Toko faha 4

1 Ary rehefa fatan'i Jesosy hoe ren'ireo Fariseo fa nahazo sy nagnano batisa mpianatry maro noho Jaona izy 2 (na dia tsy Jesosy tegnany aza no nagnano batisa, fa ireo mpianatriny), 3 da niala tao Jodia izy ary nipody nandea tagny Galilia indraiky. 4 Fa ilaigny gne mamakivaky an'i Samaria. 5 Ka da avy tao ame tanàna raiky ao Samaria izy, zakay hoe Sykara, akaikin'ilay ampahan-tany izay nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany. 6 Teo gne fangalan'i Jakoba rano. Nahatsiaro valaky tame diany Jesosy ka nidoboky teo ame fangala rano. Tokony teo ame lera fahenina teo. 7 Nisy viavy samaritana raiky avy hangala rano, ka hoy Jesosy taminy hoe:"mba omeo rano aho hindranomiko." 8 Fa ireo mpianatriny efa lasa agny an-tanà mba hividy sakafo. 9 Avy eo hoy raha viavy samaritana taminy hoe:" nagnino anao, izay Jiosy, no mangataka amiko, izay viavy samaritana, rano hindranomy?" Fa indreo Jiosy tsy misy hifandraisa ame samaritana. 10 Fa Jesosy namaly ka nagnano an'azy hoe:"raha fatanao gne fagnomezan'Andriamanitry, sy izay mizaka aminao hoe:' omeo aho hindranomiko,' da anao indraiky no ho nangataky taminy, ka omeny rano velo." 11 Hoy raviavy tamin'azy hoe:" Tompoko, anao da tsy mana fanovo ary gne ranobôky laly. Koa aiza no hahazoanao rano velo? 12 Anao da tsy zakabe, nagnino me, noho Jakoba razambetsika, izay nagnome anay gne fangalaha rano sy nindrano tamin'izany gne tegnany, mitovy ame nanihin-dreo zanany sy ireo bibiny?" 13 Jesosy namaly ka nagnano tamin'azy hoe:" izay rehetra mindrano amin'ity rano ity da mbola hangetaheta indraiky, 14 fa na iza na iza mindrano ame rano izay omeko azy da tsy angetaheta mandrakizay. Fa koa, gne rano izay izay homeko azy da ho lasa loharano miboiboiky ao anatiny, izay minday agny ame fiaina mandrakizay." 15 Hoy raviavy tamin'azy hoe:" Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta sy tsy hoavy hangala rano etoa koa." 16 Hoy Jesosy taminy raviavy hoe:" mandeana, angio gne vadinao,da mipodia aty." 17 Namaly raviavy ka nizaka taminy hoe:" tsy manambady aho." Namaly Jesosy hoe:" marina gne voazakanao hoe:' tsy manambady aho,' 18 fa efa nanambady indimy anao, ary gne raiky izay hipetrahanao amizao da mbola tsy vadinao. Marina izay voazakanao." 19 Hoy raviavy taminy hoe:" Tompoko, itako fa mpaminagny anao. 20 Ireo razantsika nivavaky teto amin'ity tendrimboitry ity, kanefa anareo magnambara fa Jerosalema no toera tokony hivavahan'gn'olo." 21 Hoy Jesosy taminy hoe:" minoa ahy, raviavy, fa ho avy gne andro izay hideranao gne Ray ka sady tsy amin'ity an-tendrimboitry ity no tsy agny Jerosalema. 22 Fa anareo mihondrika amin'izay tsy fatanareo. Izahay koa mihondrika amin'izany fatanay, satria gne famonjena da avy amindreo Jiosy. 23 Kanefa, ho avy gne andro, ary avy amizao, rehefa hidera gne Ray ame fagnaha sy fahamarigna indreo tena mpivavaky, satria gne Ray da mitadia olo mitovy izany ho mpidera azy. 24 Andriamanitry da fagnaha, ary gne olo izay midera an'azy da tsy maintsy midera ame fagnaha sy fahamarigna." 25 Hoy raviavy taminy hoe:" fatako fa ho avy gne Mesia(gne angia hoe Kristy). Ary rehefa avy izy, da hagnava amintsika gne raha aby." 26 Hoy Jesosy taminy hoe:"izaho izay miresaka aminao, no izy." 27 Tamin'izany fotoa izany da niverigny ireo mpianatriny. Ary nagnotany tegna indreo hoe nagnino izy no miresaky ame viavy, fa tsy nisy nizaka hoe :" ino gne tadiavinao?" Na joe:"nagnino anao no miresaky aminy?" 28 Noho izany da namela gne sininy raviavy, ka nandea niverigny tagny an-tanà,ary nizaka tame olo hoe: 29 "Handea, agnety gne lelah izay nizaka gne vitako rehetra. Tsy ho Kristy izany, sa ve izy?" 30 Da niala teo an-tanà indreo ka nadea aminy. 31 Nandritri'izany, nampirisiky andreo ho mpianatriny, nagnano hoe:"Raby, mihinàna." 32 Fa hoy izy tamindreo hoe:" izaho da mana sakafiko hanina tsy fatanareo." 33 Ka nifampizaka imdreo mpianatriny hoe:"tsy nisy olo ninday raha honina ho azy, sa nisy?" 34 Hoy Jesosy tamindreo hoe:"gne sakafoko da gne magnano gne sitrapon'ilay nagniraky ahy ary magnano gne asany. 35 Kay anao tsy mizaka hoe:"efa-bola sisa da ho avy gne fararano?' Zakaiko aminareo, hatsipazo gne masonareo da hiteo gne egny akoraky, fa efa masaky ary ho hilay ireo! 36 Izay mihila da mandray karama sy mandagno vokatry ho mae fiana mandrakizay, ka hiaraky faly gne mpamafy sy gne mpihila. 37 Fa amin'izany da mariny gne zaka magnanohoe:' gne raiky mamafy, ary gne raiky koa da mihila,' 38 nagniraky anareo hihila izay tsy nivalanareo aho. Indreo hafa no valaky, ary anareo no niditra teo amin'izany nivalany." 39 Maro tamindreo samaritana tao amin'izany tanà izany no nino azy nohon'gne tatitr'ilay viavy izay magnambara hoe:" nozakainy tamiko aby izay namboariko rehetra." 40 Ka rehefa nagnato an'azy indreo samaritana, da nangataka an'azy mbo hijanogny hiaraky amin'azy indreo, da nijagnony tao rohy andro izy. 41 Maro gne hafa no nino gne zakany. 42 Hoy indreo taminy raviavy hoe:" tsy noho izay voazakanao koa no hinoanay, fa izahay mihitsy no efa nahare, ary fatany fa izy tokoa no ilay mpamonjy an'izao tontolo izao." 43 Tafarany gne roa andro ireo, da niala avy tao izy handea agny Galilia. 44 Fa Jesosy mihitsy no nagnambara fa gne mpaminagny da tsy manan-danja ao ame taniny manokana. 45 Rehefa avy tao Galilia izy, da nandray azy indreo Gliliana. Izy ireo da nahita gne raha aby izay namboariny tao Jerosama tame andro firavoravoravoa evakoa indreo. 46 Ary avy tao kana ao Galilia indraiky izy, izay toera nampodia gne rano ho divay. Nisy tandapa raiky izay nanà zanaka laha marary tao Kapernaony. 47 Rehefa reny fa avy agny Jodia ho agny Galilia Jesosy, da nandea teo amin'i Jesosy izy ary nangataka taminy mba hidigny ary hagnasitrany gne zanany laha, izay efa ho faty. 48 Avy eo Jesosy nizaka taminy hoe:"raha tsy mahita famatara sy fahagaga anareo, tsy mba hino mihitsy." 49 Hoy ilay tandapa taminy hoe:"Tompoko, midigny re nialohan'gne hafatesan'gne zanako." Hoy Jesosy taminy hoe:' mandeana. Velo 50 gne zanako." Nino gne resaky izay nozakain'i Jesosy taminy i ralelah, ka da lasa izy. 51 Raha igny izy nidigny igny,da nitsena azy ireo mpanompony, nizaka fa velo gne zanany. 52 Ka nagnotany an'azy indreo gne lera izay naharetany izy. Namaly an'azy indreo hoe:"omaly tame fito no nialan'gne tazo taminy." 53 Fatatriny gne raiky avy eo fa tamin'io lera io no nizakan'i Jesosy an'azy hoe:" velo gne zanako." Ka da nino gne tegnany sy ireo havany rehetra. 54 Izany no famatara faharoa namboarin'i Jesosy fony izy niala tao Jodia ho agny Galilia.