Toko faha 4

1 Noho izany, satria iay mana izany asa fanompoa izany, sady avy nahazo famindra-po, da kivy iay. 2 Kanefa, tsy nekenay ireo fomba mahamegnatry sy mifiny. Tsy miaigny ame fitaky iay, ary mampiasa gne marin'gne zakan'e Zagnahary. Ame fagnaboha gne marigny, iay da mibeko gne tegnanay ame feon'gne fieritreretan'gne olo mba hindesy amason'Andriamanitry. 3 Fa raha takofa gne filazantsaranay, izany da ho takofa amin'izay maty raiky avao. 4 Ame raha miseho amindreo, gn'andriamanitr'izao tontolo izao da najamba gne say tsy mino indreo. Avy am'izany, tsy afaka magnety gne fahazavan'gne filazantsaran'gne voninahitr'i Kristy indreo, izay taren'n'Andriamanitry. 5 Fa iay tsy mizaka gne tegnanay, fa i Jesosy kristy akô ame Tompo, ary iay da akô gne mpanomponareo noho gne am'i Jesosy. 6 Fa Andriamanitry da izay raiky nizaka hoe: ''Gne fahazava hamirapiratry ame mizy.'' Izy ne namirapiratry tame fonay, mba hagnome gne fahazavan'gne fahalalà gne voninahitr'Andriamanitry ame fagnatrehan'i Jesosy Kristy. 7 Fa iay mana iza harena iza ao agnaty tavoara tanimanga, mba hazava fa gne hery zakabe mihôtry lavitry da an'Andriamanitry fa tsy anay. 8 Ampijaly ame fomba maro rehetra iay, nefa tsy resy. Very lavitry iay fa tsy ampy famoizam-po. 9 Ejehigny iay fa tsy niloza. Noviny iay fa tsy maty. 10 Milezagny ame tegnanay gne fahatesan'i Jesosy fezay iay, gne fianan'i Jesosy avakoa da hiseo ame tegnanay. 11 Iay velogny da minday fezay ame vatanay gne fahafatesan'i Jesosy, ame fiaignan'i Jesosy da hiseho ame gn'ainay olombelo. 12 Noho izany gne fahafatesa da miasa amintsika, fa gne fiaina da miasa ao aminareo. 13 Fa iay mana fagna ne finoa mitovy ame vosoratry hoe: 14 ''Nino iaho, ary da nizaka iaho hoe: ''Mino avakoa iay ,ary nizaka avakoa iay. Lalanay fa izy raiky gne nananga gne Jesosy Tompo,da mbola hananga atsika avakoa miaraky am'i Jesosy. Fantatray fa hinday anay miaraky aminareo ao ame fagnatreha Izy. 15 Gne raha rehetra da ho anareo mba araky gne fahasoava naparitaky tame olo maro,gne hitombozan'e fagnomeza-pisaora am'e voninahitr'Andriamanitry. 16 Noho iza da tsy ho kivy iay. Ndre da malemy ivelany aza iay, da hohavaozy isan'andro isan'andro gne ao agnatinay. 17 Fa am'gn'andro mandalo izao, gne fijalia mevagny da magnomagny anay ho ame lanjan'e voninahitry maharitry mandrakizay izay mihotry gne fandanjà rehetra. 18 Fa atsika tsy magnety rha hita, fa gne raha tsy hita. Ireo raha izay mety ho hitatsika da tsy maharitry, fa gne raha tsy hita da maharitry mandrakizay.