Toko faha 2

1 Telo andro taty afara, da nisy fampekaram-bady tao Kanà ao Galilia, ary tao gne renin'i Jesosy. 2 Jesosy sy ireo mpianatriny da nangia tame fampekaram-bady. 3 Rehefa lany gne divay, da nizaka taminy gne renin'i Jesosy hoe:"tsy mana divay indreo." 4 Ary hoy Jesosy taminy hoe:"raha viavy, nagnino anao mandea amina? Mbola tsy avy gne fotoako." 5 Da hoy gne reniny tamindreo mpanompo hoe:" na ino na ino zakay aminareo, da amboaro izany." 6 Ary nisy siny vato enina teo izay fampiasa ame andro fisasan'gne Jiosy, mahazaka roa hatramin'ny telo metatry gne ahahabony. 7 Hoy Jesosy tamindreo hoe:" fenoy rano gne siny." Ka nofenoin-dreo hatrame molotriny izany. 8 Nony avy eo da hoy izy tamindreo mpanompo hoe:"manovoza amin'izany ary ento agny ame tomponan'andraikitry gne fikarakara." Ka notanterahindreo izany. 9 Nandraman'gne tompon'andraikitrin'gne fikarakara gne rano nazary divay, kanefa tsy nahafatatry izay niavian'izany izy (fa indreo mpanompo izay nangala gne rano gne nahafatatry). Avy eo da nangaiky gne mpampiakatry izy 10 ary nangambara taminy hoe:" Gne olo agnaby da mandroso gne divay tsara aloha izay vao gne divay moramora rehefa mamo indreo. Fa anareo koa da nitahiry gne divay mandrak'amizao." 11 Izà gne famatara voalohany namboran'i Jesosy tao Kanà agny Galilia, ary nagnaseo gne voninahitriny izy, ka nino anazy indreo mpianatriny. 12 Tafaran'zay da nidigny ho agny Kapernaomy Jesosy, gne reniny, indreo rahalanysy indreo mpianatriny ary nijanogny tao andro kidikidy indreo. 13 Ary efa akaiky gne Pasaky gne Jiosy, da niakatry tagny Jerosalema Jesosy. 14 Nahita mpivarotr'omby, ondry ary voromamanga tao ampengona izy, ary nipetraka tao evakoa indreo mpanakalo vola. 15 Noho izany da nagnamboatry karavasy izy ka nandroaka azy rehetra hivoaka gne fengona, na gne ondry na aomby. Nandraraka gne volan-dreo mpanakalo vola ary nandavo gne latabatr'indreo. 16 Da hoy izy tamindreo mpivarotry voromamanga hoe :"ento miala lavitra an'ity toera ity ireo raha ireo. Azanogno gne fagnamboara gne tragnon-dRaiko ho toeram-pivarota." 17 Ary tadidinareo mpiatriny fa efa voasoratry hoe:"gne fiharetako gne ame tragnonao no handevoza ahy." 18 Avy eo namaly indreo lohandohan'gne mpisorona Jiosy ka nagnano taminy hoe:" ino no famatarana ho asehoanao anay, maha avy anao magnano an'iregny raha iregny?" 19 Jesosy namaly hoe:"ravay ity fengona ity, fa ho hatsangako agnatin'gne telo andro evao izany." 20 Ary hoy ireo mpanapaky Jiosy hoe:" Enina amby efapolo taona gne nahavita ity fengona ity, ka anao hahavita anazy ao angatiny telo andro?" 21 Kanefa, momban'gne fengonan'gne tegnany gne noresahany. 22 Tafaran'gne nitsanganany tame maty, da tadidindreo mpianatriny fa nizaka izà izy, ary nino gne Soratra Masina sy izà resaky nozakain'i Jesosy izà indreo. 23 Ary rehefa tao Jerosalema izy tamè andro firavoaravoan'gne Paska, da maro gne nino gne agnarany rehefa nahita ireo famatara izay namboariny. 24 Fa Jesosy koa da tsy natoky andreo noho izy nahafatatry tsara anazy rehetra, 25 satria tsy nila na ia na ia hagnambara aminy gne momban'gne olo izy, noho izy nahafatatry gne ao agnatin'gne olo.