Toko faha 15

1 "Izaho gne tena voaloboky, ary gne Raiko gne mpamboly. 2 Alay ato amiko gne sampagna rehetry izay tsy mamoa voankazo, ary tapay gne sampagna izay mamokatry mba hamoa voankazo zàkabe tokotry izà. 3 Efa madio anareo noho ilay hafatry izay nozàkaiko taminareo. 4 Midoboa ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Tahaka gne sampagna tsy afaka mamokatry voankazo amè voaloboky izà, da toy izà koa anareo, rahatsy midoboky ao amiko. 5 Izao gne voaloboky, anareo gned sampagna. Izay midoboky ato Amiko ary Izaho ao Aminy, da mamokatry beizy, fa raha tsy 6 misy Ahy da tsy mahefa na ino na ino anareo. Raha misy olo tsy midoboky ao Amiko, da ho aria taky gne sampagna izy ary haiazo, ary indreo managona ireo sampagna ary manary izà agny amè afo, ary amy indreo. 7 Raha midoboky ao aminareo ireo zàkako, angataho na ino naino irinareo, da ho atao aminareo izà. 8 Gne Raiko omem-boninahitry amin'izao, da gne hamokaranareo voankazo zákabe tokotry ka ho porofo fa mpianatro anareo. 9 Mitovy ame nitiavan'i Ray Ahy, gne nitiavako anareo. Midoboa ao amè fitiavako. 10 Raha mitandrina ireo didiko anareo, da hipetraky ao amè fitiavako, taky gne nitandremako ireo didin'gne Raiko sy nidoboako tao amè fitiavagny. 11 Nizàka ireo zavatry ireo taminareo Aho mba ho ao aminareo gne hafaliako ary mba ho feno gne hafalianareo. 12 Izao gne didiko, da gne hifankatiavanareo mitovy gne nitiavako anareo. 13 Tsy misy manam-pitiavagna zàkabe mihôtry noho izao, da gne manolotry gne ainy ho an'ireo namany. 14 Namako anareo raha manao ireo zavatry andidiko anareo ireo. 15 Tsy hangaiky anareo hoe mpanompoko etsana Aho,satria gne mpanompo da tsy mahafantatry izay ataon'gne tompo.Nangiako hoe namako anareo, satri gne zavatry rehetra izay reko tamin'gne Raiko,da nampahafantariko anareo. 16 Tsy nifidy Ahy anareo,fa Izaho gne nifidy anareo ary notendreko anareo mba andeha ka hamokatry, ary mba tokotry hidoboky gne vokatrareo. Natao izà mba na ino na ino angatahinareo amè Ray amè Anarako. da homeny anareo izà. 17 Iregny raha iregny gne andidiko anareo mba hifankatiavanareo. 18 Raha tsy tia anareo izao tontolo izao, fantaro fa tsy tia Anah izy talohan'gne tsy nitiavany anareo. 19 Raha avy amin'izao tontolo izao anareo, da ho tian'izao tontolo izao mitovy am'gnanazy anareo. Fa satria tsy an'izao tontolo izao anareo ary nofidiko hiala amin'izao tontolo izao, noho izà da tsy tian'izao tontolo izao anareo. 20 Tsarovy gne zàka nozakaiko taminareo hoe :'Gne mpanompo da tsy zakabe noho gne tompogny. ' Raha nagnia Anah indreo, da hagnia anareo koa; ary raha nitandrina gne zakako indreo, da hitandrigny gne anareo koa. 21 Hamboatry ireo zavatry rehetra ireo aminareo indreo nohon'gne Agnarako, satria tsy fantandreo Izy izay nagniraky Anah. 22 Raha tsy tonga sy nizàka tamindreo Iao, da tsy nagnota indreo, fa amin'izao tsy afa-miala amè fahotany indreo. 23 Izay tsy tia Anah da tsy tia gne Raiko avakoa. 24 Raha tsy nahavita ireo asa izay tsy nataon'gne olon-kafa teo anivondreo Iao, da tsy ho nanan-keloka indreo, fa amisia efa sady hitany gne halany Iaoo sy gne Raiko. 25 Fa izà da mba hahatateraky gne zaka izay voasoratry ao amè lalàndreo hoe : 'Tsy tia Anah amè tsy misy antony indreo.' 26 Rehefa ho avy ilay Mpagnanatry- izay hirako aminareo avy amè Ray, ilay, Fanahin'gne fahamarinagny, izay mijoso avy amè Ray-da hagnambara gne momba Anah Izy. 27 Anareo avakoa da mijoro vavolombelo satria efa nindray tamiko latam-boalohany anareo.