Toko faha 3

1 Ary nisy Fariseo raiky angia hoe Nikodemosy, mpitarika Jiosy. 2 Nagnato an'i Jesosy tame andro ariva io lehilahy io ary nizàka taminy hoe: "Raby, fatanay fa mpampianatry izay avy amin'Andriamanitry anao, satria tsy misy mahavita ireo famatara amboarinao raha tsy miaraka amè Andriamanitry." 3 Da namaly anazy i Jesosy nagnano hoe:" zakaiko aminareo marina, da marina tokoa, fa raha tsy ateraky indraiky gne olo, da tsy nahita gne fanjakan'Andriamanitra izy." 4 Nikodemosy nizàka taminy hoe: " Amè fomba akongaia gne hahatateraky gne olo hiditry fagnondroa ao an-trokin-dreniny izy ary hateraky, sa afaky?" 5 Namaly Jesosy hoe:" Zakaiko aminao marina, da marina tokôtry, fa raha tsy nateraky tamè rano sy gne fagnà gne zanak'olo, da tsy afaky hiditry ao amè fanjakan'Andriamanitry izy. 6 Izay ateraky gne nofo da nofo, ary ateraky gne fagnà da fagnà. 7 Aza gaga am'izay nozakaiko anao hoe:'tsy maitsy hateraky indraiky anareo.' 8 Gne rivotry miala na aia na aia iriany; renao gne feony, fa tsy fatanao izay niaviany na izay andeanany. Mitovy aby izay ateraky gne fagnà." 9 Namaly Nikodemosy ka nizàka taminy hoe:" Akongaia gne fomba hahatanterahan'izà raha izà?" 10 Jesosy namaly ka nizàka taminy hoe: "Mpampianatry an'Isiraely me anao, da mbola tsy azonao avao izà raha izà? 11 Zakaiko aminao, marina, da marina tokôtry, fa izay fantatray gne resahanay, ary izahay magnambara gne momba izay hitanay. Kanefa mbola tsy magneky gne fagnambaranay anareo. 12 Raha nagnambara taminareo gne raha tety an-tany aho nefa tsy hinoanareo, ame fomba akongaia gne hinoanareo anah raha hitantara aminareo gne zava-misy agny an-danitry iao? 13 Tsy nisy niakatry agny an-danitry afa tsy gne nidigny avy tagny, da gne zanak'olo izá. 14 Ary mitovy gne nanandratan'i Mosesy gne bibilava tagny an'efitra, gne tsy maintsy hanandratana gne zanak'olo, 15 mba hana fiaigna mandrakizay izay rehetra mino anazy. 16 Fa tena tian'Andriamanitry izao tontolo izao, ka nomeny gne zanany lahy tokany, mba tsy ho very izay rehetra mino anazy fa hanà gne fiagna mandrakizay. 17 Fa Andriamanitry tsy nagniraky gne zanaky laha ho am'izao tontolo izao mba agnameloka an'izao tontolo iza,fa mba hamojy izao tontolo izao ame alalany. 18 Izay mino azy da tsy heloina, fa izay tsy mino da efa voaheloky sahady satria tsy nino gne agnaran'ilay zanaka laha raiky sy tokan'Andriamanitry. 19 Izao no anton'gne fitsaràna: avy teto amin'izao tontolo izao gne fahazava, nefa da nalen'gne olombelo gne mizy toy izay gne mazava satria ratsy ireo asa namboariny. 20 Fa izayrehetra magnano ratsy da malay gne mazava ary tsy magnota izany mba tsy ho hita miharihary ireo asany. 21 Kanefa, izay magnano gne marigny da magnato gne mazava mba ho hita tsara fa ireo asany da namboary arakan'Andriamanitry." 22 Tafaran'izay, da nandeha tagny Jodia Jesosy sy indreo mpianantriny. Nipetraka fotoa kidy tao niaraka tamindreo izy ary nagnono batisa. 23 Ary Jaona koa nagnano batisa tagny Ainona akekin'i Saleima satria maro gne rano tagny. Nagnato an'azy gne vahoaka ary namboary batisa, 24 fa tsy mbola nalefa agny andragno mijy i Jaona. 25 Avy eo nisy fifandira tame sasany amindreo mpianatr'i Jaona sy Jiosy raiky momban'gne andro fisasa. 26 Nagnato an'i Jaona izy ireo ka nizaka taminy hoe:"Raby, raiky gne niaraky taminao tagny agnilan-dReniranon'i Joridana, izay nambaranao, indro, manao batisa izy, ary magnotany azy aby izy rehetra." 27 Ary Jaona namaly hoe: "tsy afaky mandray na ino na ino gne olo raiky raha nome azy aby agny an-dagnitry izany. 28 Anareo koa da efa afaky gne vavolombelo ame zakaiko hoe:'tsy ilay Kristy aho,' fa kosa:'nihirany talohany.' 29 Gne ampekary da an'gne mpampiakatry. Ary gne sakaizan'gne mpampiakatry, izay mitsanga sy niteno azy, da mifaly indrindra nohon'gne ame faharesaha gne feon'gne mpampiakatry. Izany, ary, no mameno gne hafaliako. 30 Tsy maintsy mitombo izy, fa izaho koa tsy maintsy mihena. 31 Izy izay avy agny ambony da ambanin'gne raha aby. Izy izay avy eto an-tany da avy eto an-tany ary miresaka momban'gne eto an-tany.Izay avy agny andagnitry da ambonin'gne raha aby. 32 Izy da magnambara gne momba izay hitany sy reny, kanefa da tsy misy mandray gne fagnambarany. 33 Izay nandray nge fangambarany koa da magnamarina fa marina Andriamanitry. 34 Fa izay raiky nirahan'Andriamanitry da mizaka gne zakan'Andriamanitry. Satria tsy nasia fetra gne fagnomeza gne fgnaha. 35 Gne Ray tia gne zanaka laha ary nametraka gne raha aby teo ampelatagnany. 36 Izay mino gne zanaka laha da mana gne fiaina mandrakizay, fa izay tsy makato ilay zanaka laha koa da tsy hahita fiaina, fa hipetrahan'ny gne haviviran'Andriamanitry."