Toko faha 7

1 Laha avy nizaka gne raha aby tagnatrehane vahôky i Jesosy, da niditry tao Kapernaomy Izy. 2 Ary nisy kapiteny raiky nana mpiasa izay tena nazainy, ary narary sady efa akeky ho faty izy. 3 Laha nahare gne mikasiky en’i Jesosy izà kapiteny zà, da nagniraky gne loholone Jiosy taminazy tagny, hangataky enazy mba ho avy ary hitsabo gne mpiasany. 4 Ary raha avy tam’i Jesosy indreo, da nagnataky mafy taminazy ary nizaka hoe: «mendiky gnagnamboaranao enzà aminazy, 5 satria tiany gne taninay, ary izy gne nagnano gne synagoga ho anay». 6 da nanohy gne làlagny nindray tamindreo i Jesosy. Rehefatakeky gne tragno Izy, da nagniraky nama i Kapiteny ary nizaka taminazy hoe: «Tompo ô! Ka manahira gnainao enao satria tsy mendriky gne hidera anao ambanine tafotragnoko ià. 7 Noho izà da tsy nihevitry gne tegnako ho mendriky agnatrehanao ià, fa mizaka zaka raiky da ho tsara gne mpiasako. 8 Ame maha ambany fahefaha enah, da mana miaramila ambaniko evakoa. Hoy ià amty raiky ty se: «mandiana», da mandeha izy, ary ame raiky hafa: «avia», da magnato izy, ary ame mpiasa hoe: «amboaro ity», ary da haniny izà». 9 Laha nahare enza i Jesosy da kaperatry taminazy Izy, ary nitodiky tame vahôky nagnaraky enzy ary nagnano hoe: «rohoniko aminareo, fa ndre tagny Israely da ambola tsy nahitako finoa akoizao». 10 Laha nipody tandragno indreo niraha, da nahita fa salama tsara gne mpiasa. 11 Tafara kidikidin’zà, da nandeha tame tanà atao hoe Naina i Jesosy, ary nindray taminazy gne mpianatriny sy gne vahôky maro be. 12 Lefa nariny gne fefine tanà Izy, da igny nisy lelah raiky efa maty najoko, zaza tokan’iendriny ( mpivatrotry ), ary vahôky maro be avy ao ame tanà gne nindray nagnajotso enazy. 13 Laha nahita anazy gne Tompo, da nafiray enazy datò ary nizaka taminazy hoe : «ka mitomagny». 14 avy teo da niakatry izy da nità gne vata nitondrandreo gne raza, ary nijano gne ninday en’zà. Hoy Izy se : «Eh Tovolah, hoy ià aminao, merena ». 15 Da niarigny gne maty ka nanomboky nizaka, ary i Jesosy nagnome enazy en’iendreny. 16 Natahatry aby indreo, ka lasa nidera an’Andriamanitry, nizaka hoe : « mpaminany zakabe gne natsanga amitsika etoa » ary « gn’Andriamanitry nitsijo gn’olony ». 17 Ity vaovao mikasiky en’i Jesosy ty da niparitaky nagneragny en’i Jodia sy gne faritry magnodidy aby. 18 Gne mpianatr’i Jaona da nizaka taminazy gne mikasiky enio raha io. 19 da nagnaiky roy tame mpianatriny i Jaona ka nagniraky enazy ho agny am’Tompo ary hizaka hoe : «enao me gne ho avy sa ambola handigny hafa iahay ? ». 20 Ary laha nagnontany en’i Jesosy indreo da hoy ireo lelah hoe : « i Jaona mpagnano batisa gne nagniraky enay aty aminao hagnontany hoe « enao ve gne ho avy sa ambola misy tokony ho diasanay ? » ». 21 Ary tam’zà lera zà da nahasalama olo maro tam’gne arety sy fahoria ary gne mangotsokotsoky avy ame fagna ratsy izy, ary olo jamba maro gne napahitany. 22 I Jesosy namaly ary nizaka tamindreo hoe : « laha avy nandeha tame lalanareo enareo, koragno am’i Jaona gne raha hitanareo sy renareo. Nahita gne zamba, nahay nandeha gne malemy, tsara gne boka, nahare gne maregny, nivery velo aby gne maty, ary nitoria gne filazantsara gne olo agnatine fahasahiragna. 23 Sambatry gnolo mino enah nohone gnamboariko. » 24 Ary laha lasa gnolo nirahan’i Jaona, da nanomboky nizaka tame vahôky i Jesosy mahakasiky en’i Jaona hoe : « Hagnety ino gne nijotsohanareo tagny agn’efitry ? Sa Volotara nohozongozognone rivotry ? 25 Fa hagnety ino gne nijotsohanareo tagny ? lelah misiky tsara avao ? Hiteo, gne misiky akanjo lafo vidy sy gne miaigny ao ame fiaina tsara da ao ame lampane mpanjaka. 26 Fa hagnety ino gne nijotsohanareo tagny ? Sa mpaminany ? Eka, hoy ia aminareo, ary mihôtry lavitry gne mpaminany. 27 Izy gne voasoratry hoe: « Ao fa alefako aloha enao gne mpitondra gne hafatriko, izay hagnoma gne lalanao mialoha anao». 28 Rohoniko aminareo, fa aminareo izay naterake viavy da tsy misy ambony noho i Jaona. Nefa gne kidy indrindra ao ame fanjakan’Andriamanitra da zakabe noho izy». 29 (Laha nahare enizà gnolo aby, agnisan’izà gne mpandagno hetra, da nagnambara fa marigny Andriamanitry, satria nagnano batisa tame batisan’i Jaona indreo. 30 Fa gne Fariseo sy gne mpahay lalagne Jiosy kosa da nandà gne tanjon’Andriamanitry hoane tegnandreo, satria tsy namboarin’i Jaona batisa.) 31 Ame gn’ino gne ahafahako mampitovy gnolo avy amin’izà taranaky za? Akoign’ino me indreo ? 32 Akoigne zaza mihira ame tsena indreo, izay mipetraky sy mifangaiky ary mizaka hoe : «Nitsotry asody hoanareo iahay, da tsy nandy enareo. Nagnano hira fisaora hoanareo iahay, da tsy notagny enareo». 33 Fa i Jaona mpagnano batisa da avy nihina mofo ary tsy nisotro divay, da hoy enareo se: «Misy demonia izy». 34 Gne zanak’Olo avy nihina sy nisotro, da hoy enareo se: «Hiteo heky aza, fa te hany sy mpisotro Izy, namane mpandagno hetra sy mpanota !». 35 Fa gne fahendre da vomarigny ame zanany aby». 36 Ary gne raiky tame Fariseo da nagnasa an'i Jesosy hiaraky hihina taminazy. Ka raha avy niditry tame tragnone Fariseo i Jesosy da nidoboky hihina tame latabatry. 37 Igny, nisy viavy mpanota tatanà teo. Ary laha nahatsikaritry izy fa nidoboky tame latabatry tandragnoné Fariseo Izy, da ninday tavoara alabastara feno menaky magnitry izy. 38 Ary raha nitsanga tafarany takeky gne tombony izy, da notagny, ka nanomboky nahalè gne tombony gne ranomasony, ka nofafany tame volon-dohany izà sady nagnoroky gne tombony ary nosorany menaky magnitry. 39 Laha nahita anzà gne Fariseo nagnasa an’i Jesosy da nieritreritry, nizaka hoe: «laha mpaminany dato io lelah io, da tokony ho fatatriny hoe karazam-biavy magnano akoignaia io mikitiky enazy io, fa mpanota io». 40 I Jesosy namaly ary nizaka taminazy hoe: «Simona, misy raha ho rohoniko aminao». Ho izy se: «koragno izà, mpampianatry ô!» 41 I Jesosy nizaka hoe: «nisy mpampindram-bola nana mpitrosa roy lahy. Gne raiky da tokony andoa diman-jato denaria, gnane raiky dimam-polo. 42 Raha tsy afaky nagnefa enzà taminazy indreo da samby napetrany izy roy lahy. Noho izà, ia am’izy roy lahy gne ho tia enazy kokoa? 43 I Simona namaly enazy ary nizaka hoe: «araky gne eritreritriko da gne nahafoizany be». Da hoy Jesosy taminazy se: «marigny gne fitsaranao». 44 Ary i Jesosy da nitodiky tam’zà viavy zà sady nizaka tamin’i Simona hoe: «hitanao io viavy io. Netsoky tandragnonao tatoa ià. Tsy nagnome rano hagnasa gne tomboko enao, fa izy nahabotsy gne tomboko tame ranomasony ary namafa anazy tame volon-dohany. 45 Tsy nagnoroky enah enao, fa hatrame nidirako tetoa da tsy nijano nagnoroky gne tomboko izy. 46 Tsy nosoranao diloilo gne lohako, fa izy nagnosotry gne tomboko tame menaky magnitry. 47 Noho izà da mizaka aminao ià, fa gne fahotany maro be da voavela satria izy da be fitiava. Fa izay navela kidy, da tia kidy» 48 Da hoy izy tamindreo se: «voavela aby gne fahotanao». 49 E niara-nidoboky sy nisakafo da nanomboky nikora indreo hoe: «ia me ity da mamela heloky ty?» 50 Avy teo i Jesosy nizaka tam’ty viavy ty hoe: «gne finoanao gne nahavonjy enao. Mandiana ampiadana».