Toko faha 16

1 Nozakaiko taminareo izà zavatry rehetra izà mba tsy afa-baraky anareo. 2 Ho roahindreo ao amè synagoga anareo. Fa tonga gne andro rehefa hihevitry izay rehetra mamono anareo fa indreo da manolotry zavatry tsara ho an'Andriamanitry. 3 Ho ataondreo izà satria tsy mahalala gne Ray na gne Tegnako indreo. 4 Nozàkaiko anareo ireo zavatry ireo mba rehefa avy gne lerandreo, da ho tsaronareo fa efa nozàkaiko taminareo gne momba andreo. Tsy nambarako taminareo ireo zavatry ireo taloa tagny, satria mbola teo aminareo Iao. 5 Fa Aminisia ho agny amin'Ilay nagniraky Anah Iao, nefa tsy mbola nisy nagnontany Anah anareo hoe :" Handeha ho aiza me Anao?" 6 Fa satria nozàkaiko taminareo ireo zavatry ireo, da alahelo gne nameno gne fonareo. 7 Fa ambarako marina aminareo, tsara aminareo gne handehanako. Satria raha tsy mandeha Iao, da tsy ho tonga aminareo gne Mpampahery, fa raha mandeha Iao, da handefa anazy ho aminareo. 8 Rehefa tonga izy, da hanaporofo amin'izao tontolo izao ho diso momban'gne fahotà, gne fahamarinà, ary momban'gne fitsarà - 9 momban'gne fahotà gne mpagnanatry, satria tsy mino Anah indreo; 10 momban'gne fahamarinà, satria hody agny amè Ray Iao, ka tsy ho hitanareo esana; 11 ary momban'gne fitsarà, satria gne mpanampaky izao tontolo izao da notsaray. 12 Mana zavatry maro hozakay aminareo Iao, fa tsy ho azonareo gne hevitr'izà izao. 13 Kanefa, rehefa avy izy, Fanahin'gne Fahamarinà, da hitariky anareo ho amè fahamarinà rehetra, satria tsy hizàka avy amè tegnany izy. Fa hizàka izay rehetra reny izy, ary hizàka aminareo ireo zavatry izay ho avy. 14 Hanome voninahitry Anah izy, satria gne avy Aminah avao gne hambarany aminareo. 15 Izay rehetra anagna'gne Ray da Anah. Noho izà, nizàka Iao fa ilay Fanahy da hangala amin'izay Anah ary hizàka izà aminareo. 16 Afaky fotoa kidikidy da tsy hahita Anah esana anareo, ary afaky fotoa kidikidy hafa da hahita Anah indraiky anareo." 18 17 y teo gne sasany tamindreo mpianatriny nifampiresaky hoe : "Ino ary izà zàkainy antsika izà hoe : 'Afaky fotoa kidikidy da tsy hahita Anah esana anareo ary afaky fotoa kidikidy hafa da hahita Anah indraiky anareo,' sy hoe : 'Satria ho agny amè Ray Iao'?" 18 Noho izà da hoy indreo hoe : "Ino ary izà zàkainy izà hoe :' afaky fotoa kidikidy'? Tsy fantatray gne tiany hozakay." 19 Hitan'i Jesosy fa te-hagnotany Anazy indreo, da hoy Izy tamindreo hoe: "Iao gne agnontanianareo tegna, da gne tiako hambara amè fizàka hoe: 'Fotoa kidy sisa da tsy hahita Anah esana anareo, ary afaky fotoa kidikidy indraiky nefa da hahita Anah anareo'? 20 Zàkaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa hitagny anareo ary hitaraigny, fa izao tontolo izao koa hifaly. Ho feno alahelo anareo, kanefa ho lasa hafalia izà alahelonareo izà. 21 Rehefa mihetsi-jaza gne viavy raiky da malahelo satria tonga gne fotoa, fa rehefa teraky kosa ilay koboty, da tsy tadidiny esana gne alahelony nohon'gne hafalia fa nisy koboty teraky eo amin'izao tontolo izao. 22 Ka malahelo anareo amisia, kanefa Iao mbola hifakaita aminareo indraiky, ary ho faly gne fonareo, ary tsy hisy hangala izà hafalianareo izà aminareo. 23 Amin'izà andro izà da tsy hangataky aminah na ino na ino anareo. Ambarako aminareo, marina, da marina tokôtry, raha mangataky na ino na ino amè Ray amè agnarako anareo, da homeny anareo izà. 24 Hatramin'izao anefa tsy mbola nangataky na ino na ino tamin'gne agnarako anareo. Mangataha, da homeny anareo mba ho feno gne hafalianareo. 25 Efa nozàkaiko taminareo tamin'gne fagnohara ireo zavatry ireo, fa avy gne lera rehefa tsy hiresaky aminareo amè fagnohara esana Iao, fa kosa hizàka aminareo mazava gne momban'gne Ray. 26 Amin'izá andro izà da hangataky amè agnarako anareo ary tsy hizàka anareo Iao hoe hivavaky amè Ray ho anareo, 27 fa gne Ray mihitsy gne tia anareo satria nitia Anah anareo ary nino fa avy lahatagny amè Ray Iao. 28 Avy amè Ray Iao, ary tonga teto an-tany. Fa hiala izao tontolo izao Iao ary ho agny amè Ray." 29 Hoy gne mpianatriny taminy hoe: "Hiteo, Amisia Anao mizáka mazava tsara ary tsy mampiasa fagnohara. 30 Fantatray ankehitriny fa mahafantatry gne zava-drehetry Anao, ary tsy misy tinao hametraky fagnontania aminao. Noho izà, da mino izay fa avy amin'Andriamanitry Anao." 31 Namaly andreo Jesosy hoe: "Mino amin'izay anareo? 32 Indro, tonga izao gne fotoa, eny, tonga tokôtry, rehefa hiparitaky anareo, gne tsirairay samy agny amè tragnony avy manoka, da havelanareo raiky Iao. Nefa tsy raiky Iao satria miaraky amiko gne Ray. 33 Efa nozàkaiko taminareo ireo zavatry ireo mba hanagny fiadagna ato Amiko anareo. Managn'olagny anareo eto amin'izao tontolo izao, nefa mahereza: efa nandresy izao tontolo izao Iao."