Toko faha 11

1 Da izao gne niboda laha nivavaky tame toera raiky i Jesosy, nisy raiky tame mpianatriny nizaka taminazy hoe: «Tompo, mba hapenaro mivavaky iahay, mitovy ame napenarin’i Jaona gne mpianatriny». 2 Hoy i Jesosy tamindreo se: «laha mivavaky enareo da rohono hoe: «Ray ô! Ho hamasigny anie gnagnaranao. Ho avy anie gne fanjakanao. 3 Omeo enay gne haninay isan’andro. 4 Avelao gne fahotanay, akoigne namelahanay enizay meloky taminay. Ka minday enay ho agny ame fakam-pagna»». 5 I Jesosy nizaka tamindreo hoe: «ià aminareo gne hàna nàma, ary handeha aminazy ame sasakaly, ary hagnano aminazy hoe: «Ry Nàma, mba ampindramo mofo telo ià, 6 fa misy namako raiky avy lavitry, ary tsy mana n’ino n’ino ome enazy ià». 7 Ary mety hamaly enazy gne raiky tame tragno ka hagnano hoe: «ka mangelingeligny enàh». Efa mihidy gne varangara, ary gne zanako, efa ambony fandria, miray aminah. Tsy afaky mitsanga ià hagnome mofo enao». 8 Mizaka aminareo ià, ndre tsy mitsangà sady tsy magnome mofo enareo izy satria namany enareo, da nohone fiezahanao tsy misy hegnatry, da hitsanga izy ary hagnome anareo gne mofo ilainareo aby. 9 Ambola mizaka aminareo ià, Mangata, da homè enareo izà; mitadiava da ahita enareo; pepeo da ho vohà anareo. 10 Fa gn’olo mangataky aby da mahazo, ary gne mitadia aby da mahita; ary gn’olo mipaipaiky da ho vohà aby. 11 Ià aminareo Raim-pianakavia io mesa, raha mangataky laoky andrano gne zanakareo, da hagnome enazy bibilava fa tsy laoky andrano? (Fagnamaria: gne fandika tsara indrindra sady misy vakin-teny fohy, izay arahatsika eto. Gne fandika taloha sasany da misy vakin-teny lavabe evakoa, izay hita ao ame Matio 7:9 evakoa: «ià ame Raim-pianakavia aminareo, laha mangataky mofo gne zanakareo, gne hagnome enazy vato? Na laoky andrano, da hagnome enazy bibilava? ») 12 Laha mangataky atody izy, da homenareo maingoka izy? 13 Noho izà laha enareo ratsy fagna gne mahay fagnomeza tsara gne zanakareo, da akoignaia gnabene fagna masina homene Rainareo agny an-dagnitry ho an’izay mangataky aminazy? » 14 Ary i Jesosy nandroky demonia moa. Laha niala gne demonia, da lasa nahay lelah moa, ary da gaga gne vahôky. 15 Fa gn’olo sasany da nizaka hoe: «am’gnalalan’i Belzeboba, izay mpitariky gne demonia, gnandroahany demonia». 16 Gne sasany nitsapa Enazy ary nitadia famantara avy latan-dagnitry taminazy. 17 Nefa fatatrin’i Jesosy e tan-dohandreo ary nizaka tamindreo izy: «gne fanjaka mizarazara aby da ho rava, ary gne tagno mizarazara da hiroda». 18 Laha gne Santana gne miady andragno, da akoignaia gnampaharitry gne fanjakany? Fa hoy enareo se mandroky demonia am’gnagnaran’i Belzeboba ià. 19 Laha mandroky demonia am’gnagnaran’i Belzeboba ià, am’gnalalania gnandroahane mpagnaradia enareo enazy? Noho izà, da indreo gne hitsara anareo. 20 Fa raha mandroky gne demonia am’gnalalane rambi-tagnan’Andriamanitry ià, da avy aminareo gne fanjakan’Andriamanitry. 21 Fa laha ampy fitaova tsara gne fanaly lahy raiky miamby gne tragnony, da va-amby gnariany, 22 nefa laha misy lelah mahery amboniny, da ho alain’izà lelah zà aby gne fitaovam-piadiany ary ho alainy aby gne fanagnany. 23 Izay tsy miray amnà da manohitry enà, ary izay tsy miray mivavaky amnà da misaraky. 24 Laha miala am’gn’olo raiky gne fagna ratsy, da lasa mamakivaky toera tsisy rano izy ary mitadia raha ipetrahany. Ary laha tsy mahita, da hoy izy se: «andeha hipody tame tragno nevisako ià». 25 Laha tafa-pody izy da mahita an’za tragno za voadio sady voalamy. 26 Avy eo da lasa izy ary magnala fagna ratsy hafa ambonine gnainy miisa fito miray aminazy ary da miditry mba hipetraky ao izy aby. Lasa ratsy nohone fiandohany izà olo zà.» 27 Ary laha nizaka anzà raha zà izy, da nisy viavy raiky napiakatry gne feony tagnatine olo maro tao ary nizaka taminazy hoe: «sambatry gne troky nitondra anao, sy gne nono ninonoanao». 28 fa hoy izy se: «sambatry ambonin’izà izay miteno gne zakan’Andriamanitry sy mità anzà». 29 Ary laha mbola nitombo gne vahôky, da nanomboky nizaka i Jesosy hoe: «ity taranaky da taranaky ratsy. Mitadia famantara izy, nefa tsy hisy famantara haboda anazy afa tsy gne famantaran’i Jona. 30 Mitovy ame nevisan’i Jona ho famantara tame Ninivita, akoizà koa ho famantara gne zanak’Olo amty taranaky ty. 31 Gne mpanjaka vavin’gn’atsimo da hitsanga ame fitsara mindray ame lelah amty taranaky ty ka hagnasazy endreo, fa avy tagny ame farane tany izy mba hiteno gne fahendren’i Solomona, ary etoa gn’olo zakabe ambonin’i Solomona. 32 Gne lelahan’i Ninive da hindray hitsanga amty taranaky ty ame fitsara ary hagnasazy enazy, satria nibebaky tame nitorian’i Jona andreo, ary igny fa nisy olo zakabe ambonin’i Jona. 33 Tsy misy olo, laha avy namelo jiro, da nagnisy enzà tame toera takotry na ambanine haro, fa apetraky ame fipetrane jiro, mba ho itane miditry gne hazavà. 34 Gne masonao gne jirone gnay. Laha tsara gne masonao, da feno hazavà gnay aby. Kanefa laha ratsy gne masonao, da mizy be gnainao. 35 Noho izà mitandrema enareo mba tsy ho mizy gne hazavà ao aminareo. 36 Ary raha feno hazavà gne vatanao aby, ka raha tsisy kidikidy azone mizy, da mitovy ame jiro mapamiratry gne hazavàny eo aminao gnainao aby. 37 Laha vita gne korany, da nisy Fariseo nagnasa anazy hiray hihina taminazy tandragnony, da niditry i Jesosy da nidoboky. 38 Gaga gne Fariseo fa tsy nisasa i Jesosy talohane nihina. 39 Fa hoy gne Tompo taminazy hoe: «amzao fotoa zao, enareo Fariseo da manasa gne vohone kapila sy gne lasety, fa gnagnatinareo da feno rombaky sy faharatsia». 40 Enareo kidy fagna! Tsy gne nagnano gne tagnatiny evakoa me gne nagnano gne tambadiky? 41 Omeo gne sahira izay ao agnatiny da ho madio ho anareo avakoa gne raha aby. 42 Fa loza ho anareo sa Fariseo, satria mandoa gnapahafolone solila sy gne rota ary gne hazo hafa atonda enareo, nefa tsy norarainareo gne fahamarigna sy gne fitiavan’Andriamanitry. Ilaigny gne magnano gne marigny sy mitia gn’Andriamanitry, sady tsy magnadigno gne magnano gne raha hafa evakoa. 43 Loza ho anareo sa Fariseo, fa tianareo gne toera voalohany ame Synagoga sy gne fiarabaha feno fagnaza ame tsena. 44 Loza ho anareo fa enareo da mitovy ame kobory tsy misy famantara izay itsahane gn’olo fa tsy fatany izà. 45 Fa gne raiky tame mpampianatry lalàgna da nizaka taminazy hoe:’mpampianatry ô, gne zakainao zà da manivativa anay evakoa». 46 I jesosy nizaka taminazy hoe: «loza ho anareo, sa mpampianatry lalàgna! Fa mampitondra eta mavesatry tsy avine gn’olo enareo, nefa tsy mikasiky enzà eta mavesatry zà ndre gne rambi-tagnanareo raiky. 47 Loza ho anareo, satria magnano kobory ho ane mpaminany enareo, kanefa gne razambenareo gne namono endreo. 48 ka vavavelo ary magneky gne asane razanareo enareo, fa namono endreo dato indreo ary enareo gne nagnano gne koborindreo. 49 ka noho izà gne nagnambarane fahendren’Andriamanitry hoe: «handefa mpaminany sy apostoly amindreo ià, ary indreo hamono sy hagnenjiky gne sasany amindreo». 50 ity taranaky ty, izà, gne tompon’andraikitry tame nilatsahane rà-ne mpaminany aby hatrame niforognan’izao tontolo izao, 51 Nanomboky teo ame ràn’i Abela ka hatrame ràn’i Jakaria, izay novonoy agnelagnelane alitara sy gne fitoera masina. Eka, zakaiko marigny aminareo, fa ity taranaky ty gne ho tompon’antoka. 52 Loza ho anareo sa mpampianatry gne lalàgnan’i Jiosy, satria nalainareo gne fagnala hidine fahalala; tsy miditry ao gne vatanareo, ary sakagnareo gne miditry aby». 53 Tafarane nelan’i Jesosy teo, da nanohitry Enazy gne mpanoratry lalàgna sy gne Fariseo ary niady hevitry taminazy nikasiky gne raha maro, 54 Sady niezaky gne hamadiky enazy tame zakany evakoa.