Toko faha 13

1 Ary andro mialohan'gne fifalian'gne Paska izao. Fantatr'i Jesosy fa tonga gne lera hialagny eto amin'izao tontolo izao ka handeha agny amè Ray. Rehefa nitia gne mpiara-dia taminy tetoa amin'izao tontolo izao Izy, da nitia andreo hatramin'gne farany. 2 Ary gne devoly da efa nametraky izao tao an-tsain'i Jodasy Iskarioata zanak'i Simona, da gne hamadihagny an'i Jesosy. 3 Izy da nahafantatry fa gne zavatry rehetra da efa napetrakin'gne Ray teo am-pelatagnany ary Izy da avy amin'Andriamanitry ary hiverigny agny amin'Andriamanitry. 4 Nitsangà Izy teo am-pisakafoagna ary nangala gne akanjogny ivelany. Avy eo Izy nangala lamba ary nisafotry izà. 5 Avy eo nandraraky rano tao agnaty signy Izy da nanomboky nanasa gne tombondreo mpianatry ary namafa andreo tamin'ilay lamba nisaforany. 6 Nagnato an'i Simona Petera Izy, ary hoy Petera taminy hoe: "Tompo, hanasha gne tomboko avao Anao?" 7 Jesosy namaly ary nizàka taminy hoe: "Izay ataoko da mbola tsy ho azonao izao gne heviny, fa ho azonao avao izà afara agny." 8 Hoy Petera taminy hoe: "Tsy hanasha gne tomboko mihintsy Anao." Jesosy namaly anazy hoe: "Raha tsy manasha gne tombonao Iao, da tsy managny anjara ato amiko anao." 9 Hoy Simona Petera taminy hoe:" Tompo, aza gne tomboko avao gne sashà, fa gne tagnako sy gne lohako avakoa." 10 Hoy Jesosy taminy hoe: "Izay efa nisheky da tsy mila izà, afa-tsy gne manasha tomboky avao, fa izy da efa madio tanteraky; anao da madio, fa tsy gne rehetra nefa." 11 (Satria efa fantatr'i Jesosy hoe iza ilay hamadiky Anazy; izà gne antony nizàkany hoe: "Tsy anareo rehetra gne madio.") 12 Ka rehefa avy nanasha gne tombondreo Jesosy sy nangala ireo lambany ka nidoboky indraiky, da hoy Izy tamindreo hoe: "Fantatrareo gne naniko ho anareo? 13 Angianareo Iao hoe 'mpampianatry' sy 'Tompo,' ary marina gne voazàkanareo, satria izà tokôtry Iao. 14 Kanefa raha Iao, sady Tompo gne mpampianatry, gne nanasha gne tombonareo, anareo avakoa da tokotry hifanasha gne tombonareo. 15 Satria efa nagnome ohatry ho anareo Iao ka mba tokotry hagnano toy izay naniko ho anareo avakoa anareo. 16 Ambarako aminareo, marina, da marina tokôtry, fa gne mpagnompo da tsy ho zakabe noho tompony izà mihintsy; na koa gne mpitondra hafatry da tsy zakabe nohon'gne nagniraky anazy. 17 Raha fantatrareo ireo zavatry ireo, da ho tahia anareo raha magnatanteraky izà. 18 Tsy anareo rehetra gne reshako; fantatro ireo izay nofidiko fa izà da mba hahatanteraky gne Soratra Masina hoe: 'Izay mihinagny gne mofoko da nanandratry gne vodi-tombony hamadika Anah.' 19 Ambarako aminareo izao izà mialohan'gne hitrangany mba rehefa mitranga izá, da mety hino anareo fa Iao gne Izy. 20 Ambarako aminareo, marina, da marina tokotry, fa izay mandray izay nirako, da mandray Anazy izay nagniraky Anah." 21 Rehefa nagnambara izà Jesosy, da nangorohoro gne fagnahiny. Nagnambara Izy ary nizáka hoe: "Ambarako aminareo, marina, da marina tokotry fa hisy raiky aminareo hamadiky Anah." 22 Nifagnety indreo mpianatry, nagnontany tegna hoe ia izà nozàkainy izà. 23 Nisy raiky tamindreo mpianany, izay tian'i Jesosy, nidoboky teo amè latabatry ampitan'i Jesosy. 24 Nagnato io mpianatry io Simona Petera ary nizàka hoe: "Agnontanio Anazy hoe ia izà zakaigny izà." 25 Ka nipody nianky tamin'i Jesosy izy ary nizàka taminy hoe: "Tompo, ia izà?" 26 Avy teo Jesosy namaly hoe: "Ilay raiky izay handonako sy homeko ity mofo ity izà." Ka rehefa nolomany gne mofo, da nomeny an'i Jodasy zanak'i Simona Iskariota izà. 27 Ary tafaran'gne mofo, da niditry tao aminy satana, ka hoy Jesosy taminy hoe: "Izay ataonao, ataovy malaky izà." 28 Tamin'izà indreo rehetra teo an-databatry tsy nisy nahalala gne antony nizàkan'i Jesosy anazy izà. 29 Gne sasany nieritreritry hoe, satria Jodasy gne nitazogny gne kitapom-bola, gne nizàkan'i Jesosy taminy hoe: "Vidio gne zavatry rehetra ilaintsika amè andro fifalia," na hoe tokotry hanome zavatry hoan'gne mahantra izy. 30 Raha avy nandray gne mofo Jodasy, da lasa nijoso avy hatrany izy. Aly gn'andro tamin'izay. 31 Rehefa lasa Jodasy, da hoy Jesosy hoe:" Amisia da omem-boninahitry gne Zanak'Olo, ary Andriamanitry da omem-boninahitry ao aminy. 32 Andriamanitry da hanome voninahitry Anazy ao amè tegnany, ary Izy hanome voninahitry Anazy avy hatrany. 33 Ry marao madiniky, fotoa fohy sisa gne hindraisako aminareo. Hitadia Anah anareo, ary araky gne nambarako tamindreo Jiosy hoe: 'Zay alehako, tsy azonareo aleha.' Ary ambarako aminareo koa izà amisia. 34 Didy vaovao gne omeko anareo da gne hifankatiavanareo; mitovy am'gne nitiavako anareo, gne tokotry hifankatiavanareo avakoa. 35 Amin'izà gne hahafantaran'gne rehetra fa mpianatro anareo, raha mifankatia anareo." 36 Hoy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, fa andeha ho aia Anao?" Namaly Jesosy hoe: "Izay andehanako, da tsy afaky hanarahanareo Anah izao, fa hagnaraky anareo agny afara." 37 Da hoy Petera taminy hoe: "Tompo, nahoa iao gne tsy afaky magnaraky Anao izao? Hafoiko ho Anao gne aiko." 38 Da namaly Jesosy hoe: "Hafoinao ho Anah gne ainao? Ambarako aminao, marina,da marina tokôtry, fa mbola tsy hagneno gne akoho da efa handà Anah in-telo anao."