Toko faha 10

1 Ary tafaran’io raha io, da nifidy fitopolo lah (Fagnamaria: maro tame fandika taloha tsara indrindra gne mivadiky hoe: «Fittopolo», kanefa gne sasany da mivadiky hoe: «roa ambi-fitopolo».) hafa gne Tompo, ary nandefa andreo tsiroiroy taloan’Izy nandeha tame toera izy handihanany. 2 Hoy Izy tamindreo se: «Be gne vokatry, fa vitsy gne mpiasa. Noho iza, hangatay gne tompone vokatry mba handefa mpiasa hoegny ame vokatry. 3 Mandihana ame lalanareo. Hiteo, alefako akoigne zanak’ondry eo ategnategnane gn’ambodia enareo. 4 Ka minday fagnapetra vola, na fagnapetra enta, na kapa, ary ka magnotsafy ndre ia ndre ia laha andala egny. 5 Ame tragno hidiranareo, da zakay meloha hoe: «Fiadagna anie ho an’ity tragno ty! » 6 Laha misy olone fiadagna gnao, da hipetraky aminazy gne fiadagna zakainareo, kanefa laha tsy misy, da hipody aminareo izà. 7 Mipetra aminio tragno io evao, mihinàna ary mindranoma enizay omendreo, fa gne mpiasa da mendriky handray è karamany. Ka mifindrafindra tragno. 8 Fa ame tanà idiranareo, ka mandray enareo, hano izay aroso eo agnoloanareo, 9 ary tsaboy gne maharary ao. Zakay amindreo hoe: «Efa nagnakeky enareo gen fanjakan’Andriamanitry». 10 Ndre ovia ndre ovia enareo gne miditry Tanà ka tsy mandray enareo indreo, da mijotsoà egny andala ary zakay hoe: 11 «fa ndre da vovoky gne tagnanareo gne mirekitry ame tombokay da ho fafanay hanohitr’enareo! Fantaro anefa izao: efa magnakeky gne fanjakan’Andriamanitry». 12 Koragniko aminareo fa ame gnandro fitsara da ho azo lefery koa gnan’i Sodoma nohon’izà Tanà zà. 13 Loza ho anao sa Korazina ! Loza ho anao sa Betsaida ! Fa laha gn’asa namboary taminao gne namboary tagny Tyro sy Sidona, da efa ela indreo gne nibebaky, nipetraky tame lamba fisaora sy laveno. 14 Fa ho azo lefery kokoa gnan’i Tyro sy Sidona amigne fitsara nohone gnanareo. 15 Enao sa Kapernaomy, mba mieritreritry evao me enao fa hahasambatry agny andagnitry? Tsia, hoety midy agny ame Handesy enao. 16 Izay miteno enareo da miteno Enah, ary izay mandà anareo da mandà Anah, ary izay mandà Enah da mandà gne nagniraky Enah». 17 Nivery am-pifalia gne fitopolo lah, ka nizaka hoe: «Tompo, ndre gne Demonia da nagneky enay tame gnagnaranao». 18 I Jesosy nizaka tamindreo hoe: «nagnety en’i Satana nilatsaky lahatagny andagnitry akoign’elatry Iah». 19 Hiteo f’efa nomeko enareo gne fahefa hagnitsaky gne menarà, gne maingoka, ary ambonine gn’hery aby n’gne fahavalo, ary n’ino n’ino da tsy hisy aparatry enareo ame fomba aby. 20 Ndre da eo iza, da ka mifaly amiza, nagneky enareo gne fagna, fa mifalia evakoa hoe voasoratry agny andagnitry gn’agnaranareo». 21 Tamiza fotoa za koa da nifaly datò tame fagna masina izy, ary nizaka hoe: «midera anao iah, Ray, Tompone lagnitry sy gne tany, f’efa nafininao iza raha za tame gn’hendry sy gne manà say, ary nambara tame manam-pahalala, akoigne zaza madiniky, Eka, Raiko, f’iza gn’ankasitraha tsara amasonao». 22 Gne raha aby da nankignine Ray tamina, ary tsy misy mahafantatry hoe ià gne Zanaka afa-tsy gne Ray, ary tsy misy mahafantatry hoe ià gne Ray afa-tsy gne Zanaka sy gne nosafidine Zanaka hagnabodagna anazy». 23 Avy teo da niodigny tame mpianatry Izy ka nizaka mangingy hoe: « Sambatry gne mahita gne raha hitanareo. 24 Rohoniko aminareo, mpaminany sy mpanjaka maro gne nagniry ahita eniza raha hitanareo za, fa tsy hitandreo iza, ary aharè gne raha rènareo, fa tsy rèndreo iza». 25 Da nisy mpampianatry gne lalàne Jiosy raiky nitsanga mba hitsapa anazy, ka nizaka hoe: «Mpampianatry o, ino gne tsy mentsy haniko mba handova gne fiaina mandrakizay? ». 26 I Jesosy nizaka taminazy hoe: «ino gne voasoratry ao ame lalàna? akoingaia gne famakianao eniza ?» 27 Nagnome valinteny izy da nizaka hoe: «Tiavo gne Tompo Andriamanitrao ame fonao aby, ame fagnahanao aby, ame gn’herinao aby, ary ame fisaignanao aby, ary gne namanao mitovy aminao». 28 I Jesosy nizaka taminazy hoe: «marigny gne valiteninao. Amboaro iza da ho velo enao». 29 Fa gne mpampianatry, nagniry hagnamarigny gne zakany, da nizaka tam’i Jesosy hoe: «ià gne namako? » 30 Namaly enazy i Jesosy ka nizaka hoe: «nisy lelah raiky nidy avy lahatagny Jerosalema hoagny Jeriko. Izy da azone mpandroba, izay nangala gne fanagnany aby taminazy, sy namango enazy, sy namela anazy efa ho faty. 31 Ary nisy kisendrasendra mpisorogny nandalo tamiza lalana za, ary laha nahita anazy izy, da nandeha tagnilany tegny. 32 Akoiza koa gne Levita raiky, laha nandalo tame toera ka nihita anazy, da nandeha tagnilany tegny. 33 Fa nisy Samaritana raiky, laha nandeha tame nandihanany izy, da avy teo ame nisy enazy. Laha nahita anazy izy, da nitsetra anazy. 34 Da nagnato enazy izy ka nifehy gne ratriny, ary nandraraky menaky sy divay tamin’izà. Nampifampitihine bibiny izy, ka nizaka tagny ame tragnombahiny, ary nokarikarainy. 35 Gnomarain’ío da nangala denaria roy izy, ary nanolotry iza tame tompotragno, ary gnanao hoe: «karikaray izy, ary na otrino na otrino laninao amboniny, rehefa miverigny ià, da ho efaiko». 36 Da ia amindreo telo io, araky gn’eritreritrao, gne naman’igne azone mpandroba? » 37 Namaly iza mpampianatry za hoe: Gne raiky izay nagnaboda gne fiantra taminazy». I Jesosy nizaka taminazy hoe: « mandihana ary magnamboara akoiza koa». 38 Ary raha niray nandeha indreo, da niditry tao ame Tanà raiky Izy, ary nisy viavy raiky atao hoe Marta nampandroso Enazy tandragnony. 39 Nana rahavavy atao hoe Maria izy, izay nidoboky teo ame tombon’ny Tompo ary naharè gne zakany. 40 Fa i Marta sahira be tam’gne fikarikara gne sakafo ho aroso. Nagnato en’i Jesosy izy, da nagnano hoe: «Tompo, tsy mampagnino Enao ve gne namelane rahavaviko ena hanompo raiky? Ba zakay izy hagnampy enah». 41 Fa namaly gne Tompo ka nagnano taminazy hoe: «Marta, Marta, magna ame raha marobe enao, 42 kanefa raha raiky evao gne tena ilay. I Maria da efa nifidy gne tsara indrindra, izy tso-alà aminazy».