Toko faha 14

1 Aza avela hangorohoro gne fonareo. Mino an'Andriamanitra anareo, da minoa anaha koa. 2 Misy efitry maro ao andragnon'gne Raiko. Raha tsy izany, da efa nizaka taminareo aho, fa hagnomagny toera ho anareo. 3 Raha handeha ahao ary hagnomagny toera ho anareo, da hipody hindraiky aho ary handray anareo ato amiko, ka izay misy anaha da hisy anareo koa. 4 Anareo gne mahafatatry izay izay ombako." 5 Hoy Tomasy tamin'i Jesosy hoe:"Tompo,tsy fantanay izay ombanao,ahoana gne hahafantaranay gne lalagna?" 6 Hoy Jesosy tamin'azy hoe:"Izaho gne lalana,fahamarinana,ary fiainagna; tsy misy magnato gne Ray raha tsy amè alalako. 7 Raha nahafantatry Ahy anareo, da tokotry ho nahafantatry gne Raiko koa. Manomboka izao da fantatrareo Izy ary efa hitanareo." 8 Hoy Filipo tamin'i Jesosy hoe:"Tompo, abohay anay gne Ray, da ampy ho anay izà." 9 Hoy Jesosy tamigny ho:"Efa hatry gne ela gne niresako taminareo da mbola tsy fantatrareo avao ve Aho, ry Filipo? Na iza na iza nahita Ahy da nahita gned Ray. Koa nagnino gne hizàkanao hoe:'Abohay anay gne Ray'? 10 Tsy mino anareo fa ao amè Ray Iao ary gne Ray ato amiko? Ireo zàka zàkaiko aminareo da tsy zàkaiko avy amè fahefako manokana, fa ilay Ray velona ato anatiko gne manao gne asagny. 11 Minoa Anah fa Izaho da ao amè Ray , ary gne Ray ato amiko, raha tsy izà da minoa noho ireo asa manoka. 12 Zàkaiko aminareo, marina, da marina tokotry, izay mino Ahy da hanao gne asa izay ataoko, ary hanao asa zàkabe mihoatra noho iregny izy satria ho agny amè Ray Aho. 13 Na ino na ino angatahinareo amè Anarako, da tanterahiko izà mba hanomezam-boninahitry gne Ray ao amè Zanaky. 14 Raha mangataky zavatry amè anarako anareo, da ho tanterahiko izà. 15 Raha tia Ahy anareo, da hitandrigna ireo didiko, 16 ary hivavaky amèRay Aho, da hanome anareo Mpagnanatry hafa Izy mba ho eo aminareo mandrakizay izy- 17 ny Fanahin'gne fahamarinagna. Tsy afaka mandray Azy izao tontolo izao satria tsy mahita na mahafantatry Azy. Fa anareo koa mahafantatry Azy, satria midoboky miaraky aminareo Izy ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hametraky anareo ho raiky Aho; mbola hipody aty aminareo Aho. 19 Afaka fotoa vitsy da tsy hahita Ahy etsana izao tontolo izao, fa anareo mahita Ahy. satri velogna Aho, da ho velogna ihagny koa anareo. 20 Ary amin'izay andro izay da ho fantatrareo fa ao amè Raiko Aho, ary anareo ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay managna ireo didiko ka mitandrigna iregny da izy ilay tia Ahy, ary izay tia Ahy da ho tiavin'gne Raiko koa, ary Izaho hitia azy sy hiboky aminareo." 22 Hoy Jodasy(tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe:"Tompo, nagnino anao gne hiboky aminay fa tsy amin'izao tontolo izao?" 23 Jesosy namaly tamigny hoe:"Raha misy olo tia Ahy, da hitandrigna gne zàkako izy. Hitia azy gne Raiko,ary ho avy Izay ary hanamboatry gne fidoboanay miaraky amigny. 24 Fa izay tsy tia Ahy da tsy mitandrigna gne zàkako. Gne zàka izay renareo da tsy avy amiko fa avy amè Ray izay naniraky Ahy. 25 Efa nozàkaiko taminareo ireo zavatry ireo, raha mbola nijanogna taminareo Aho. 26 Kanefa, ilay mpagnanatry-ilay Fanahy Masina, izay hirahin'gne Ray amè Anarako_izy gne hampianatry anareo gne zava-drehetry sy hampatsiaro izay rehetry nozàkaiko taminareo. 27 Fiadanako gne apetrako ho anareo; omeko anareo gne fiadanako. Tsy omeko ohatran'gne fanomen'izao tontolo izao izaà. Aza apetraky halahelo gne fonareo,ary aza matahotry. 28 Efa renareo Aho nizàka taminareo hoe:' Andeha Aho, ary hipody agny aminareo indray.'Raha nitia Ahy anareo, da tokotry hifalifaly satria handeha amè Ray Aho, satria gne Ray da zàkabe noho Izaho. 29 Ary nozàkaiko anareo dany mbola tsy mitranga izà, mba hino anareo, rehefa mitranga izà. 30 Tsy hizàka maro aminareo etsana Aho, fa efa ho avy gne mpnampaky izao tontolo izao. Tsy managna fahefana Amiko izy, 31 fa mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako gne Ray, da ataoko tahaka gne nandidian'gne Ray Ahy. Andeha hitsangana isika ary hiala ety."