Toko faha 5

1 Fantatrintsika fa raha rava gne fipetraha eto an-tany izay idoboatsika, da mana tragno avy amin'Andriamanitry atsika. Iza da tragno tsy namboarin'e tagnan'olombelo,fa tragno mandrakizay, agny an-dagnitry. 2 Fa ety am'ity tragno ety atska da malahelo,magniry mafy gne hitafy gne fipetrahatsika agny an-dagnitry. 3 Magniry mafy an'iza atsika satria ame famboaratsika iza da tsy ho hita mikozy atsika. 4 Fa raha mbola eto amin'ity tragno ity atsika, da malahelo, mavesatr'entá. Tsy ta hikozy atsika. Kanefa, te hisiky atsika , mba ho atelin'gne fiaina izay mety maty. 5 Ilay raiky izay nagnoma atsika am'izany raha izany da Andriamanitry, izay nagnome atsika gne Fagna ho fagnambara izay ho avy. 6 Noho izany da matokia hatrany. Mitongava say fa raha an-dragno ame tegnatsika atsika dalavitry gne Tompo. 7 Fa mandeha mae finoa atsika, fa ts ame fatiha. 8 Noho iza ny da mana fatokia isika. Aleotsika lavitry gne vatagny an-dragno miaraky am'i Tompo 9 Ka da anitsika tanjognbizany, ndre da an-dragno isika na lavitry izany, mba hahafinaritry Azy. 10 Fa atsika ab da hiseho sinitry agnoloan'e seza fitsaran'i Kristy, mba azahoan'e tsiraikiraiky gne mifagnaraky ame raha vitany tame vatagny, na ho ame tsara na ho ame ratsy. 11 Noho izany, gne fahafantara gne tahotry gne Tompo, gne handresetsika lahatry gn'olo. Gne maha atsika antsika da hitan'Andriamanitry mazava. Magnategna iaho fa mazava ame feon'e fieritreretanareo avakoa izany. 12 Tsy miezaky handresy lahatry anareo koa iay fa mba hagnety anay mitovy ame mahitsy fo. Fa magnome antony ho anareo hirehareha nohon'gn'aminay iay, mba hanagnanareo valin'e zaka ho andreo izay mirehareha am'gn'endriky ivelany fa tsy gn'am-po. 13 Fa raha very say iay, da hoan'Andriamanitry iizany;ary raha tonga say tsara iay, da ho anareo izany. 14 Fa gne fitiavan'i kristy gne mampirisiky anay, satria azonay antoky gne hoe: nisy olo raiky maty hoan'gn'olo aby ary noho izany da maty gne rehetra. 15 Maty Izy hoan'gne rehetra,mba tsy ho velo hoan'etegna ndreo esana indreo zay velo fa ho Anazy izay maty ary natsanga nohon'gne fitiava andreo. 16 Noho izany antony izany, manomboky androany da tsy mitsara na ia na ia araky gne fomba n'gn'olombelo atsika, ndre da efa nahita an'i Kristy mitovy am'izany atsika taloha. Fa am'izao andro zao atsika da tsy mitsara na ia na ia esana. 17 Noho izany, raha misy oloao ao am'i Kristy, da olom-baovao izy. Efa lasa gne raha taloha. Hiteo fa efa lasa vaovao indreo. 18 Ireo zavatry rehetra ireo da avy amin'Andriamanitry. Nampevaniny tame Tegnany tam'gn'alalan'i Kristy atsika, sady nomeny atsika gne asa fagnompoa fivavaha. 19 Izany hoe, ao am'i Kristy Andriamanitry gne mampihava izao tontolo izao ame Tegnany, tsy magnisa gne fahadisovandreo amindreo. Nankiny taminay gne hafatry gne fampihavagna. 20 Ka votendry ho mpisolo tegna an'i Kristy iay, mitovy am'gn'alalanay gnagnamboaran'Andriamanitry gne fangiany. Miangavy anareo iay noho i Kristy: ''Mihavagna amin'Andriamanitry!'' 21 Naniny tonga soro hoan'gne fahotantsika i Kristy. Izy raiky gne mbola tsy nanota miihitsy. Naniny izany mba ho lasa fahamarignan'Andriamanitry aminazy atsika