Toko faha 7

1 Melkizedeka izany, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitry Avo Indrindra, izay nifanena tam'i Abrahama raha niverina avy nandresy gne mpanjaka sady nitahy anazy. 2 Izy gne nomen'i Abrahama gne ampahafolon'e raha aby. Gne agnarany hoe: ''Melkizedeka'' da midika hoe ''mpanjakan'e fahamarina.'' Gne agnarany hafa da ''mpanjakan'i Salema,'' izany da: ''mpanjakan'e fiadana.'' 3 Izy da tsy manan-dratsy, tsy manan-dreny, tsy mana razam-be, sady tsy mana fiatomboha gne andro sady tsy mana fiafara gne fiaina. Fa mitovy ame Zanak'Andriamanitry izy, satria mijano ho mpisorona mandrakizay. 4 Jereo gne hazakaben'io lelah io. Gne razambetsika Abrahama da nagnome gne ampahafolon'e raha izay azony tame ady. 5 Ame lafiny raiky, gne zanaka lahin'i Levy izay mandray gne fisorogna da mahazo beko avy ame lalana mba hagnangona gne amahafolon-karena avy am'gn'olo, izany da avy ame vatan'i Abrahama. 6 Fa ame lafiny raiky, Melkizedeka, izay tsy voasoritry avy amindreo taranany, da nangala ampafolo-karena avy tam'i Abrahama, sady nagnome tso-drano anazy, zay raiky nana gne fampagnategna. 7 Tsy misy fandava fa gn'olo farany ambany da omen'olo farany ambony tso-drano. 8 Amin'izany tranga izany da gn'olo mety maty da mandray ampafolo-karena, fa am'ity raha ity da voporofo fa mbola velo izy. 9 Ary ame fomba firesaky, Levy iza nangala ampafolo-karena da nandoa ampafolo-karena da nandoa ampafolo-karena tam'gn'alalan'i Abrahama avakoa, 10 satria Levyda tao agnatin'e tegnan'e razambeny raha nifakahita tam'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Am'izao andro izao da raha azo any am'gn'alalan'e fisorona levitika gne fagnatanteraha(fa tao ambanin'izany gne olo gne mangala gne lalana), da filana ino lotry gne mampisy hoan'e mpisoona hafa mba hampitsanga araky gne fomban'i Melkizedeka, sady tsy raisy araky gne fomban'i Arona? 12 Fa raha nova avakoa gne lalàna. 13 Fa gne raiky zay nirohony gne momba gne raha da an'e foko hafa, izay tsy midy olo manompo am'gn'alitara mitsy. 14 Fa mazava ankehitriny fa avy am'i Joda gne nahatanteraky gne Tomptsika, foko izay tsy norohonin'i Mosesy mitsy gne mikasiky gne mpisorona 15 Izay rohonotsika daefa mazava aha misy mpisorona hafa mitsanga am'gn'endrik'i Melkizedeka. 16 Tsy avy tame fototry gne lalan'e tranaky gne nofo gne nahavy anazy ho mpisorona, fa kosa avy tame fototry ne herin'e fiaina tsy mety levona. 17 Fa gne Soratry Masy da mijoro vavolombelo momba anazy hoe: '' Anao da mpisorona mandrakizay araky gne fomban'i Melkizedeka. 18 Fa nisy fagnafoagna gne didy taloha satria nalemy sy tsy nisy dikany izany. 19 Fa tsy nisy raha nanin'e lalana tonga lafatry. Nefa, misy gne fampidira fahatokia tsara kokoa ho an'e hoavy izay hagnatognatsika an'Andriamanitry. 20 Tsy niseho izany raha tsy nisy gne fandraisa fianiana. Ame lafiny raiky, gne hafa da tonga mpisorona tsy nila nitange. 21 Fa ame lafiny raiky hafa, ity raiky ity, Jesosy, da avy mpisorona tam'gn'alalan'e tange naniny e niroho taminazy hoe: ''Gne Tompo da nitange sady tsy hiova ame hevitriny hoe: ''Anao da mpisorona mandrakizay.'' 22 Tam'gn'alalan'izany koa Jesosy gne nagnome antoky gne fagnekem-pihavana tsara kokoa. 23 Ame lafiny raiky, da maro gne avy mpisorona satria gne fahafatesa gne manaka andreo hanohy. 24 Ame lafiny raiky hafa, satria Jesosy mitoetry mandrakizay, da mana fisorona mandrakizay izy. 25 Noho izany koa da afaky mamonjy tanteraky izay magnato an'Andriamanitry am'gn'alalany,satria izy da miaigny fezay mba hagnelagnelana ho andreo. 26 Fa gne mpironabe mitovy am'izany da mety ho atsika. Izy da tsy mana fahota, tsy mana-tsigny, madio, nosarahana tamindreo mpanota, sady avy ambony noho gne lagnitry. 27 Tsy mila izy, tsy mitovy ame mpisoronabe, hanolotry sorona isan'andro, gne voalohany ho andreo fahotann'e olo. Efa nagnano an'izany koa izy indraiky mandeha hoan'e rehetra, raha nagnome gne tegnany. 28 Fa gne lalana manondro gne olo izay mana fahaleme ho mpisoronabe. Fa gne zakan'e tange, izay avy tafaran'e lalana, da nanendry Zaza lelah izay nany ho tonga lafatry mandrakizay.