Toko faha 8

1 Tianay ho fantatrareo, rahalaha, gne momban'gne fahasoavan'Andriamanitry izay nome tamé ndreo fiangonan'i Makedonia. 2 Nandritry gne fitsapa zakabe ame gne fahoria, gne filasaky gne hafaliany sy gne fara-fahantra ndreo da niteraky haren-zakabe gne falalan-tagna 3 Satria mijoro vavolombelo i aho fa nagnano be arak'izay vitany indreo, sady mihoatry an'izay vitany aza. Sady tamé gne sitrapondreo manoka 4 sy niaraky tamé gne fitalahoa mafy gne nangatahandreo taminay gne fahafaha mba hana anjara amin'ity asa fanompoa eo ame ndreo mpino ity. 5 Tsy niboky arak'izay nantegnainay izany. Nefa, nanolotry gne tegnany mialoha tamin'Andriamanitry indreo. Sady nanolo-tegna ho anay indreo tamé gne sitrapon'Andriamanitry. 6 Ka nandrisiky an'i Titosy iay, izay efa nagnatomboky an'iza asa izany, mba hagnatanteraha gne fahasoava aminareo. 7 Fa anareo da mana-karé ame raha agnaby, ame finoa, ame zaka, ame fahalala, ame fahazotoa, ary ame fitiavamnareo anay. Ka anio gne azahoa antoky mba hanagnan-drahaam'iza asa fahasoava izany anareo. [GNE ULB sy UDB, miaraky ame fandika gne zaka maro hafa, da mivaky akô izao: ''Ame fitiavanao anay.'' Gne fandika gne zaka da mivaky akô izao: ''Ary ame fitiavanay anareo'] 8 Tsy mizaka izany akô gne didy iaho. Fa mizaka izany iaho mba ho fitsapa gne fahamarina gne fitiavanareo ame fampitovia an'iza ame fahazotoa-pon'olo hafa. 9 Satria lalanareo gne fahasoavan'i Jesosy kristy Tompontsika. Ndre da nana-kare aza izy, da lasa sahira avy aminareo, ka am'gn'alalany gne fahasahira gne mety hampanan-kare anareo. 10 Am'iza rersaky izany da hagnome torohevitry anareo iaho mba hagnampia anareo. Tao raiky lasa iza, da tsy nanomboky nagnano raha fatany anareo, fa nikiry gnagnamboara an'iza. 11 Androany da amboary izany, akô gne nampisy gne fazotoam-po sy gne fikiria hagnano an'izany, da lonoky ho tanterakareo izany, arak'izay azonareo ho anÿ. 12 Satria raha magniry mafy gne hagnano an'iza asa izany anareo da raha tsara sady azo eke izany. Tsy maintsy mifototry am'izany hanagnan'olo raiky an'izany fa tsy izay tsy anagnany. 13 Fa iza asa izany da tsy hagnameva gne hafa sady tsy hapavesatry anareo. Kanefa tokony ho hisy avao gne rariny. 14 Gne hare nareo am'izao fotoa izao da hagnome izay ilaindreo. Ka izan da midka fa harendreo da hisy hagnomeza zay ilainareo koa. Ary mba hagnomezandreo gne rariny. 15 Araky izay efa voasoratry da hoe: ''Zay mana maro da tsy nana ambiny, ary izay nana kidikidy da tsy nana gne tsy ampy.'' 16 Fa an'Andriamanitry gne fisaora, izay nagnapetraky gne famatora tam-pon'i Titosy izay anagnako aminareo. 17 Fa izay tsy nagneky gne fangiantsika nefa matotry tam'izany avakoa. Nagnato anao tame sitrapony manoka izy. 18 Nalefanay izy niaraky tame rahalah izay noderay tafovoan'e fiangona rehetra noho gne asa fitoria filazantsara. 19 Tsy iza avao, fa izy koa da nofidin'e fiangona mba handea hiaraky aminay khinday gne asan'e falala-tagna izao. Izany da ho an'e voninahitr'izy Tompo sy hoan'gne fagnirianay mba hagnampy. 20 Mitandrigny iay gn'ame mety hisian'e olo mitaray momba anay mikasiky an'iop adsa fahalala-tagna izay aninay io. 21 Ka mila mitandrigny iay mba hagnano gne tsara, fa tsy akatrefan'e Tompo raiky avao, fa koa akatrefan'gn'olo. 22 Mandefa lelah raiky hafa avakoa iay miaraky amindreo. Matetiky iay gne nitsapa anazy, ary nahita anazy mafana fo tame asa marobe. Mazoto lotry izy am'izao andro zao noho gne fatokisa zakabe izay anagnanay aminareo. 23 Raha gn'am'i Titosy,izy gne namako sy mpiaraky miasa amina ho anareo. Raha gne ame ralahalanay, da nalefan'e fiangona aby indreo. Voninahitry ho an'i Kristy indreo. 24 Ka abohay andreo gne fitiavanareo, ary abohoay ame fiangona gne antony gne fireharehanay mikasiky anareo.