Toko faha 11

1 Ary nisy lehilahy raiky narary angia hoe: '' Lazarosy. Avy ao Betania izy, tanàn'i Maria sy Marta rahavaviny. 2 Maria gne nagnosotry menaky magnitry gne Tompo sy nagnadio gne tombony tamè volony, ary Lazarosy analahiny gne narary. 3 Ary indreo mpirahavavy nagniraky olo ho agny amin'i Jesosy, nizàka hoe: ''Tompo, iteo, fa marary ilay tianao.'' 4 Rehefa ren'i Jesosy izà, da hoy Izy hoe: ''Tsy fahafatesa gne hiafaran'ity arety ity, fa kosa ho fanehoa gne voninahitr'Andriamanitry mba hagnandratany gne Zanak'Andriamanitry amè alalan'izà.'' 5 Ary Jesosy da tia an'i Marta sy gne rahavaviny ary Lazarosy. 6 Ka rehefa naharè Jesosy fa tsy salama Lazarosy, da mbola nijanogny roy andro tao amè toera nisy Azy Izy. 7 Ary tafaran'izà, da nizàka tamindreo mpianatra Izy hoe:'' Andeha isika ho agny Jodia indraiky.'' 8 Hoy indreo mpianatra taminy hoe: ''Raby, amin'izao da mitadia gne hitora-bato Anao indreo Jiosy, ka mbola hipody ho agny indraiky Anao?'' 9 Ary namaly Jesosy hoe: '' Tsy roy ambin'gne folo lera gne fahazavan'gne andro? Raha misy olo mandeha amè andro mazava, da tsy ho tafato izy, satria mahita gne fahazavan'izao tontolo izao. 10 Kanefa, raha mandeha amè ariva izy, da ho tafato satria tsy ao aminy gne fahazavà.'' 11 Nagnambara ireo zavatra ireo Izy, ary tafaran'ireo zavatry ireo, da hoy Izy tamindreo hoe: '' Resin-tory Lazarosy namantsika, fa handeha Iao mba hafahako mamoha anazy amè torimaso.'' 12 Ka hoy indreo mpianatry taminy hoe: ''Tompo, raha resitory izy, da ho tsara.'' 13 Kanefa Jesosy nizàka gne fahafatesa, saingy noheverindreo fa fialan-tsasatry amè torimaso gne nozàkainy. 14 Avy eo Jesosy nizàka tsotry tamindreo hoe: ''Maty Lazarosy. 15 Faly iao, nohon'gne aminareo, fa tsy tam'gnagny Iao mba hahatonga anareo hino. Andeha isika ho agny aminy. '' 16 Tomasy, izay angia hoe Didymo, da nizàka tamindreo mpianatry namany hoe: ''Andeha koa isika mba hiara-maty amin'i Jesosy.'' 17 Rehefa tonga Jesosy, da hitany fa efa nalevy efatr'andro tao an-kobory Lazarosy. 18 Ary Betania da efa marigny an'i Jerosalema, eo amè dimy ambin'gne folo stadio gne elagnelagny. 19 Maro indreo Jiosy tao tonga tao amin'i Marta sy Maria, mba hampahery andreo nohon'gne fahafatesan'gne analandreo. 20 Avy eo Marta, rehefa naharè fa tonga Jesosy, da nandeha nitsena Anazy, fa Maria kosa nidoboky t'andragno. 21 Da nizàka tamin'i Jesosy Marta hoe: ''Tompo, raha tetoa anao, da tsy maty gne analako. 22 Nefa na da izao amisia izao aza, da fantatro fa na ino na ino angatahinao amin'Andriamanitra, da homegny anao izà. '' 23 Hoy Jesosy taminy hoe: ''Gne analahinao da hitsangan-ko velo indraiky.'' 24 Marta nizàka taminy hoe: ''Fantako fa hitsanga indraiky izy amè fitsanganan'gne maty amè andro farany.'' 25 Da hoy Jesosy taminy hoe: ''Iao gne fanangana gne maty ary fiaigna; izay mino Anah, na da maty aza izy, da ho velo; 26 ary na ia na ia velo ka mino Anah da tsy ho faty mandrakizay. Mino izà anao?'' 27 Hoy izy taminy hoe: ''Eka, Tompo, mino iao fa Anao gne Kristy, Zanak'Andriamanitry, ilay ho avy eto amin'izao tontolo izao.'' 28 Rehefa voazakany izà, da lasa izy nangaiky mangingina an'i Maria rahavaviny. Hoy izy hoe: ''Tonga gne Mpampianatry ary mangaiky anao izy. '' 29 Rehefa ren'i Maria izà, da nitsanga malaky izy da nandeha negnagny. 30 Ary Jesosy tsy mbola avy tao an-tanà fa mbola teo amin'ilay toera nifakaitan'i Marta taminy avao. 31 Noho izà indreo Jiosy, izay niaraky taminy tao an-dragno sy nampahery azy, rehefa nahita an'i Maria nitsanga malaky ka lasa nijoso, da nagnaraky anazy, nihevitry fa handeha hitagny agny amè kobory izy. 32 Rehefa tonga teo amè toera nisy an'i Jesosy i Maria ka nahita Anazy, da nibebaky izy ary nizàka taminy hoe: ''Tompo, raha tetoa anao, da tsy maty gn'analako.'' 33 Rehefa nahita anazy nitagny Jesosy, ary indreo Jiosy niaraky taminy koa nitagny, da vonto gne fagnany ary tora-kovitry Izy; 34 da hoy Izy hoe: ''Taiza gne nandevegnanareo anazy?'' Da hoy indreo taminy hoe: ''Tompo, avy ary iteo.'' 35 Nitagny Jesosy. 36 Avy teo hoy indreo Jiosy hoe: ''Iteo gne haben'gne fitiavany an'i Lazarosy!'' 37 Fa gne sasany tamindreo nizàka hoe: ''Tsy hain'ity lehilahy ity, izay nampahiratry gne mason'ilay jamba, gne magnano izay tsy ho nahafaty ity lehilahy ity koa?'' 38 Avy teo indraiky Jesosy, raha mbola vonto gne fagnany, da nandeha amè kobory. Ary zohy izà, ary misy vato manakotry anazy. 39 Hoy Jesosy hoe: ''Alay hiala agny gne vato.'' Marta, anakavin'i Lazarosy, ilay maty, nizàka tamin'i Jesosy hoe: ''Tompo, efa membo gne vatagny raha amin'izao fotoa izao, satria efatr'andro izao gne nahafateshany.'' 40 Ary Jesosy nizàka taminy hoe: '' Tsy efa nambarako anao fa, raha mino anao, da ho hitanao gne voninahitr'Andriamanitry?'' 41 Nalandreo gne vato. Jesosy nanandratry gne masony ka nizàka hoe: ''Ray ô, misaotry Anao Iao satria nitegno Anah Anao. 42 Fantatro fa mitegno Anah fehizay Anao, fa nohon'gne vahoaky mijoro magnodidigny Anah gne nagnambarako izà, mba hafahandreo mino fa Anao gne nagniraky Anah.'' 43 Rehefa avy nizàka izà Izy, da nangaiky tamin'gne feo mafy hoe: ''Lazarosy, mijosoa!'' 44 Nijoso ilay lehilahy maty; nisy fehim-paty gne tombony sy gne tagnany, ary voafehy lamba koa gne terehiny. Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''Vavaro izy ary avelao handeha.'' 45 Avy teo maro tamindreo Jiosy izay avy tao amin'i Maria sy nahita gne nataon'i Jesosy, gne nino Anazy; 46 Fa gne sasany tamindreo koa lasa nandeha nagnagny amè Fariseo ary nagnambara tamindreo gne zavatry nanin'i Jesosy. 47 Avy teo gne lohan'gne mpisorona sy gne Fariseo namory gne Synedriona niaraky ary nagnano hoe: ''Ino gne hataontsika? Ity lehilahy ity da magnano famantara maro. 48 Raha avelantsika amin'izao Izy, da hino Anazy gne rehetra; ary ho avy gne Romana hangala gne tanàntsika sy gne firenentsika.'' 49 Kanefa, nisy lehilahy raiky tamindreo, Kaiafa, izay mpisoronabe tamin 'izà Tao izà, nagnano tamindreo hoe: "Anareo da tsy mahalala na ino na ino. 50 Tsy mieritreritry mihintsy anareo fa tsara ho anareo raha lehilahy raiky gne maty ho an'gne olo toy izay gne firenegny agnaby gne rava.'' 51 Ary izay nozakainy da tsy naniny ho anazy avao. Fa kosa, noho izy mpisoronabe tamin'io tao io, da naminagny fa tokotry ho faty ho an'gne firenegny Jesosy; 52 ary tsy ho an'gne firenegny fotsiny avao, fa mba hampiray gne zanak'Andriamanitra izay niparitaky koa. 53 Ka nanomboky tamin'io andro io da nagnano tetiky gne fomba hamonoa an'i Jesosy indreo. 54 Ary Jesosy tsy nandeha nishehosheo teo andreo Jiosy esana, fa niala teo Izy nandeha amè tany akaikin'gne efitry hegnagny an-tanà atao hoe Efraima. Ary nidoboky tao Izy sy ireo mpianatry. 55 Ary efa akaiky gne Pasky gne Jiosy, ary maro tamindreo tagny ivelan'gne tanà gne niakatry tao Jerosalema mialohan'gne Paska mba hagnadio gne tenandreo. 56 Nitadia an'i Jesosy indreo, ary nitsanga teo amè Tempoly nifampiresaky hoe: "Ino gne eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amè andro fifalia Izy?" 57 Ary efa nagnome baiko gne lohan'gne mpisorona sy gne Fariseo fa raha misy mahalala gne misy an'i Jesosy, da tokotry magnambara izy mba hisamborandreo Anazy.