Toko faha 8

1 (Fagnamaria: hiteo gne fagnamaria momban'i Jaona 7: 53-8: 11 ery ambony) Nandea ame votrin'i oliva Jesosy. 2 Vao marahindray da nandea ampengona indraiky izy, ary gne olo aby nagnato an'azy;nidoboky izy ary nampianatry andreo. 3 Indreo mpanora-dalàna sy indreo Fariseo da ninday viavy raiky tratry nijangajanga. Napetrak'indreo teo ategnategnany izy. 4 (Fagnamaria: hiteo gne fagnamarigna momban'i Jaona 7: 53-8: 11 egny ambony) Avy eo hoy indreo tamin'azy hoe:"ry mpampianatry ô, ity viavy ity da tratry teo am-pijangajangana. 5 Ary ao ame lalàna, Mosesy nibeko anay mba hitoraky vato gne olo magnano an'izany; ino no ambaranareo momba an'azy? 6 Nozakaindreo hamandria an'azy fotsiny anefa izany mba ahafandreo mameloky an'azy, fa Jesosy koa niondriky ary nanoratry tame tany ame rambotagnany. 7 (Fagnamaria: hiteo gne fagnamaria momban'i Jaona 7: 53-8: 11egny ambony) Rehefa nametraky fagnotania tamin'azy avao indreo, da nitsanga izy ka nizaka andreo hoe:"ihay tsy nagnota taminareo,apetray izy no hitoraky vato an'azy voalohany." 8 Da niondriky indraiky izy, ary nanoratry tame tany tame rambotagnany. 9 (Fagnamaria: hiteo gne fagnamariamomban'i Jaona 7: 53-8: 11egny ambony) Rehefa nahare izany indreo, da niala tsiraikiraiky, nanomboky tame zokiny indrindra. Ary gne farany da Jesosy raiky evao gne sisa tapetraky teo, niaraky tamy rahaviavy izay teo ategnategnany. 10 Nitsanga i Jesosy ka nizaka tamin'azy hoe:"raviavy, fa lasa aia indreo mpagnameloky anao? Tsy misy magnameloky anao sa?" 11 Hoy izy hoe:"tsy misy, Tompoko." Ary hoy Jesosy hoe:" tsy magnameloky anao aho. Mandeana da ka magnota koa." 12 Nizaka tamindreo indraiky Jesosy, magnano hoe:"izaho no fahazavan'izao tontolo izao;izay magnaraky anà da tsy handea ame mizy fa hana gne fahazavan'gne fiaina." 13 Hoy indreo Fariseo tamin'azy hoe:"anao da magnambara gne tegnanao; tsy marigny gne fagnambaranao." 14 Jesosy namaly ka nagnano tamindreo hoe:"ndre magnambara gne tegnako aza iao,da marina gne fagnambarako. Fatako gne nihaviako sy gne lala ombako, fa anareo koa tsy mahafatatry izay nihaviako na izay ombako. 15 Anareo da tsy mitsara araky gne nofo, fa ihao tsy mitsara na iza na iza. 16 Ndre da mitsara aza ihao, fa miaraky ame Ray izay nagniraky anà. 17 Eka, ary ao ame lalànareo da voasoratry fa marina gne fijoroan'gne olon-droa vavolombelo. 18 Ihao no magnambara gne tegnako, ary gne Ray izay nagniraky anà evakoa da magnambara anà." 19 Hoy indreo tamin'azy hoe:"ahia gne rainao?" Jesosy namaly hoe:"tsy fatanareo na ihao gne Raiko; raha nahafatatry anà anareo, da mahafatatry gne Raiko evako." 20 Teo mariniky gne fandahatsan-drakotry izy no nizaka izany zakany izany raha igny izy nampianatry teo ame fengona igny, ary tsy nisy nanambotry an'azy satria tsy mbola avy gne lera. 21 Ary hôy izy indraiky tamindreo hoe:"andeha ihao; hitadia anà anareo ary ho faty ame fahotanareo. Izay andehanako, da tsy ho azonareo handeana." 22 Hoy indreo Jiosy hoe:"hamono tegna izy sa? Izany me agnatony nizakany hoe:'izay ombako, da tsy azonareo andeana'?" 23 Hoy Jesosy tamindreo hoe:"avy egny ambany anareo; ihao koa avy agny ambony. Avy amin'izao tontolo izao anareo; fa ihao tsy avy amin'izao tontolo izao. 24 Noho izany, nambarako taminareo fa ho faty ao ame fahotanareo anareo. Fa raha tsy mino anareo fa IHAO NO IZY,da ho faty ame fahotanareo anareo 25 Noho izany da hoy indreo tamin'azy hoe:" ihia eky anao?" Hoy Jesosy tamindreo hoe:"araky izay voazakako taminareo hatrizay am-boalohany. 26 Mana raha marobe ho zakay sy hitsarà momba anareo aho. Kanefa, izy izay nagniraky anà da marigny; ary ireo raha izay reheko avy tamin'azy, da hambarako amin'izao tontolo izao." 27 Tsy azondreo anefa fa izy da niresaky taminareo momba gne Ray. 28 Hoy Jesosy hoe:" rehefa asandratrinareo gne zanak'olo, da ho fatanareo fa ihao no izy, ary tsy magnano na ino na ino ho anà aho. Araky gne nampianariny gne Ray anà,no hizakako ireo raha ireo. 29 Izy izay nagniraky anà da miaraky aminà, ary tsy namela anà ho raiky izy, noho ihao magnano izay ankasitrahany mandrakariva." 30 Raha nizaka ireo raha ireo Jesosy, da maro no nino an'azy. 31 Jesosy nizaka tamindreo Jiosy izay nino an'azy hoe:"raha mipetraky ame zakako anareo,da ho tena mpianatriko; 32 ary ho fatanareo gne marigny, ary gne marigny hagnafaky anareo." 33 Ary indreo namaly an'azy hoe:"taranak'i Abrahama ihay ary tsy mbola nandevozin'iza na iza hatrizay; ka akohinga gn'izakanao hoe:'ho afaky anareo'? 34 Jesosy namaly andreo hoe:"zakaiko aminareo, marina,da marina tokôtry, fa indreo izaymagnota da andevon'gne ota. 35 Gne andevo da tsy mipetraky ao andragno mandrakizay; fa gne zanaky no mipetraky mandrakizay. 36 Noho izany, raha gne zanaky no magnafaky anareo, da ho afaky tokôtry anareo. 37 Fatako fa taranak'i Abrahama anareo; mitadia izahy hahafaty anà satria tsy mana toera ao aminareo gne tegnako. 38 Mizaka izay hitako niaraky tame Raiko aho, ary anareo koa magnano izay renareo tame rainareo." 39 Namaly indreo ka nizaka tamin'azy hoe:" Abrahama no rainay." Jesosy nizaka andreohoe:"raha zanak'i Abrahama anareo, da hagnano gne asan'i Abrahama. 40 Kanefa, amizao anareo mitady hamona anà, izay lelaha nizaka taminareo gne marina izay reko tamin'Andriamanitry. Abrahama tsy nagnamboatry izany. 41 Anareo da magnano gne asan'gne rainareo." Hoy indreo tamin'azy hoe:"tsy teraky tame fijangajanga ihay; raiky avao gne Rainay:da Andriamanitry." 42 Jesosy nizaka andreo hoe:"raha Andriamanitry no rainareo, da tokony ho tia anà anareo, satria avy tamin'Andriamanitry no nivoako sy nandehanako aty; fa avy ho azy aho, fa izy no nagniraky anà. 43 Nagnino no tsy azonareo gne zakako? Izany da satria tsy afaky hagneky gne zakako anareo. 44 Avy ame rainareo anareo, gne devoly, ary gne tianareo amboary da gne filana izay amborin'gne rainareo. Mpamono olo hatramin'izay izy ary tsy mijoro ame fahamagniragna satria tsy marina ao amin'azy. Rehefa mavandy izy, da gne toetra famboariny evao no zakainy satria mpavandy izy ary rainy gne avandesa. 45 Kanefa, satria mizaka gne marina aho, da tsy mino anà anareo. 46 Ia aminareo no magnameloky anà ame fahota? Raha mizaka gne marigny aho, nagnino no tsy hinoanareo? 47 Izay avy amin'Andriamanitry da mahare gne zakan'Andriamanitry; tsy mahare izany anareo satria tsy avy amin'Andriamanitry." 48 Namaly indreo Jiosy ka nizaka hoe:"kaiky da tsy mizaka gne marina izahay fa samaritana anao ary misy satana?" 49 Jesosy namaly hoe:"tsy misy satana aho, fa magnome voninahitry gne Raiko,ary anareo tsy magnome voninahitry anà. 50 Tsy mitadia gne voninahitry aho; misy raiky mitadia sy mitsara. 51 Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa raha misy mitandrigny gne zakako, da tsy hahita fahafatesa mandrakizay izy." 52 Hoy indreo Jiosy tamin'azy hoe:"amizao fatanay fa mana satana anao. Efa maty Abrahama sy indreo mpaminany; kanefa anao mizaka hoe:'raha misy mitandrina gne zakako,da tsy hahita fahafatesa mandrakizay izy.' 53 Tsy zakabe noho gne rainay Abrahama izay efa maty anao, sa zakabe? Indreo mpaminany evakoa da maty. Magnano gne tegnanao ia loatry anao?" 54 Jesosy namaly hoe:"raha mampalaza gne tegnako aho,da ho tsinotsino gne voninahitriko; gne Raiko izay aninareo ho Andriamanitry no mampalaza anà. 55 Tsy fatanareo izy,fa iao gne mahafatatry an'azy. Raha mizaka aho hoe:'tsy mahafatatry an'azy aho,' da mitovy aminareo, mpavandy. Kanefa,fatako izy ka mitadrina gne zakany aho. 56 Gne rainareo da nifaly nahita gne androko; nahita izany izy da faly." 57 Hoy indreo Jiosy tamin'azy hoe:"mbola tsy misy dimampolo taona akoinga anao, ka da ho efa nahita an'i Abrahama sa?" 58 Ary hoy Jesosy tamindreo hoe:"zakaiko aminareo marina,marina,da marina tokôtry,talohan'gne nahaterahan'i Abrahama, da ihao no izy." 59 Avy eo da nangala vato natoraky an'azy indreo, fa Jesosy nipody ka nizotso gne fengona.