Toko faha 3

1 Fa fantaro ity: am'gne andro farany da hisy fotoa sarotry. 2 Satria gne olo ho ten atia tegna , tia vola, ho mpirehareha, ho mpidoka tegna, ho mpanevateva an'Andriamanitry, tsy manoa gne ray aman-dreny, tsy misaotry, sady tsy masiny. 3 Tsy hanam-pitiava gne havany indreo, mpanohitry, ho mpagnisy tobotiky, tsy hafehy tegna, hahery setra, tsy ho tia gne tsara. 4 Ho mpamadiky indreo, tsy misy eritreritry, mpagnambony tegna,toia fahafinareta mihotry gne tian'Andriamanitry. 5 Hana gne toetry akô gnan'Andriamanitry indreo, nefa da handà gne heriny. Mialà am'iregny olo iregny. 6 Satria gne sasany amindreo da lelah izay miditry an-dragno sady mambabo gne viavy mola. Indreo viay zay tsy afaky ame fahota sy votariky ame sitrapo isakarazany. 7 Ireo viavy ireo da mianatry fezay nefa tsy avy ame fahafatara gne fahamarina mitsy. 8 Akô iza avakoa i Jana sy i Jambra nitsanga nanohitry an'i Mosesy. Tamin'iza da nitsanga avakoa gne ramose sandoky zay nanohitry gne mariny. Indreo da lelah simba fisaina, tsy neke tame finoa. 9 Fa tsy hoavy lavitry indreo. Satria gne hamolany da ho hita mazava ame olo rehetra , akô ireo lelah ireo. 10 Fa raha ho anareo, da efa agnaraky gne fampianarako, gne findesa, gne fikasa , gne fiareta, 11 gne fagnenje, gne fijalia ary gne raha niseho tamina tagny Antioka, tagny Ikonioma sady tagny Lystra. nieretako aby gne fagnenjeha nany ana. Avy tamindreo gne namonjen'i TOmpo ana. 12 Gne olo te hiaigny araky gne fomban'ANdriamanitry ao am'i Jesosy Kristy da ho enjehy. 13 Gne olon-dratsy sy gne mpisandoky da alefa ame ratsy. INdreo da hitariky gne olo sasany hoame lala diso. Ary indreo tegnany avakoa da votariky tam'iza. 14 Fa raha anareo, da mipetraha ame raha izay efa nianaranareo sy zay efa ninoanareo mafy hoe avy tamin'ia gne efa nianaranareo. 15 Fantanareo fa lata ame fahazava da efa nahalala gne soratry masy anareo. Izny da hampanakagna anareo ho ame famonje am'gn'alaln'gne finoa an'i Jesosy Kristy. 16 Gne soratry masy aby da avy tame tsindrimandrin'Andriamanitry. Iza da tombony hoan'e foto-fampianara, ho ane fanondroa gne diso, ho an'e fagnitsia , sady hoan'gne fampiofana ame fahamarina. 17 Izany da mba hahavy sy havaoma tateraky ame asa tsara rehetra.