Toko faha 3

1 Hanomboky hidera gne tegna indraiky ve iahy? Iahy da tsy mila gne taratasy fagnamarinagny aminareo na avy aminareo, mitovy ame olo sasany,sa tsy izany? 2 Gne tegnanareo gne taratasy fagnamarinangy, izay vosoratry am-potsika, izay fantatry ary da vakiny gne olo rehetra. 3 Anareo da mandre fa taratasy fagnambaragny avy amin'i Kristy, izay nomentsika. Izany da tsy vosoratry tame ranomity fa tame fagnah'ilay Andriamanitra velogny. Izany da tsy nadika tame takela-bato, fa teo ame takelaky gne fo gnolombelogny. 4 Ary da izany gne toky anagnantsika eo agnatrehan'Andriamanitra ame alalan'i Kristy. 5 Isika datsy mahefa ame tegnatsika mba andray ndre ino ndre ino avy amintsika. Fa kosa , gne fahefantsika da avy amin'Andiamanitra. 6 Andriamanitra gne nagnano antsika mba ho mpanompon'ny gne fagnekegny vaovao. Izany da fagnekagny tsy avy ame soratry fa any gne Fagnahy. Fa gne soratry da mamono, ary gne Fagnahy magnome aigny. 7 Ary gne asa izay niteraky gne fahafatesagny da vosoratry tame vato - da avy tamboninaitry zakabe ndre gne vahokin'Israely da tsy afaky nagnety gne aignin'i Mosesy. Izany da nony gne voninaitriny gne vatagniny, gne voninaitry izay nilevogny. 8 Voninaitry zakabe akognaia gne asa aniny gne Fagnahy? 9 Fa raha managny voninaitry gne asan'ny fahamelohagny , da akognaia gne fitombozane gne voninaitry gne asan'ny fahamarinagny! 10 Satria, izay magnome voninaitry indraiky mandeha da tsy hanam-boninaitry sanaky amizay fomba zay, nony gne voninaitry izay mampitombo izany. 11 Fa raha izay mandalo fotsiny gne managny voninahitry, da tsy hanagny voninahitry mihôtry noho izany gne maharitry! 12 Satria da managny toky migtovy amizany isika, da saha tokôtry. 13 Isika da tsy hitovy an'i Mosesy, izay nandrakotry gne ainy tame voaly, mba tsy hahafahany gne vahoakan'Israely magnety anazy mivantagny ame fiafaran'ny voninahitry izay nandalo avao 14 Fa gne sain'idreo da donto. Ndre da mandrak'ankehtriny zany voaly zany da mbola mijanogny eo ame famakiagny gne fanekegny taloha. Tsy misokaty zany, satria ao amin'i Kristy avao izany gnalaigny. 15 Nefa ndre da ankehitriny, ndre ovia gne vakigny gne lalàn'i Mosesy, da mandrakotry gne fon'dreo gne vohaly. 16 Nefa raha mitodiky amin'ny Tompo gne olo, da alainy gne vohaly. 17 Ary gne Tompo da Fagnahy. Izay misy gne Fagnahin'ny Tompo da misy fahafahagny. 18 Ary isika rehetra da tsy misarom-bohaly, da mahita gne voninahitra mitovy izay avy ame voninahitra ho ame voninaitra, izay avy amin'ny Tompo, tsy iza fa gne Fagnahy.