Toko faha 12

1 Enin'andro mialohan'gne Paska, da tonga tao Betania Jesosy, izay nidoboan'i Lazarosy, ilay efa natsangan'i Jesosy tamè maty. 2 Ka nagnano sakafo ho Anazy indreo, ary Marta gne nandroso andreo, fa Lazarosy kosa da anisan'ireo niara-nidoboky tamin'i Jesosy teo amè latabatry. 3 Avy teo Maria nangala menaky manitra raiky litatra izay vita tamè narda sarobidy, ka nagnosotry gne tombony tamè volon-dohany. Feno gne hanitr'ilay menaky gne tragno. 4 Ary Jodasy Iskariota, raiky tamindreo mpianany, izay hamadiky Anazy, nagnano hoe: 5 "Nagnino io menaky io gne tsy namidy 300 dinaria da nomè gne mahantra?" 6 Ary izy magnambara izà, tsy nohon'gne fitezagny gne mahantra, fa satria mpangalatry izy: teo aminy gne kitapom-bola ary ho nangalariny izay nahishy tamignao. 7 Jesosy nizàka hoe: "Avelao izy mba hitazogny izay hanagnany ho amè andro handevenagny Anah. 8 Ho eo aminareo fehizay gne mahantra, fa Iao kosa tsy ho eo aminareo fehizay." 9 Ary nisy vahoaky maro tamindreo Jiosy nahalala fa teo Jesosy, ka nagnato indreo, tsy ho an'i Jesosy irery avao, fa mba hahita an'i Lazarosy avakoa, ilay natsangan'i Jesosy tamè maty. 10 Indreo lohan'gne mpisorona da nihevitry niaraky mba hahafahandreo magnosiky an'i Lazarosy amè fahafatesa avakoa; 11 satria noho Izy gne nahavy gne ankamaroandreo Jiosy andeha ary nino an'i Jesosy. 12 Gne omaray da vahoaky maro gne tonga tamè andro fifalia. Rehefa rendreo fa ho avy ao Jerosalema Jesosy, 13 da nangala sampan-drofia indreo ary nijoso ka nitsena Anazy tamè feo mafy hoe: "Hosana! Sambatry ilay avy amè agnaran'gne Tompo, Ilay mpanjakan'Israely." 14 Ary Jesosy nahita zana-boriky raiky ka nidoboky teo ambonigny; 15 Araky gne voasoratry hoe: " Ka malia, ry zanakavavin'i Ziona; hiteo, igny avy igny gne mpanjakanareo, izay midoboky eo ambonin'gne zana-boriky." 16 Tsy nahazo ireo zavatra ireo gne mpianany tamè voalohany; fa rehefa nomem-boninahitry Jesosy, da tsaroandreo fa voasoratry momba Anazy ireo zavatry ireo ary efa nanindreo taminy izà. 17 Ary indreo vahoaky izay niaraky taminy tamè nangiany an'i Lazarosy hijoso gne kobory sy nanangagny anazy tamè maty da samy nijoro vavolombelo agnaby. 18 Noho izà antony izà avakoa gne nahavy gne vahoaky hitsena Anazy, satria rendreo fa nagnano izà famantara izà Izy. 19 Indreo Fariseo noho izà nifampiresaky hoe: "Hiteo, tsy afaky magnano na ino na ino anareo; fa, magnaraky Anazy izao tontolo izao." 20 Ary nisy grika vitsivitsy tamindreo izay niakatry hidera agny amè fifalia. 21 Nandeha amin'i Filipo indreo, izay avy agny Betsaida agny Galilia, ary nagnontagny anazy, magnano hoe: "Tompo, mba ta-hahita an'i Jesosy iahay." 22 Da lasa Filipo ka nizàka tamin'i Andrea; da lasa Andrea niaraky tamin'i Filipo, ary nizàka an'i Jesosy indreo. 23 Jesosy namaly andreo ka nagnano hoe: "Efa avy gne fotoa hanomeza voninahitry gne Zanak'olo. 24 Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa raha tsy latsaky amè tany gne voam-bary ka maty, da mitoetra amè tegnany raiky izà; fa raha maty izà, da hamokatry marobe. 25 Izay tia gne fiainagny da agnary izà; fa izay malaigny gne fiaignà eto amin'izao tontolo izao kosa da hitazogny izà ho agny amè fiaigna mandrakizay. 26 Raha misy magnompo Anah, aoka izy hagnaraky Anah; ary izay hidoboako, da ao avakoa gne hidoboan'gne mpagnompoko. Raha misy magnompo Anah, da hanome voninahitry anazy gne Ray. 27 Amisia mangorohoro gne fagnahiko ary ino gne tokotry ho zakaiko? 'Ray ô!, vonjeo amin'ity lera ity Iao'? Kanefa noho izà antony izà gne nahatongavako amin'izao fotoa izao. 28 Ray ô!, hankalazao gne agnaranao. Avy teo nisy feo nagnako avy any an-danitry nagnano hoe: "Efa nankalazaiko izà ary mbola ho hankalazaiko indraiky." 29 Ary indreo vahoaky nitsanga tam'gneo sy naharè izà da nizàka fa nisy kotroky teo. Gne sasany nizàka hoe: "Nisy anjely niresaky taminy." 30 Jesosy namaly ary nizàka hoe: "Izà feo izà da tsy ho Anah, fa ho anareo. 31 Avy ary gne fitsarà an'izao tontolo izao: Ary da ho roagny gne mpagnampaky izao tontolo izao. 32 Rehefa hasandratry hiala amè tany Iao, da hitao gne tsirairay hagnaraky Anah." 33 Nozàkainy izà mba hagnehoa hoe karazan'gne fahafatesa akongaia gne hafatesany. 34 Indreo vahoaky namaly Anazy hoe: "Renay tamè lalàgna fa Kristy da hijanogny mandrakazay. Ino gne hafahanao magnambara hoe: 'Gne Zanak'Olo da tsy maintsy hasandratry'? Iza izà Zanak'Olo izà?" 35 Avy teo Jesosy nizàka andreo hoe: "Gne hazavà da mbola hindray amindreo mandritry gne fotoa fohy. Mandehana dian'gne mbola managny hazavagny, mba tsy hafahan'gne haizigny mialoha anareo. Izay mandeha amè mizy da tsy mahalala gne lalakombany. 36 Raha mbola manà gne hazavà anareo, da minoa izà mba ho zanakin'gne hazavagny anareo." Jesosy nagnambara ireo zavatry ireo ary avy teo da tsy hita ary nitodiky andreo. 37 Na da nagnano famantara maro teo anatrehandreo aza Jesosy, da tsy ninoandreo 38 mba ho tanteraky gne zakan'Isaia mpaminagny, izay nagnambarany hoe: "Tompo, iza gne nino gne fagnambaranay, ary iza gne nampiseho gne sandrin'gne Tompo?" 39 Noho izà antony izà da tsy nino indreo, araky gne voazakan'i Isaia fehizay hoe: 40 "Nohajambaigny gne masondreo, ary nohamafishiny gne fondreo; mifanohitry amin'izà indreo da te-hahita amè masondreo ary hahazo amè fondreo, ka hitodiky, ary Iao hanasitragny andreo." 41 Isaia nagnambara ireo zavatry ireo satria hitagny gne voninahitr'i Jesosy ka nkora momba Anazy. 42 Kanefa na izà aza, da maro tamindreo mpanampaky gne nino an'i Jesosy; fa noho ireo Fariseo, da tsy nagneky izà indreo mba tsy ho voasakagny ho ao amè synagoga. 43 Tiandreo tokôtry gne fideragny avy amè olo noho gne fideragny avy amin'Andriamanitry. 44 Jesosy nangaiky mafy ka nizàka hoe: "Izay raiky mino Anah, aza mino Anah raiky avao fa koa Izy izay nagniraky Anah, 45 ary izay raiky mahita Anah da mahita Anazy izay nagniraky Anah. 46 Iao da avy toy gne hazavagny teto amin'izao tontolo izao, mba tsy hidoboky agnaty haizigny izay mino Anah. 47 Raha misy maharè gne zakako nefa tsy mitandrigny izà, da tsy hitsara anazy Iao; satria Iao tsy avy hitsara izao tontolo izao, fa hagnavotry izao tontolo izao. 48 Izay mandà Anah sy tsy mandray gne zakako, da managny raiky izay mitsara anazy. Ilay zaka izay nambarako gne hitsara anazy am'gnandro farany. 49 Fa Iao tsy mizàka ho Anah, fa ilay Ray izay nagniraky Anah, izay nagnome Anah gne didy amin'izay ho zakay sy ho ambara. 50 Fantatro fa gne didiny da fiaignà mandrakizay, koa izay zakaiko_da zakaiko araky izay nozàkain'gne Ray tamiko."