Toko faha 6

1 Avy tam'izany, aleo hapetratsika gne fanombohan'gne hafatry i Kristy ka hiroso ame fahamatora atsika. Aleo atsika mba tsy hametraky gne fototry gne fibebeha avy ame asan'e maty sy gne finoa an'Andriamanitry, 2 na gne fototry gne fampianara mikasik gne batisa, gne fametraha-tagna, gne fitsanganan'e olo maty sady gne fitsara mandrakizay. 3 Hagnano an'izany koa atsika raha omen'Andriamanitry. 4 Fa tsy hay any hoandreo izay efa nohazavay indray mandeha izany, izay nagnandra gne fagnomeza avy agny an-dagnitry, izay nangala gne Fagna Masy, 5 sady izay nagnandragne zalkan'Andriamanitry sy gne herin'e vani-potoa hoavy, 6 nefa avy eo da lavo- tsy hay any gne mamery andreo ame fibebaha. Izany da ovinindreo hoan'e tegnandreo gne Zanak'Andriamanitry, sady nalainy baraky ampahibemaso. 7 Fa gne tany izay mitroka gne eriky matetiky avy am'izany, sy izay mamokatry gne zava-maniry ilain'e olo izay niasa gne tany- io gne tany izay mandray fitahia avy amin'Andriamanitry. 8 Fa raha mamokatry fantsy izany, da tsy misy ilana anazy sady efa akaiky gne fagnozogna. Gne fiafaran'izany da avy ame fireheta. 9 Fa iahay da resy lahatry gn'am'reo raha tsara koa momba anareo, o malala, gne raha makasiky gne famonje, na da mizaka ako izany aza iay. 10 Fa Andriamanitry da tsy mba tsy mariny ka hagnadigno gne asanareo sy gne fitiava izay nasehondreo noho gn'agnarany, satria anareo da nanompo gne mpino sady mba manompo andreo hatrany. 11 Mikiry mafy iay mba hanehoa fahazotoa mitovy ame farany ne tsiraikiraiky aminareo ho antoky gne fahatokia feno. 12 Izany da mba tsy ho lasa kamo anareo, fa ho mpangala tahaky andreo mpandova gne fampagnategna ame finoa sy fiareta. 13 Fa tamin'Andriamanitry nagnano gne fampagnategna tam'i Abrahama, da ninia tame Tegnany Izy, raha tsy afaky ninia tame olo zakabe kokoa. 14 Hoy Izy hoe: '' Iaho da hitahy anao tokotry, sady tena hahamaro anao.'' 15 Tam'izany fomba izany, da nahazo izay nampagnategnay tafaran'e nandraisany tami- pahareta Abrahama. 16 Fa gne olo da miania ame olo izay zakabe kokoa noho gne tegnandreo. Isakin'e tapitry gne fifamaliandreo, da misy voady izay nany ho fagnamafisa. 17 Raha nana-pakevitry gne hampiseho mazava kokoa tamindreo mpandovan'e fampagnategna gne tsy fiovan'e kalitaon'e tanjony Andriamanitry, da nomeny antoky tame voady izany, da nomeny antoky tame voady izany. 18 Naniny izany mba ho amin'e alalan'e raha tsy azo ovaina anakiroa- izay tsy hain'Andriamanitry gne mivandyam'izany- da hana fampahereza matazaky mba hitazoma mafy gne fahatokia izany napetraky takatrefatsika, izay nilefa mba hanagna fialofa 19 Mana izany toky izany atsika ho aro sy vatofatsika azo hiakina hoan'e fagnatsika, fahatokia izay miditry ame fipetraha agnatiny ao ambadiky gne lamba. 20 Jesosyk niditry tam'izany fitoera izany mitovy ame mpialoha lalan ho atsika, ka lasa mpisoorombe mandrakizay manaraky gne fomban'i Melkizedeka.