Toko faha 5

1 Tafaran'izany da nisy firavoravoan'gne Jiosy, ary niakatry ho agny Jerosalema Jesosy. 2 Ary tagny Jerosalema eo akaikin'gne vavahadin'ondry, da nisy farihy, izay nozakay tame Hebreo hoe Betesda, ary misy fialofa dimy izany. 3 Maro ireo olo marary, jamba, malemy, na tsy afaky mihetsiky natory tao.(Fagnamaria: gne antotantaratasy taloha tsara indrindra da manala gne fehezateny hoe:"mandigny gne fihetsehin'gne rano") 4 (fagnamaria:gne antontan- taratasy taloha tsara indrindra da manala gne and.4 hoe:" fa nisy anjelin'gne Tompo raiky nidigny ka nampihetsiky gne rano indraindray ary na iza na iza nandea aho rehefa nihetsiky gne rano da sitrgny tamin'ireo aretina izay namparary azy na ino na ino.") 5 Ary nisy lelah raiky teo izay efa narary valo amby telo-polo taona. 6 Rehefa hitan'i Jesosy natory teo izy, sy tafarany nahatssapany fa efa an-taona maro izy no teo, da hoy izy taminy hoe:"ta-ho salama anao sa?" 7 Namaly ralelaha marary hoe:" Tompokpo, tsy mana na iza na iza aho handroboka ahy ao agnaty farihy rehefa mihetsiky gne rano. Rehefa mandea aho, da misy misosoka eo alohako." 8 Hoy Jesosy taminy hoe:"mitsangana,ento gne fandrianao, ka mandeana 9 Avy hatrany da sitragny rahalelaha, ka noraisiny gne fandriany da nandea izy. ary sabata izay andro izay. 10 Da hoy indreo Jiosy tamin'ilay sitragny hoe:"sabata gne andro da tsy mahazo minday gne fandrianao anao". 11 Namaly izy hoe:"ilay nagnasitragny ahy no nizaka tamiko hoe:'ento gne fandrianao ka mandehana.'" 12 Ary nagnotany azy indreo hoe:"iza rahalelaha gne nizaka taminao hoe:' ento gne fandrianao ka mandehana? 13 Kanefa, ilay sitragny tsy nahafatatry azy satria niala moramora Jesosy fa nisy vahoaka teo an-tsena. 14 Nony avy eo, hitan'i Jesosy tao ampengona izy ka hoy izy taminy hoe:"indro, sitragny anao! Aza manota koa, mba tsy hitranga aminao gne raha noho gne teo." 15 Avy eo da lasa ralelaha ka nitatitra tamin'ireo Jiosy fa Jesosy no nagnasitragna azy. 16 Ary noho ireo raha ireo da nanenjika an'i Jesosy ireo Jiosy, satria nagnano ireo raha ireo tame sabata izy. 17 Ary namaly azy indreo Jiosy hoe:" gne Raiko da miasa egny fa na amizao aza, ary izaho evakoa, da miasa." 18 Noho izany, da voa maiky nitady hamono an'azy indreo Jiosy tsy nohon'gne faniratsirany gne sabata evao, fa gne nangiany an'Andriamanitry evakoa hoe Rainy manoka, magnano gne tegnany ho mitovy amin'Andriamanitry. 19 Ary Jesosy namaly andreo hoe:" zakaiko aminareo marina, da marina tokoa, fa gne zanaka da tsy afaky magnano na ino na ino ho azy, afa tsy izay hitany ataon'gne Ray evao, fa na ino na ino ataon'gne Ray, da ataon'gne zanaka evakoa ireo raha ireo. 20 Fa gne Ray tia gne zanaka ka nampiseho azy gne raha aby izay namboariny gne tegnany, ary hampiseo azy raha zakabe mihoatry noho ireo izy mba ho gaga anareo. 21 Fa mitovy gne Ray mananga mamelo gne maty, da mitovy amizany evakoa no ameloman'gne zanaka izay tiany. 22 Fa gne Ray da tsy mitsara na iza na iza, fa nomeny gne zanaka gne fitsaraha aby 23 mba hanajan'gne rehetra gne zanaka mitovy gne hanajan-dreo gne Ray. Izay tsy magnaja gne zanaka da tsy magnaja gne Ray nagniraky an'azy. 24 Zakaiko aminareo marina, da marina tokoa, fa izay mahare gne zakako sy mino izay nagniraky ahy da mana gne fiaina mandrakizay ka tsy ho helohina, fa niala tame fahafatesa ho ame fiaina izy. 25 Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa avygne lera, ary avy izany amizao, rehefa gne feon'gne zanak'Andriamanitry gne maty, ary ho velo indreo izay mahare. 26 Fa mitovy gne Ray mana fiaina ao aminy, no nagnomezany gne zanaka evakoa mba hana fiaina ao aminy, 27 ary nomen'gne Ray fahefa hitsara gne zanaka nohi izy zanak'olo. 28 ka gaga amin'izany, fa avy gne andro haharesanen'olo aby agny akobory gne feony 29 ka hijotso:ireo izay nagnano gne tsara da ho agny ame fitsangana ho ame fiaina, fa indreo izay nagnano gne ratsy koa da ho agny ame fitsangana ho ame fitsaraha 30 Tsy afaky magnano na ino na ino raha ihao avao. Araky izay reko, no itsarako, ary gne fitsarako da marina satria tsy mitadia gne sitrapoko manoka aho fa gne sitrapon'izy izay nagniraky ahy. 31 Raha tokony hagnambara gne momban'gne tegnako aho, da tsy marigny gne fagnambarako. 32 Misy raiky hafa izay magnambara gne momba ahy, ary fatako fa marina gne fagnambara izay zakainy momba anà. 33 Nirahiny tagny amin'i Jaona anareo, ary nagnambara gne marina izy. 34 Kanefa gne fagnambara izay raisiko da tsy avy amegn' olo. Mizaka an'izany raha izany iao mba mety ho voavonjy anareo. 35 Jaona da jiro niheretry sy nagnazava, ary anareo nagniry gne hifaly tselatsela tao ame fahazavaha. 36 Kanefa gne fagnambarako da mbola zakabe noho gne an'i Jaona, fa ireo asa nomen'gne Ray ho tanterahako, ireo asa izay amboariko ireo, no magnambara anà fa niran'gne Ray aho. 37 Gne Ray izay nagniraky anà mihitsy no nagnambara anà. y mbola nahare gne feony na nahita gne tareheny anareo. 38 Ary gne zakany tsy mba mipetraky ao agnatinareo, satria tsy mino gne nirahany anareo. 39 Mitadia gne soratra masina anareo satria heverinareo fa ao amin'ireo no anananareo fiaina mandrakizay, ary ireo soratra masina ireo evao no magnambara momba anà, Kanefa tsy vonognony gne hagnato anà 40 anareo mba hanagnanareo fiaina. 41 Tsy mandray laza avy amign'olo aho, 42 satria fatako fa tsy misy fitiava an'Andriamanitry ao aminareo. 43 Avy ame agnaran'gne Raiko aho, nefa tsy resinareo. Raha misy hafa avy ame agnarany manoka, da ho resinareo izy. 44 Akoinga no hinoanareo, anareo izay mandray laza avy ame olon-kafa kanefa tsy mitadia gne laza avy amin'Andriamanitry raiky? 45 Ka mieritreritry hoe izaho no hiampanga anareo anatrehan'gne Ray. ilay iray miampanga anareo da Mosesy, izay nametrahanareo gne fagnategnanareo. 46 Raha nino an'i Mosesy anareo da tokony hino anà, satria nanoratry gne momba anà izy. 47 Raha tsymino ireo nosoratany anareo, da aninareo akoinga no hino gne tegnako?