Toko faha 9

1 Ary raha nandalo Jesosy, da nahita lelaha jamba hatramin'izy vao teraky. 2 Nagnato andreo gne mpianatriny hoe:"Raby, ia gne nagnota, io sa indreo ray aman-dreniny, no da teraky jamba mitovy amizao izy?" 3 Jesosy namaly hoe:"tsy io lelaha io no nagnota, na gne ray aman-dreniny, fa namboari izao mba hampiseoha aminy gne asan'Andriamanitry. 4 Tsy maitsy magnano gne asan'izay nagniraky anà itsika raha mbola mazava. Fa ho avy gne ariva izay tsy ahafan'iza na iza miasa koa. 5 Raha mbola eto amin'izao tontolo izao aho, da izaho no fahazavan'izao tontolo izao." 6 Rehefa avy nizaka izany Jesosy, da nandrora tame tany, ary nagnano feta tame rorany, ka nagnositry gne fotaky tame masony ralelaha. 7 Hoy izy taminy hoe:"mandehana, sasao egny ame ranon'gne Siloama(izay adika hoe:nirahina)gne masonao." Ka lasa ralelaha, nanasa izany, ary nipody nahita. 8 Ary nifagnotany ireo olo mpiray vody rindry tamin-dralelaha sy indreo izay nahita an'azy nangataky taloha nagnano hoe:"tsy itiky me gne lelaha nidoboky nangataky teto igny?" 9 Gne sasany nagnano hoe:"izy io." Ary gne sasany nizaka hoe:" tsy izy io,fa mitovy amin'azy evao io." Fa izy da nagnano hoe:"ihao ity." 10 Hoy indreo tamin'azy hoe:"akoinga gne nahitan'gne masonao?" 11 Namaly izy hoe:"i rahalelaha angia hoe Jesosy no nagnano feta ary nagnositry izany tame masoko ka nizaka taminà hoe:'mandeana agny Siloama ary sasay gne masonao.' Da nandeha aho ary nanasa izany, ka nahita." 12 Hoy indreo tamin'azy hoe:"aia izy?" Da novaliany hoe:"tsy fatako." 13 Netindreo teo ame Fariseo i rahalelaha izay jamba taloha. 14 Tame andro sabotsy moa no nagnamboaran'i Jesosy gne feta sy nampahita gne masony. 15 Ary nagnotany an'azy indraiky indreo Fariseo gne ame fomba nampahita an'azy. Hoy izy tamindreo hoe:"nasiany feta gne masoko, nosasako, ka mahita aho izao." 16 Gne sasany tamindreo Fariseo nizàka hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitry ity lehilahy ity satria tsy mba magnaza gne andro sabotsy." Gne sasany nagnano hoe: "Akongaia gne ahafan'gne olo mpagnota magnano famatara zakabe mitovy amin'izao?" Ka da nisy fizarazara teo amindreo. 17 Ka da nipody nagnotany ralehilahy jamba indraiky indreo hoe:"ino no hambaranao momba anazy, hatramin'gne nampahitany gne masonao?" Hoy ralehilahy jamba hoe:"mpaminagny izy." 18 Ary mbola tsy nino gne momba anazy avao indreo Jiosy hoe izy da efa jamba ka nahita raha tsy nangaiky gne ray aman-dreniny ralehilahy nahita indreo. 19 Nagnotany indreo ray aman-dreny indreo hoe:"ity me gne zananareo izay zakainareo fa hoe teraky jamba? Ka akoinga ary no ahitany izao?" 20 Ary da novalindreo ray aman-dreniny indreo hoe:"fatanay fa zananay io sady teraky jamba izy. 21 Gaga gne ame nahitany, tsy fatanay, ary izay nampahita gne masony tsy fatanay. Agnotanio an'azy, efa olom-be izy io. Afaky mizaka ho an'gne tegnany izy." 22 Nizaka izany indreo ray aman-dreniny, satria natatry andreo Jiosy indreo . Satria efa nifagneky indreo Jiosy fa raha misy magneky an'azy ho Kristy, da ho rohoa hiala ao ame synagoga izy. 23 Nohon'gne amin'izany, no izakandreo ray aman-dreniny hoe:"efa olom-be izy, izy gne agnotanio." 24 Ary nangaiky any rahalelaha jamba taloha fagnindroany indraiky indreo da nizaka taminy hoe:"omeo voninahitry Andriamanitry. Ftanay fa mpagnota izany lelaha izany." 25 Avy teo da namaly rahalelaha hoe:"tsy fatako aloha raha mpagnota izy. Gne raha fatako da izaho:efa jamba aho taloha, fa amizao ao mahita." 26 Avy teo da hoy indreo tamin'azy hoe:"fa ino no nanihiny taminao? Akoinga gne foma nampahita gne masonao?" 27 Da namaly izy hoe:"efa nambarako taminareo, fa tsy niteno anareo! Ka nagnino anareo no ta-hiteno an'iza indraiky? Ta-ho isan'gne mpiantriny evakoa anareo sa,sa tsy izany? 28 Nagneso an'azy indreo ka nizaka hoe:"anao no mpianatriny,fa ihay mpianatry i Mosesy. 29 Fatanay fa efa niresaky tamin'i Mosesy Andriamanitry, fa raha izany lelaha izany da tsy fatanay izay nihaviany." 30 Da namaly rahalelaha ka nagnano andreo hoe:"mahagaga izà, tsy fatanareo izay nihaviany, kanefa nampahita gne masoko izy. 31 Fantatsika fa tsy mino gne mpagnota Andriamanitry, fa raha misy mazoto mivavaky sy magnano gne sitrapony, da mihaina anazy izy. 32 Hatramin'gne nanomboan'izao tontolo izao da tsy mbola re mihitsy hoe nisy nampahita gne mason'izay teraky jamba. 33 Ka raha tsy avy amin'Andriamanitry izany lelaha izany, da tsy mahefa na ino na ino." 34 Ary da namaly indreo ka nagnano tamin'azy hoe:"tena teraky tame ota anao,da anao indraiky no hampianatry anay?" Avy teo da norohandreo hizotso izy. 35 Ren'i Jesosy fa nohoroandreo tao ame synagoga izy. Ary izy nahita azy da nizaka hoe:"mino gne zanak'olo me anao?" 36 Namaly izy hoe:"ia me gn'izy, Tompo,mba hinoako an'azy?" 37 Jesosy nagnano tamin'azy hoe:"efa an'azy anao, ary gne raiky izay miresaky aminao ihao izany." 38 Hoy rahalelaha hoe:"Tompo, mino aho." Ary da nidera an'azy izy. 39 Jesosy nizaka hoe: "fa fitsara gne nihaviako eto amin'izao tontolo izao mba hahita indreo izay jamba ary mba ho lasa jamba indreo izay mahita." 40 Nahare izany gne sasany tamindreo fariseo izay niaraky tamin'azy ka nagnotany an'azy hoe: "ary iahay avakoa me jamba?" 41 Fa Jesosy nizàka tamindreo hoe: "raha jamba anareo, da tsy ho nanan-keloky, fa anareo koa amizao mizàka hoe: 'mahita iahay; da mbola mipetraky gne helokanareo."