. 18 «Mba mitenoma tsara, gne mana, da ambola home misimisy, fa hoane tsy mana, na izay eritrerety hana da hoalà aminazy iza». 19 Avy teo iendriny sy gne rahalahany nagnato enazy, nefa tsy afaky nagnariny enazy nohone vahôky. 20 Nisy nizaka taminazy hoe: «Iendrinao ame rahalahanao da mitsanga ambadiky ao, ta ahita anao». 21 Fa i Jesosy namaly sy nizaka tamindreo hoe: « Iendriko ame rahalahako da samby maharè gne zakan’Andriamanitry sy magnano enza». 22 Ary andro raiky zay da nandeha tame Sambokidy Izy nindray tame mpianatriny, ary Izy nizaka tamindreo hoe: «Alaska andeha agnilan-drano ery». Da lasa indreo. 23 Laha nandeha igny indreo da noresi-tory i Jesosy. Ary nisy rivotry mafibe avy tame rano tegny, ka feno rano aby gne sambokidy, ary da saiky hoazone loza indreo. 24 Avy teo da nagnato en’i Jesosy gne mpianatriny ary namoha anazy sady nagnano hoe: «Tompo ô! Tompo ô! Ho faty itsika! » Ary nifoha Izy ary nizaka mafy gne rivotry sy gne rano magnoza, ary da nijano iza ary da nilamy indreo. 25 Ary nizaka tamindreo Izy hoe: «aia gne finoanareo? » ary natahatry mafy indreo. Ary natahatry sady da gaga evakoa indreo, ary nifametraky fagnontania hoe: «Ia me Ity io, gn’afaky mandidy gne rivotry sy gne rano, ary da magneky Enazy aby iza? » 26 Indreo da nahazo gne faritr’i Gerasena, izay tandrifigne ranon’i Galilea. 27 Ary niakatry tambohotry i Jesosy da nifankahazo tame lelah raiky avy ta-tanà izay nisy demonia. Ary efa ela izy tsy nisiky, ary tsy nidoboky tandragno fa tame kobory. 28 laha nahita an’i Jesosy izy da nikoritsaky mafy sady nandohaliky takatrefany ka nizaka mafy hoe: «ino gniresanao aminaha Jesosy zana’Andriamanitry Avo Indrindra? Miangavy ià mba ka ampijaly ro». 29 Fa i Jesosy da nandidy gne fanga ratsy mba hiala tam’zà lelah zà. Efa ela be gne nipetrahan’izà fagna ratsy zà taminazy, ndre nofihezy tame rojo sy gne gadra vy ary nembena aza izy da novilivilahany aby izà ary nindesine demonia tagn’efitry izy. 30 Nagnontany enazy i Jesosy hoe: ia gnagnaranao ? Ary hoy izy se: i Legiona, fa maro gne Demonia efa niditry taminazy tao. 31 Indreo nengavy Enazy mba handefa anazy ame lavaky farane laly. 32 Ary nisy kosoa maro nihina takeky e teva. Ka nengavy Enazy gne demonia mba hagnapetraky enazy amin’io ary da nekeny izà. 33 niala tam’zà lelah zà gne demony da nifindra tame kosoa, Ary lefa tame lohalo, avy eo da latsaky tame farihy izà kosoa zà da maty. 34 Ary laha nahita gne zavatry nitranga gne mpiamby kosoa da nihazakazaky nagnambara ta-tanà izy ame tatonda. 35 Noho izà da nijotso gne vahôky ta-tanà mba hagnety gne zava-nitranga, ary nagnato en’i Jesosy ka nahita an’io lelah nelane demonia io. Ary izy nidoboky tame tombok’i Jesosy, nisiky ary avy gne fagnahany; ary natahatry be indreo. 36 Avy teo gne nahita maso da nikora gne fomba nahatsara an’zà lelah nipetrahane demonia zà. 37 Ary gne vahôky aby tame faritanin’i Gerasena da nangataky en’i Jesosy mba hiala tamindreo teo, satria feno tahatry mafy indreo. Noho izà da nandeha tame sambo kidy izy mba ahafahandreo mipody. 38 Gne lelah nipetrahane demonia da nengavy enazy mba hindray aminazy, kanefa i Jesosy nandefa anazy ary nizaka hoe: 39 «miveregna andragnonareo agny enao ka magnanoa tatitry feno mahakasike namboarin’Andriamanitry taminao». Ary izà lelah zà da nandeha ary nagnaparitaky tame tanà maro gne raha nanin’i Jesosy taminazy. 40 Ary laha nipody i Jesosy, da nandray enazy gne vahôky, satria efa nandigny enazy indreo. 41 Igny nisy lelah raiky atao hoe Jairo, isane mpitariky tame Synagoga, nagnato sy nandohaliky tame tombok’i Jesosy, ka nengavy enazy mba handroso andragnony, 42 satria gne zanany vavitokagny, tokony ho roy amby folo tao teo ho eo, d’efa tambavahadine fahafatesa. Raha nandeha tame làlany i Jesosy, da niroborobo nagnodidy enazy gne vahôky maro be. 43 Ary nisy viavy raiky nikotrokotro rà nandritrine roy amby folo tao ary efa nandany gne volany aby, (fagnamaria: gne mana-paeza da tsy mitovy hevitry am’gnapidira gne fehezanteny hoe nandany gne volany aby (izy)) ary tsy nisy nahatsikilo enazy n’iza n’iza. 44 Ary izy da nagnato tafaran’i Jesosy ka nikasiky gne lambany, da nijano teo noho eo gne rà nandeha. 45 I Jesosy nizaka hoe: «ia me gne nikasiky enah teo?» Laha nandà aby indreo da hoy Petera se: «Tompo, da magnodidy enao aby andra gne vahôky ary mirindriky aminao». 46 Fa i Jesosy nizaka hoe: «Nisy nikasiky enah, satria fatako fa nisy hery niala tamnà». 47 Laha itan’io viavy io Izy, da nangitakitaky izy ary nandohaliky taminazy teo. Norohoniny tame be sy ny maro gnantony nikasihany gne lambany, sy gne fomba nahatsara anazy teo no ho eo. 48 Ary Izy nizaka taminazy hoe: «Ry anaky, gne finoanao gne nahatsara anao. Mandiana ampiadagna». 49 Avy teo laha mbola nizaka izy da nisy olo raiky avy tame tragnone mpitariky gne synagoga, nagnano hoe: «maty gne zanakao vavy. Ka manahira gne mpampianatry koa». 50 Laha nahare en’izà i Jesosy, da namaly en’i Jairo hoe: « ka matahatry; anio ambony gne finoa, da ho salama izy». 51 Laha niditry tandragno izy, da tsy nekeny gn’olo hiditry tao afa ts’i Petera, i Jaona, i Jakoba, ary iabany am’iendrine zaza. 52 Ary gne be sy ny maro da nandàla sy notagny enazy, 53 fa izy nizaka hoe: « ka tomagny; tsy maty izy f amatory». Da lagnaky gn’hehy enazy indreo satria fatatreo fa maty io zaza viavy io. 54 Fa noresiny tame tagnany izy ka nangaiky mafy ary nizaka hoe: «Anaky, mitsangana!» 55 Ary laha nipody gne fagnahany da tafadoboky izy. Ary nibeko endreo Izy mba hagnome hany enazy. 56 Ary gaga iabany am’iendriny, kanefa i Jesosy da nandrara andreo tsy hizaka na amn’ia na amn’ia gne raha niboda.