Toko faha 9

1 Mikasiky gne asa fanompoa hoan'e mpino, tsy tegna ilaiko gne manoratry ho anareo. 2 Fantako gne momba gne fagnirianareo, izay ireharehako am'g'olon'i Makedonia. Nizakaiko andreo fa i Akia da efa vono nanomboky tame tao lasa. Gne zotom-ponareo gne nandrisiky gn''akamaroandreo hiasa. 3 Ka nirahako gne ralaha mba tsy hisy dikany gne fireharehantsika mikasiky anareo, ary mba ho vony anareo ,araky gne efa nizakaiko taminareo. 4 Raha atsy izany, raha ,misy Makedonia maro miaraky amina ary mahita anareo mbola tsy vono, da ho megnatry atsika-tsy mizaka na ino na ino mikasiky anareo iaho-noho gne fahatokisa anareo. 5 Ka mandiniky iaho fa ilaigny gne mandrisiky gne ralah handea aminao sady hagnano fifagnaraha aloha ame gne fagnomeza izay nampagnategnainao. Izany da afaha mivonogny akô gne fitahia, fa tsy akô gne raha tsy azo eke. 6 Gne tegna izy da ity: Gne olo mamafy raha kidikidy da hihila kidikidy avakoa izy, ary gne raiky zay mamafy ame tanjom-pitahia da hihila fitahia avakoa. 7 Apretray gne tsiraikiraiky hagnome araky izay namboariny tame fony. Aza ambela hagnome amim-phoria sy amin-katere izy. Fa gne magnome am-pifalia gne tian'Androamanitry. 8 Gn'Andriamanitry da afaky mampitombo gne fitahia ho anao, ame raha aby sady afaky hahazo zay ilainareo aby anareo. Izany gne misy da mba afahanareo magnatombo gne asa soa anareo. 9 Izany da araky gne vosoratry hoe: ''Nizarainy gne hareny ary nomeny an'e sahira. Maharitry mandrakizay gne fahamarignany.'' 10 Izy izay magnome vokatry gne mpamboly izay mamafy gne moflo hoan'e hany, da hagnome sy hampitonbo gne vokatrinao avakoa ame famafaza. Hampitombo gne vokatry gne fahamarinanao izy. 11 Hahazo hare ame fomba rehetra mba halasa anao ho malala-tagna. Izany da hinday fampisehoa-p[isaora an'Aandriamanitry am'gn'alalanay. 12 Gne fagnatanteraha an'io asa fanompoa io da tsy vitan'gne hoe mahafeno gne raha ilain'e mpino avao. Mitombo avakoa izany ame asa fagnomeza-pisaora an'Andriamanitry maro be. 13 Fa noho gne fitsapa anareo izay voaporofo amin'io asa io, da hagnome voninahitry an'Andrimanitry avakoa anareo ame fankatoava gne fifonahanareo ame filazantsaran'i Kristy. Da hagnome vononahitry an'Andriamanitry avakoa anareo ame fahalala-tagna nareo ame fagnomeza ho andreo sy gne olo aby. 14 Magniry anao indreo, sady mivavaky ho anao. Magnano izany indreo noho gne hazakaben'e fahasoavan'Andriamanitry ao aminao. 15 Ho an'Andriamanitry gne fisaora noho gne fagnomezany tsy hay zakay.