Toko faha 6

1 Miaraha miasa aminazy, iay avakoa da mandrisiky anareo tsy hangala gne fahasoavan'Andriamanitry fahatany. 2 Fa nizaka izy hoe: ''Tame fotoa mety da niteno anareo Iaho, ary tame gn'andron'e famonje da nagnampy anareo Iaho. Hiteo, am'izao gne fotoa mey. Hiteo,a'izao gn'andron'e famonje. 3 Tsy magnapetraky vato matafitoha agn'olohan'ia na ia iay, fa iay tsy mikiry gne hampalazaratsy gne asa fanompoanay. 4 Fa iay da magnaporofo gne tegnanay ame gn'asanay agnaby, fa mpanompon'Andriamanitry iay. Iay gne mpanompony ame fiareta zakabe, ame fijalia, ame fahavovozoa, ame fahasarota, 5 am'ireo vango, ame fagnagadra, ame fikomia, ame asa mafy ,am'ireo aligny tsy misy fatoria,ame mosary, 6 ame fahadiova, fahalala, fiereta, fahatsora-po, ame Fagna masy, ame tegna fitiava. 7 Iay gne mpanompony ame zakan'e fahamarina, am'gne herin'Andriamanitry. Iay da mana gne fiarovan'e fahamarina am'gne herin'Andriamanitry. Iay da mana gne fiarovan'e fahamarina ho an'gne tagna ankavana sy ankavia. 8 Iay da miasa ame voninahitry sy ame fangala-baraka, ame fagnaratsia sy gne fiderà. Iay da nasia kobotiky ho mpamitaky nefa iay da olo marigny. 9 Iay da miasa akô iregny olo tsy misy mafantatry iregny nefa iay da mbola malaza. Miasa akô olo ho faty iay- hiteo fa mbola miaigny iay. Miasa iay akô olo ho sazÿ noho gne asanay nefa tsy akô gn'aniny gne hovinÿ. 10 Iay da miasa akô gne malahelo, nefa da mifaly fezay. Iay da miasa akô gne sahira ,kanefa da mampana-karer olo maro iay. Miasa ako tsy mana na ino na ino iay kanefa ako mana gne raha rehetra. 11 Iay da nizaka gne mariny rehetrataminareo, ry Korintiana, gne fonay da misokatry midagnadagna. 12 Gne fonareo da tsy nofehezinay, fa anareo gne nifé gne fihetse-ponareo manoka. 13 Ary mba ho valiny izany ara-dalana- mizaka aminareo akô gn'anin'e zaza madiniky iaho- sokafy hidagnadagna gne fonareo. 14 Ka mifamatotry am'ireo tsy mpino. Fa ino me gne hindraisan'e fahamarina ame fandika lalàgna? Fa ino gne hiarahan'e mazava ame mizy? 15 Ino gne mety hifagnaraha gn'eo am'i Kristy sy Beliala? Na ino gne tokony gn'anjaran'e mpino raiky sy mae tsy mpino raiky? 16 Ary ino me gne fifagnaraha misy ame eglizin'Andriamanitry sy gne fanompoa sampy? Fa atsika da tempolin'Andriamanitry velo, araky gne'efa nizakain'Andriamanitry hoe: ''Hipetraky amindreo Iaho ary handeha amindreo. Iaho da ho Andriamanitr'indreo ary indreo da ho oloko.'' 17 Noho izany,'' Mizotsoa iala amindreo sady mitokana,'' hoy gne Tompo: ''Ka mikasiky raha maloto, ary Iaho hangala anareo. 18 Iaho da ho Iabanareo, ary anareo da ho zanako lelah sy ho zanako viavy'', hoy gne Tompo Tsitoha