Toko faha 8

1 Sady gne fototy gne raha zakainy da izao: Atsika da mana mpisoronabe izay nipetraky tame tagna ankavanan'e seza fiandrianany zay be voninahitry agny an-dagnitry. 2 Izy da mpanompo ame toera masy, izay tabernakely mariny izay ny Tompo, fa tsy gne olo, gne nambotry anazy. 3 Fa gne mpisoronabe aby da notendre mba hagnome fagnomeza sy sorona. Noho izany da ilaina gne mana raha ho atolotry. 4 Sady raha tambony tany tetoa i Kristy da tsy ho mpisorona akory Izy, satria misy ireo izay manolotry fagnomeza araky gne lalana. 5 Indreo da manompo ame tabernakely izay tandindogny sy aloky gne raha agny an-dagnitry. Izany da mitovy ame nampitandreman'Andriamanitry hoe: ''Hiteo mba ho ataonao araky gne modely izay efa naboky anao tagny ambony ne vohitry gne raha aby.'' 6 Fa am'izao i Kristy da nangala asa fanompoa tsara lavitry. Izany da noho izy mpagnelangela avakoa ame fagneke tsara, izay mifototry ame fampagnategna tsara kokoa. 7 Fa raha tsy nana-tsigny izany fagneke voloany izany, da tsy nisy nilagny fagneke faharoa. 8 Fa raha nahita tsigny tame olo Andriamanitry, da hoy izy hoe: ''Hoavy ny andro- hoy gne Tompo-raha hagnano fagneke vaovao ame olon'Israely sy gne olon'i Joda Iaho. 9 Da tsy mitovy gne fagneke izay naniko niaraky tame razandreo tam'gn'andro izay nindesako andreo tame tagnany hiala avy tame tany Egypta izany. Fa indreo da tsy nagnaja tame nifagnike. sady Iaho tsy niraharaha andreo- hoy ny Tompo. 10 Fa izao gne fagneke izay ho aniko am'gn'olon'Israely afaran'gn'andro-hoy ny Tompo. Haniko ame saindreo gne lalako, sady ho soratako ame fondreo avakoa izany. Ho Andriamanitry ndreo Iaho, sady indreo ho oloko. 11 Indreo da tsy hampianatry gne mpiara-belo izy ame ralahany izay hizaka hoe: ''Fataro gne Tompo.'' Fa halala Ana gne rehetra, manomboky ame kidy indrindra ka hatram'nefarany gne zakabe amindreo. 12 Fa Iaho da hamindra fo ame tsy fahamarinandreo, sady tsy hatadidy gne fahotany esana.'' 13 Ame fizakana hoe: ''vaovao'', da nagnano gne fagneke voaloanyho taloha izy, sady izay efa lany andro sy efa antitry da efa akaiky ho levo tsy ho hita esana.