Toko faha 7

1 Tafaran'ireo raha ireo Jesosy da nandeha tagny Galilia, fa tsy ta-ho agny Jodia anefa izy noho ireo Jiosy mitady hamono an'azy. 2 Ary efa akeky gne andro firavoravoan'gne Jiosy gne Tabernakely. 3 Noho izany ireo rahalany nizaka taminy hoe:"miala amin'ity toera ity ary mandehàna agny Jodia, mba hafahandreo mpianatrinao mahita ireo asa amboarinao evakoa. 4 Tsy misy olo magnano raha misistry izany raha izy tenany ary ta-ho fatatry ampahabemaso. Raha magnano ireo zavatry ireo anao da moboaky amin'izao tontolo izao." 5 Fa na indreo rahalany aza tsy nino an'azy. 6 Noho izany Jesosy nizaka an'azy hoe:"mbola tsy avy gne fahotako, fa gne fotoanareo koa da vonony lalandava. 7 Tsy afaky gne hampalalana anareo an'zao tontolo izao, fa ihao no halany satria magnambara fa ratsy ireo asany. 8 Anareo miakara agny ame firavoravoa; fa ihao koa tsy handea amin'izany satria tsy mbola avy gne fotoako." 9 Tafaran'gne nizakany ireo raha ireo azy ireo, da nijagnony tao Galilia izy. 10 Fa rehefa niakatry tagny ame firavoravoa ireo rahalahany, da niakatry tagny evakoa izy avy eo, tsy nisehoseho fa nisisitry. 11 Nitady azy tagny ame firavoravoa ndreo Jiosy ary nizaka hoe:"aia izy?" 12 Nisy reaky be dia be momba azy teo anivon'ireo vahoaky. Gne sasany mizaka fa:"lelaha tsara izy." Ireo hafa mizaka hoe: "tsia, mitariky gne vahoaky agny ame fahaverezany izy." 13 Ary nisy sahy niresaky ampahabemaso momba an'azy nohon'gne fatahora ireo Jiosy. 14 Rehefa nisasaky gne firavoravoany, da niakatry tagny ame fengonany Jesosy ary nanomboky nampianatry. 15 Avy eo da gaga indreo Jiosy, magnano hoe:"akoinga gne hahaizan'io lehilahy io izà rehetra izà? Izy tsy mba nandalo fianara mihitsy." 16 Jesosy namaly anazy ireo ary nagnano hoe:"tsy anah gne fampianarako, fa avy amin'izy izay nagniraky anah. 17 Raha misy olo magniry hagnano gne sitrapony, da hahafatatry momban'io fampianarany io izy, na avy amin'Andriamanitry izany, na iao gne mizàka avy amè tegnako. 18 Na ia na ia mizàka avy amè tegnany da mitady gne voninahitry gne tegnany manokany, fa na ia na ia mitady gne voninahitr'izay nagniraky anazy, da io olo io gne marigny, ary tsy misy tsy fahamarigna ao aminy. 19 Tsy nomen'i Mosesy anareo gne lalàna? Kanefa tsy misy aminareo mitandrina gne lalàna. Nagnino anareo gne mitady hamono anà?" 20 Namaly gne vahoaky hoe:"anao da misy demonè. Ia koa gne mitady hamono anao?" 21 Jesosy namaly ka nizaka andreo hoe:"asa raiky no namboariko, ary da gaga noho izany avakoa anareo. 22 Nomen'i Mosesy gne famorana anareo(tsy hoe avy amin'i Mosesy izany, fa avy amin'ireo raza)< ary ame sabata da mamora olo anareo. 23 Raha amè sabata gne amorà gne olo mba tsy ho voadika gne lalàn'i Mosesy, da nagnino anareo gne vignitry amiko raha nagnasitragny olo raiky tamè sabata iao? 24 Aza mitsara amè endriky ivelany, fa mitsarà am-pahamarigna." 25 Nisy sasany tamindreo avy agny Jerosalema nizaka hoe:"tsy ity gne tadiavindreo ho vonoy?" 26 Hiteo, miresaky miharihary izy, ary tsy misy mizaka na ino na ino an'azy indreo. Da ho fantatrin'gne mpitondra tokôtry sa fa izy no Kristy, sa akoinga? 27 Efa fatantsika hoe avy aia io lelaha io. Fa rehefa avy i Kristy da tsy hisy hahafatatry hoe avy aia izy." 28 Avy eo nitireo mafy Jesosy tao am-pengona, nampianatry ary nizaka hoe:"anareo da samy mahafatatry gne tegnako ary mahalala gne fihaviako. Tsy avy nohon'gne tegnako manoka aho, fa gne nagniraky anà da marina, ary tsy fatanareo izy. 29 Fatako izy satria ihao da avy aminy ary izy no nagniraky anà". 30 Niezaky gne hisambotry andreo, fa tsy nisy naninji-tagnaha taminy satria tsy mbola avy gne fotoany. 31 Kanefa maro tamindreo vahoaky no nino an'azy, ary hoy indreo hoe:" rehefa avy gne Kristy, kaiky hagnano famatara maro noho gne vitan'io lelaha io izy sa?" 32 Nahare gne vahoaky nivitsikitsiky ireo raha momban'i Jesosy ireo gne Fariseo, ary gne lohan'gne mpisorona sy indreo Fariseo da nagniraky nampandigny raharaha hisambotry an'azy. 33 Hoy Jesosy avy eo hoe:" kidy sisa gne fotoa hiarako aminareo, da handea ho agny amin'ilay nagniraky anà ao. 34 Hitadia anà anareo fa tsy hahita anà; izay andeanako, tsy ho azonareo andehana." 35 Nohoizany ireo Jiosy da nifampiresaky hoe:"fa handea ho aia io lelaha io no tsy ho vintatsika gne hitadia an'azy? Handea ho agny amindreo izay niparitaky nandea agny Grika da hagnatry ireo Grika sa? 36 Ary ino gne dikan'gne resaky nozakainy hoe:'hitadia aná anareo fa tsy hahita anà; izay handeanako, tsy ho azonareo alefa'?" 37 Ary tame farany, andro zakabe amè firavoravoa, da nitsanga Jesosy ary nizàka mafy, magnano hoe:"raha misy mangetaheta, avelao izy hagnato anah ary hindrano. 38 Izay mino anah, araky gne voalazan'gne soratry masina, da hikoriana avy ao an-troky gne onin'gne rano velo." 39 Fa izao no ambarany momban'gne fagnà, ireo izay nino anazy no handray; ilay fagnà da tsy mbola nagnome satria tsy mbola nahazo voninahitry Jesosy. 40 Gne sasany tamindreo vahoaky, rehefa nahare ireo zakany indreo, da nizaka hoe:"ity tokôtry gne mpaminagny." 41 Indreo hafa nizaka hoe :"ity i Kristy." Fa gne sasany nizaka hoe:"fa angaha Kristy avy agny Galilia? 42 Tsy voazakany gne soratara masina ve fa Kristy da ho avy ame taranak'i Davida ary avy ao Betlehema, gne tanà izay nisy an'i Davida?" 43 Ka nisy fizàra teo amè vaohaky noho izy. 44 Gne sasany tamindreo ta-hisambotry an'azy, fa tsy nisy nagnajiji-tagna tamin'azy. 45 Avy eo ireo mpiandry raharaha nipody tagny amindreo lohan'gne mpisoro sy indreo Fariseo, izay nizaka tamindreo hoe:"nagnino anareo no tsy ninday an'azy?" 46 Namaly indreo mpiandry raharaha hoe:"tsy mbola nisy niresaky mitovy izany mihitsy." 47 Noho izany indreo Fariseo namaly an'azy indreo hoe:"voafitaky evakoa anareo sa? 48 Kaiky da nisy taminareo mpanapaky mba nino an'azy, na tamindreo Fariseo? 49 Fa indreo vahoaky da tsy mahafatatry gne lalàna, voazogny indreo." 50 Nikodemosy (raiky aminareo Fariseo, izay avy aloha teo aminy), nizaka hoe:" 51 Kaiky da gne lalàntsika mitsra olo alohan'gne haharesany an'azy ka hafatarana izay amboariny?" 52 Namaly indreo ary nizaka tamin'azy hoe:"avy agny Galilia koa me anao? Mandinia ary hiteo fa tsy misy mpaminany avy agny Galilia." 53 (Fagnamaria: gne dika-teny taloha tsara indrindra da tsy ahita gne Jaona 7: 53-8: 11) [Avy eo gne tsiraikiraiky nandeha an-dragnony aby.]