Toko faha 10

1 Zakaiko aminareo, marina, da marina, tokôtry, fa izay tsy miditry gne vavahady ho amè valan'ondry, fa mandeha lalan-kafa, da mpangalatry sy mpandroba izy. 2 Fa izay miditry gne vavahady kosa gne mpiandry ondry tsara. 3 Izy gne vahan'gne mpiandry vavahady. Maharè gne feony gne ondry, ary izy mangaiky gne ondriny manokany amè agnarany ka mitondra anazy mijoso. 4 Rehefa nagnajoso gne anazy rehetra izy, da nialoha lalana andreo, ary manaraky anazy gne ondriny, satria mahalala gne feony. 5 Ary tsy hagnaraky vahiny indreo fa hilefa anazy kosa, satria tsy fantany gne feon'gne vahiny.'' 6 Jesosy nizáka izà fagnohara izà tamindreo, saingy tsy azondreo nefa ireo zavatry nozàkaigny tamindreo. 7 Da hoy avao Jesosy tamindreo hoe: ''Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa Iao gne vavahadin'ondry. 8 Izay rehetra avy talohako da mpangalatry sy mpandrava, satria tsy nitegno andreo gne ondry. 9 Iao gne vavahady. Raha misy miditry ao amè alalako, da ho voavonjy izy; hiditry sy hijoso izy ary hahita gne fihinanà. 10 Fa gne mpangalatry tsy avy raha tsy hangalatry sy hamono ary handrava. Fa Iao kosa avy mba hanagnandreo fiainagny ary hanà izà maro be. 11 Iao gne mpiandry tsara. Gne mpiandry tsara da manolotry gne ainy hamonje gne ondriny. 12 Gne mpikarama da tsy mpiandry ary tsy tompon'gne ondry. Raha nahita amboadia magnato izy da hiala gne ondry ka hilefa, ary gne amboadia misambotry sy mampimparitaky andreo. 13 Milefa izy satria mpikarama ka tsy miraharaha gne ondry. 14 Iao gne mpiandry ondry tsara, ary fantatro gne Anah, ary fantatriny Iao. 15 Gne Ray mahafantatry Anah, ary Iao mahafantatry gne Ray, ary Iao manolotry gne aiko ho an'gne ondry. 16 Manà ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Iao. Tsy maintsy hindesiko evakoa iregny, ary indreo haharè gne feoko mba ho tonga andiany raiky avao sy mpiandry raiky. 17 Io gne antony hitiavan'gne Ray Anah : mahafoy manolotry gn'aiko Iao mba handraisako izà. 18 Tsy misy mangala izà amiko, fa gne tegnako avao gne manolotry izà. Manà fahefagny hanolotry izà Iao, ary manà fahefagny hangala izà avakoa. Izá didy izà da azoko avy tamè Raiko.'' 19 Nisy fizarazaragny teo amindreo Jiosy noho ireo záka ireo. 20 Maro tamindreo gne nizàka hoe: "Managny devoly Izy ary very saina. Nagnino anareo gne mitegno Anazy?'' 21 Gne sasany nagnambara hoe: ''Tsy fizàkan'gne olo misy devoly izà. Gne devoly izà afaky mampahiratry gne mason'gne Jamba?'' 22 Avy teo tonga gne fetin'gne fanokanagny tao Jerosalema. 23 Manara gn'andro tamin'izà, ary Jesosy nitsanga teo an-kianjan'gne tempoly teo amè fialotry i Solomona. 24 Avy eo nitangoronandreo Jiosy Izy ary nizàka taminy hoe: ''Mandrapahovia gne hampisalasalanao anay? Raha Anao gne Kristy, da hambaray hampabemasho aminay etoa.'' 25 Ary Jesosy namaly andreo hoe: ''Efa nagnambara anareo iao, fa tsy mino anareo. Ireo asa izay ataoko amè agnaran'gne Raiko, indreo gne magnambara gne mahakasiky Anah. 26 Kanefa anareo tsy mino satria tsy mba ondriko. 27 Maharè gne feoko gne ondriko; fantatro indreo, ary magnaraka Anah. 28 Omeko andreo gne fiaignà mandrakizay; ka tsy ho faty mandrakizay indreo, ary tsy hisy handrava azy eo am-pelantagnako. 29 Gne Raiko, izay nagnome ireo Anah, da zakabe noho gne hafa rehetry, ary tsy misy mahavita mandrava andreo eo am-pelantagnan'gne Ray. 30 Iao sy gne Ray da raiky avao.'' 31 Avy eo nangala vato indraiky indreo Jiosy mba hitora-bato Anazy. 32 Ary Jesosy namaly andreo hoe: ''Maro gne asa tsara nasehoko anareo avy tamè Ray. Koa ino tamin'iregny asa iregny gne hitorahanareo vato Anah?'' 33 Namaly Andreo Jiosy ho: ''Tsy gne asa tsara gne hitorahanay vato anao, fa gne fizàkan-dratsy, satria anao, olombelona, da magnano gne tegnanao ho Andriamanitry.'' 34 Namaly andreo Jesosy hoe: '' Tsy efa voasoratry ao amè lalànareo gne hoe: ' Hoy Iao hoe: '' Andriamanitry anareo'''? 35 Raha nangaiky iregny ho Andriamanitry izy, da ho an'ia izà gne niavian'gne zakan'Andriamanitry (ary gne Soratra Masina da tsy azo foanagny), 36 ilay nohamasinin'gne Ray sy nirahina ho amin'izao tontolo izao gne haninareo hoe: 'Mizàka ratsy Anao,' noho Iao nizàka hoe: 'Iao gne Zanakan'Andriamanitry'? 37 Raha tsy magnano ireo asan'gne Raiko Iao, da ka mino Anah. 38 Fa raha magnano iregny Iao, na da tsy mino Anah aza anareo, da minoa ireo asa mba hahafantaranareo sy hahazoanareo fa gne Ray da ato Amiko ary Iao ao amè Ray.'' 39 Mbola nikasha gne hisambotry Anazy indraiky indreo, fa nilefa Izy. 40 Da nandeha an-dafin'i Jordana indraiky Izy ho agny amin'ilay toera izay nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ary nidoboky teo. 41 Maro gne olo nagnato Anazy ary hoy indreo hoe: ''Jaona tsy mba nagnano famantarana, fa gne zavatry rehetra nambaran' Jaona momba io lehilahy io da marina.'' 42 Maro gne olo nino Anazy teo.