Toko faha 4

1 Iaho da nagnome an'ity didy ity eo akatrefan'Andriamanitry sy Jesosy Kristy, izay hitsara gne velol izy ame maty, sady avy am'iza gne hiboany sy gne fanjakany. 2 Mitoria gne roho. Mivonogna na ame fotoa na tsy ame fotoa. Magnanara, mirohona mafy, mamporisia, amim-pahareta sy gne fampianra rehetra. 3 Satria hoavy gne fotoa izay tsy hazakan'olo gne feon'e fampianara. Nefa indreo da hifidy mpampianatry hoanazy araky gne fagniriany manoka. Ireo da hagnitikitiky gne sofindreo. 4 Hangala gne fitenomandreo ame fahamarina iza, sady hivily ho agny am'gn'angano iza. 5 Nefa da eritrereto tsara gne raha rehetra. Hereto gne raha sarotry, anio gne asan'gn'evanjelista; anio gne fanomponareo. 6 Satria efa home sahady iaho. Efa avy gne fotoa hialako. 7 Iaho da efa navita gne ady tsra; efa navita gne hazakazaky iaho; rfa notanako gne finoa. 8 Gne satro-boninahitry ne fahamarina da efa natoka ho ana, izay nomen'ny Tompo, izay mpitsara mariny, ho ana am'iza andro iza, sady tsy ho ana raiky avao, fa hoan'e olo aby zay nakatia gne fisehoany. 9 OMeo izay tsara avy aminao mba handeananao aty amina malaky. 10 Satria i Demasy da efa nandao ana. Tiany izao tontolo izay sady efa nandea tagny Tesalonika izy. Kreska da nandea tagny Galatia, ary Titosy nakagny Dalmatia. 11 I Lioka raiky avao gne niaraky tamina. Alay i Marka sady ento miaraky aminao izy satria ilaiko ame asa. 12 Tykiko da nalefako tagny Efesosy. 13 Gne lamba zay napetrako tao Troasy miaraky ame Karpo, indeso igny raha avy anao, gne boky indrindra izay mifogno hoditry. 14 Aleksandro mpanefy varahigny da nampibaribary gn'asa ratsy maro tamina. Gne Tompo da hamaly anazy araky gne asa naniny. 15 Anao avakoa da tokony hitandry gne tegnanao aminazy, satria izy da manohitry mafy gne rohonay. 16 Tame fiarova-tegnako voloany, tsy nisy nanohagny ana. Nefa, gne olo aby da nandao ana. Aleo mba tsy voheloky am'iza indreo. 17 Fa gne Tompo da nitsanga tagnilako sady nankahery ana mba am'gn'alalako, gne fagnambara da afaky amboary tateraky sady mba afaky tenoman'e Jentilisa aby. Iaho da avotry tame vavan'e liona. 18 Gne Tompo da nagnavotry ana tame asa ratsy aby sady hamonjy ana ame fanjakany agny an-dagnitry. Ho Anazy gne voniahitry mandrakkizay doria. Amena. 19 Anio veloma i Prisila, i Akoila, sady gne havan'i Onesiforosy. 20 Erasto da nipetraky tao Korinto, fa i Trofimo da nilozako fa narary ao Mileto. 21 Omeo gne raha tena tsara avy aminao mba hiavian'aloan'e ririgny. Mamboara veloma anao i Eolobolo, ary Poda avakoa, Lino, Klaodio, ary gne rahala aby. 22 Hiaraky ame fagnanao i Tompo. Ho aminareo gne fahasoava.