Toko faha 7

1 Ireo malalako, hatrame nanagnatsika gne fizakàn'gne fikasaha da aoky ataika hagnadio gne tegnatsika ame raha aby izay mahavy gne fahalotoha ame vatagny sy gne fagnatsika. aleo atsika hitady gne fahamasina ame fahatahora an'Andriamanitry. 2 Alay iay! Fa tsy nagnano ratsy tamin'ia na tamin'ia.Tsy navoratry na nagnararaotry na ia na ia iay. 3 Tsy hagnameloky anareo gne hizakako izany. Fa efa nizakaiko fa ato am-ponay anareo, fa miaraky maty sady miaraky velo atsika. 4 Mana fahatokisa zakabe aminareo iaho, sad mirrehareha noho gn'aminareo. Feo fampionogna aho. Misesisesy gne hafaliako ndre da eo gne famijalila rehetra. 5 Raha avy tagny Makedonia iay, tsy nana fangala valaky gne ainay. Noho izany nalehelo tame fomba rehetra iay noho gne ady tagny ivelnay,sy gne tahotry tagn'aty. 6 Fa Andriamanitry,izay nankahery gne kivy, nankahery anay tame fihavian'i Titosy. 7 Tsy tam'gn'alalan'gne fihevisany avao gne hankaherezan'Andriamanitry atsika. Fa tame fankahereza noresin'i Titosy taminareo. Mizaka amisika izy gn'ame hazakaben'e fitiavanareo sy gn'alahelonareo ary gne fitahianareo ana tokôtry. Ka ho faly mandrakizay iaho. 8 Ndre da nampalahelo anareo gne taratasiko, da tsy nampanegny ana iza. Fa nanegny tam'izany iaho raha nahiita fa nampahory fo anareo gne taratasiko. Fa nalahelo nandritry gne fotoa fohy anareo. 9 Am'izao fotoa izao da faly iaho, tsy hoe malahelo anareo, kanefa gne alahelonareo gne hinday anareo ho ame fibebaha. Anareo da niaigny gne fahoria ao ame Zagnahary, ka tsy nisy very gne raha nijalianareo ho anay. 10 Gne fahoria amin'Andriamanitry da minday fibebaha gne mba hahatantetraky gne famonje tsy misy fanegnena. Ndre da izany da gne alahelon'izao tontolo izao da mitondra fahafatesa. 11 Hiteo eky e hambehaza vokatry gne fijalianareo tame fahoria ao amin'Andriamanitra. Zakabe tokotry habehaza e fijalia taminareo mba hagnaporofoa fa tsy manan-tsigny anareo. Zakabe tokotry gne habehaza gnavigniranareo, gne tahotranareo, gne alahelonareo, gne zotom-ponareo, sady gne fagnirianareo ahita gne fahamarina izay tokony hany! Ame raha rehetra da nagnaporofo tamé gne tegnanareo anareo mba tsy ho diso amin'izany raharaha izany. 12 Na da nanoratry taminareo i aho,I aho da tsy nanoratry hoandreo mpagnano ratsy, na ho an'gne raiky izay miharitry gne ratsy. Nanoratry i aho mba tokony hampahafantary gne fahazotoanareo teo aminay eo agnatrehan'Andriamanitry. 13 Tame gn'alalanizany gne nampahereza anay. Mihotry nohon'e fampahereza izay efa anagnanay, Tsy homby tratra gne fifaliany nohon'e fifalian'i Titosy, satria gne efa niheritreretiny da velombelogne noho gne aminareo rehetra. 14 Raha i aho gne nirehareha tame gne momba nareo, da tsy mba afa-baraka aho. Mifanohitry amin'izany, gne raha rehetra izay nizakanay taminareo da marina aby, gne fireharehanay momba nareo tamin'i Titosy da voaporofo fa marina. 15 Gne fitiavany anareo da zakabe tokotry, mitovy gne nahatsiarovany gne fankasitranareo rehetra, dinio gne fandraisanareo azy tame gne tahotry sady magnitakitaky. 16 faly i aho satria mana fahatokia tanteraky taminareo.