Toko faha 2

1 Avy am'iza anao zanako, da mahereza ame fahasoava izay ao am'i Jesosy Kristy. 2 Gne raha renareo avy tamina takatrefan'e vavolombelo maro, da hankino ame olo matoky izay afaky hampianatry gne sasany koa. 3 Mihareta ame raha sarotry miaraky amina, akô gne miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. 4 Tsy misy miaramila manompo raha mbola voftandriky gne raharahin'izao fiaina izao, mba afahany mampifaly gne lehibeny. 5 Sady raha misy olo mifanina ako gne mpiazakazaky, da tsy mangala gne satro-boninahitry izy raha tsy mafanina am'gn'alalan'e fitsipika. 6 Ilay gne fandraisa gne mpamboly izay miasa mafy gne anjara vokatry voloany. 7 Eritrereto gne raha zakaiko, fa gne Tompo gne nagnome anareo gne fatakara ame raha rehetra. 8 Tadidio i Jesosy Kristy, avy ame taranak'i Davida, izay natsanga tame maty. Iza da araky gne hafatry gne filazatsarako, 9 izay mampijaly ana ame famatora ako mpamono olo. Fa gne zakan'Andriamanitry da tsy vofatotry. 10 Noho iza, da hiaretako gne raha aby hokan'e vofidy, mba ho afaky hangala gne fagnavota izay am'i Jesosy Kristy avakoa indreo, miaraky ame voninahitry mandrakizay. 11 Ity roho ity da mendri-pitokisa: ''Raha maty niaraky taminazy atsika da ho velo hiaraky aminazy avakoa. 12 Raha miaritry atsika da hanjaka hiaraky aminazy. Raha mandà Anazy atsika, da handà atsika Izy. 13 Raha tsy matoky atsika , da hatoky fezay Izy, satria tsy afaky mandà gn'ainy Izy.'' 14 Ampitadidioa anazy iregny raha iregny. Ampitandremo indreo raha akatrefan'Andriamanitry mba tsy hiady momba gne roho. Noho io da tsy misy raha ilaigny. Noho io da misy fahasimbaha hoandreo zay miteno. [Fagnamariha: gne dikan'e zaka sasany da bvaky ako ho: ''Ampitandremo akatrefan'Andriamanitry indreo.''] 15 Omeo gne tsara avy aminao mba hagnomezanao tegna hoan'Andriamanitry ako gne olo heke, mpiasa izay tsy mana antony hahamenara, izay mampianatry gne rohon'e fahamarina ame tokony ho izy. 16 Hialao gne roho manevateva, izay minday tsy kidikidy ame faratsiam-pagna. 17 Gne rohondreo da hiboely ako bay mandoky eo agnivon'gne Hymeo sy Fileto. 18 Indero da lelah tsy nalala gne mariny. Miroho indreo fa tsy fitsangana ame maty da efa niseho.Simbandreo gne finoan'e sasany. 19 Ndre da iza aza, gne fototry mafy orin'Andriamanitry da mitsanga. Mana ity soratry ity: ''Gne Tompo da mafantatry gn'anazy'' sady ''Izay rehetra mitogno gn'agnaran'i Tompo tsy maintsy miala ame tsy fahamarina. 20 '' Ame tragnon'e mpanakare da tsy gne fagnisia volamena sy vlafotsy avao gn'ao. Misy avakoa gne fagnisia gne kakazo sy gne tanimanga. Gne sasany amindreo da hoampiasay amim-boninahitry ary gne sasany hoame fahafam-baraka. 21 Raha misy olo magandio gn'ainy ho afaky ame fahafam-baraka da fagnisia gne mana-kaja izy. Izy da votoka, ilain'e Tompony, sady voaoma ame asa tsara rehetra. 22 Milefasa ame filan'e tanora. Mitadiava fahamarina, finoa, fitiava, sady fihavana miaraky am'izay mangaiky gne Tompo ame fo madio. 23 Nefa mandàva gne fagnotania mola sy tsy misy dikany. Fantanareo fa miteraky ady ireo. 24 Gne mpanompon'e Tompo da tsy tokony miady. F atsy maitsy malemy fagna ame rehetra izy, mahay, mahay mampianatry sady maharitry. 25 Tsy maitsy ao ame fahaleme-pagna gne ampianarany ireo izay manohitry anazy. Fa Andriamanitry angamba mety hagnome andreo fibebaha hoan'e fahalala gne mariny. 26 Mety hody gne fisaignandreosady hiala gne fandriky gne devoly, raha avy nosambory tam esitrapony.