Toko faha 6

1 Tafaran'ireo raha ireo, da lasa niampita gne ranomasin'i Galilia Jesosy, zakay avakoa hoe ranomasin'i Tiberiasy. 2 Nisy vahoaka maro nagnaraky an'azy satria hitandreo gne famataran izay namboariny tamindreo narary. 3 Niakatry ame votry Jesosy ary nipetraky tegny niaraky tame mpianatriny izy. 4 (Ary gne Paska, ilay andro firavoravoan'gne Jiosy, dia efa akaiky.) 5 Rehefa nijery ambony Jesosy ka nahita vahoka maro be nagnato an'azy, da hoy izy tamin'i Filipo hoe:"aia no hividianantsika mofo mba hahafandreo mihina?" 6 (Fa jesosy nizaka izany mba hitsapa an'i Filipo, fa efa fantany izay ho amboariny.) 7 Ary Filipo namaly an'azy hoe:"ndre mofo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho an'e tsiraikiraiky ndre kidikidy aby aza." 8 Raiky tamindreo mpianatriny,Andrea,rahalan'i Simona Petera, nizaka tamin'i Jesosy hoe: 9 " misy lelaha raiky eto mana mofo dimy syvily roa, fa ino ireo alohany ireto olo maro io?" 10 Ary Jesosy nizaka hoe:"ampidoboy gn'olo" (ary feno hatry teo ame toera.) Ka nidoboky ireo olo, teo ame dimyarivo teo gne isany. 11 Avy eo Jesosy nangala ireo mofo ka rehefa avy nivavaky, da nizara izany tamindreo izay nidoboky teo. Mitovy amizany evakoa gne namboariny tame vily, maro araky izay nilaindreo. 12 Rehefa voky gne olo, da hoy izy tamindreo mpianatriny hoe:"alagnono ireo sasasany tavela, mba tsy hisy ho very." 13 Ka da nalagnondreo izany ka nahafeno haro roa ambin'ny folo gne sasasany gne mofo dimy sisa navelandreo nihina. 14 Avy eo, rehefa nahita izany famatara namboariny izany gne olo, da hoy indreo hoe:" ity marina gne mpaminagny izay avy ho ety amin'izao tontolo izao." 15 Rehefa hitan'i Jesosy fa ho avy indreo angala an'azy sy hanandratry an'azy an-keriny ho mpanjaka, da niverigny tegny ame vohitry indraiky izy. 16 Rehefa ariva gne andro, da nidigny tegny ame ranomasy indreo mpianatriny. 17 Nipitiky agnaty sambokidy indreo, ka nitsaky gne ranomasy ho agny Kapernaomy. Efa mijy tamizay, ary Jesosy mbola tsy avy teo amindreo evakoa. 18 Nisy rivotry mafy, ary niha-nahery gne ranomasy. 19 Rehefa niala teo ame dimy amby roapolo na telopolo metatra teo indreo, da nahita an'i Jesosy nandeha teo ambonin'gne ranomasy ary nariny gne sambokidy, ka da natatry indreo. 20 Fa hoy izy tamindreo hoe:"ihao avao ity! ka matatry." 21 Avy eo da vonony gne hagnapitiky an'azy ame sambokidy indreo, ary teo no eo da avy tegny ame toera andehandreo gne sambokidy. 22 Gne omaray, hitanareo vahoaka izay nitsanga tegny agnilan'gne ranomasy fa tsy nisy sambokidy hafa teo afa-tsy gne raiky igny avao, ary Jesosy tsy niditry tao niaraky tamindreo mpianatriny fa nandea raiky indreo mpianatriny. 23 Kanefa,nisy sambokidy maromaro avy agny Tiberiasy teo marignitry gne toera izay nihinandreo nge mofo rehefa avy nivavaky gne Tompo. 24 Rehefa hitan'gne vahoaka fa tsy teo na Jesosy na indreo mpianatriny, da niditry tao agnatin'gne sambokidy indreo ary nandea egny Kapernaomy hitadia an'i Jesosy. 25 Rehefa hitandreo tegny agnilan-dRenirano izy, da hoy indreo taminy hoe:"Raby, tamin'ny ovia anao no avy tetoa?" 26 Jesosy namaly andreo, nagnano hoe:"zakaiko aminareo marina,da marina tokôtry, fa mitadia anà anareo, tsy nohon'gne nahitanareo famatara,fa nohon'gne nihinanareo gne mofo ka voky. 27 Ka miasa ho an'gne hanina mety levo, fa miasa ho an'ny hanina izay maharitry ho an'gne fiaina mandrakizay izay homen'gne zanak'olo anareo, satria Andriamanitry Ray no nagnisy tombo-kase taminy." 28 Avy eo da hoy indreo taminy hoe:" ino no tsy maintsy hamboarinay, mba hagnamboaranay ireo asan'Andriamanitry?" 29 Jesosy namaly da nagnano tamindreo hoe: io gne asan'Andriamanitry: da gne hinoanareo gne raiky izay nirahany." 30 Da hoy indreo taminazy hoe: "Ino zany gne famantara ho amboarinao, mba hahitanay sy hinoanay anao? Ino no ho amboarinao? 31 Gne raibenay nihina gne mana tagny agn'efatry, araky gne voasoaratry hoe:'nomeny mofo avy agny an-dagnitry indreo hoany."' 32 Avy eo Jesosy namaly andreo hoe:" zakaiko aminareomarina,da marina tokôtry, fa tsy Mosesy no nagnome anareo gne mofo avy agny an-dagnitry, fa gne Raiko nomagnome anareo gne tena mofo avy agny an-dagnitry. 33 Satria gne mofon'Andriamanitry da gne midigny avy agny an-dagnitry ka magnome fiaina ho an'izao tontolo izao." 34 Ka hoy indreo taminy hoe:" Tompoko, omeo anay mandrakariva izany mofo izany." 35 Da hoy Jesosy tamindreo hoe:"izaho no mofon'ny fiaina; izay magnato anà tsy mba ho mosarehe koa. ary izay mino anà tsy hangeteheta koa. 36 Kanefa efa nozakaiko taminareo fa nahita anà evao anareo, nefa tsy mino. 37 Gne rehetra izay omen'gne Raiko anà da hagnato anà, ary izay magnato anà da tsy ho ariako. 38 Fa nidigny avy agny an-dagnitry aho, tsy mba hanao gne sitrapoko manoka, fa gne sitrapon'izy izay nagniraky anà. 39 Ary izao no sitrapon'izy izay nagniraky anà, da gne tsy hagniriako izay rehetra nomeny anà, fa hananga andreo ame andro farany. 40 Satria izao no sitrapon'gne Raiko, da gne mba hahazoan'gne rehetra izay mahita gne zanaka sy mino azy gne fiaina mandrakizay ary ho hatsangako ame andro farany izy. 41 Avy eo nimonomono momba an'azy indreo Jiosy satria izy nizaka hoe:" izaho no mofo nidigny avy agny an-dagnitry." 42 Ary hoy indreo hoe:"tsy i Jesosy zanak'i Josefa me io, izay fantatsika gne ray aman-dreniny? Akoinga gne izakany hoe: 'nidigny avy agny an-dagnitry iao'?" 43 Jesosy namaly ka nagnano tamindreo hoe:"ajanogny gne fimonomonoa eo anivonareo. 44 Tsy misy olo afaky magnota anà raha tsy gne Raiko izay nagniraky anà no mitaona an'azy, ary ho hatsangako izy ame andro farany. 45 Izay da voasoratry ao ame bokin'gne mpaminagny hoe:'hampianarin'Andriamanitry izy rehetra.' Izay rehetra nahare sy nianatry tamin'e Ray gne magnatogna anà. 46 Tsy nisy nahita gne Ray, afa-tsy izay avy amin'Andriamanitry, izy no nahita gne Ray. 47 Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry,fa izay mino no mana fiaina mandrakizay. 48 Iao no mofon'gne fiaina. 49 Gne Raibenareo nihina gne mana tagny an'efitry, ary maty indreo. 50 Ity no mofo nidigny avy agny an-dagnitry, mba tsy ho faty izay mihina amin'izany. 51 Iao no mofo velo nidigny avy agny an-dagnitry. Raha misy olo mihina amin'ity mofo ity, da ho velo mandrakizay izy. Gne mofo izay homeko no nofoko ho an'ny fiainan'izao tontolo izao 52 Niha vignitry indreo Jiosy ka nanomboky niady hevitry, nagnano hoe:"akoinga no afahan'io lelah io magnome atsika gne nofony hoany?" Ary hoy Jesosy tamindreo hoe:" 53 zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa raha tsy mihina gne nofon'gne zanak'olo anareo sy mindrano gne ràny, da tsy hana fiaina ao aminareo 54 Na iza na iza mihina gne nofoko sy mindrano gne ràko da mana fiaina mandrakizay, ary hatsangako izy ame andro farany. 55 Fa gne nofoko no tena foany, ary gne ràko no tena fisotro. 56 Izay mihina gne nofoko sy misotro gne ràko no mipetraka aminà,ary iao amin'azy koa. 57 Mitovy gne nagnirany gne Ray velo anà, sy mitovy gne hivelomako nohon'gne Ray, izay mihina anà, da ho velo evakoa nohon'gne aminà. 58 Ity gne mofo nidigny avy agny an-dagnitry, tsy mitovy gne Raibe nihina ka maty. Izay mihina ity mofo ity da ho velo mandrakizay." 59 Fa jesosy nizaka ireo raha ireo tao Kapernaomy izy. 60 Ary maro tamindreo mpianatriny izay nahare izany no nizaka ho:" fampianara soratry izany; iza no afaky agneky izany?" 61 Jesosy, noho izy nahafatatry tao aminy fa nimonomono tamin'izany indreo mpianatriny, nizaka andreo hoe:"mahakamo anareo ve izany?" 62 Koa angoinga raha tokony hahita gne zanak'olo miakatry agny ame nipetrahany taloha anareo? 63 Gne fagnaha no magnome fiaina; gne nofo tsy ahazoa na ino na ino. Ireo resaky izay nozakaiko taminareo da fagnany, ary fiaina ireo. 64 Mbola misy sasany aminareo tsy mino. "Fa Jesosy efa nahafatatry hatramin'gne voalohany izay tsy hino sy izay hamadiky an'azy. 65 Hoy izy hoe:"noho izany no nizakako taminareo fa tsy misy olo afaky magnato anà raha tsy nomen'gne Ray azy izany." 66 Noho izany, maro tamin'ireo mpiatriny no lasa ary tsy niara-dia tamin'azy koa. 67 Da hoy Jesosy tamindreo roa ambin'ny folo hoe:"tsy ta-andeha koa anareo , sa tsia?" 68 Ary Simona Petera namaly an'azy hoe:"Tompo, ho agny amin'ia ihay sa? Anao no mana gne zakain'gne fiaina mandrakizay, 69 ary nino ihay ka magnato mba hahafatatry fa anao no masin'Andriamanitry." 70 Hoy Jesosy tamindreo hoe:" tsy ihao gne nifidy nareo, roa ambin'ny folo, ary gne raiky aminareo da devoly?" 71 Ary Jodasy zanak'i Simona Iskariota no resahany, satria izy, gne raiky amindreo roa ambin'ny folo, izay hamadiky an'i Jesosy.