Toko faha 2

1 Fa nanapa- kevitra ny tsy anantona anareo indraiky gne tenako ame fotoam-pangirifirigny . 2 Raha niteraky alahelo anareo iaho, ia gne afaky mampifaly anaha akoatran'ilay ray izay noratraiko ihany? 3 Nanoratry iaho mitovy tame gne naniko mba tsy ho ahazon-dra anareo izay tokony nampifaly anaha rehefa avy tagny aminareo. Iaho da managny fatokisagny amintsikanaby fa gne gnatsaratsarako da gnatsaratsaragny mitovy amintsikanaby. 4 Fa nanoratry ho anareo iaho avy ame fahoriagny zakabe, miaraky ame fangirifiriagny gne fo, sady da mifangaro ame ranomaso be. Tsy tagnakivy anareo iaho. Fa kosa te hampalalanareo gne alalign'ny fitiavagny zay anagnako ho anareo. 5 Raha nisy olo ndax niteraky alahelo, da tsy niteraky an'izany tamina raiky izy, fa tame endiky hafa-- tsy hagnitatry lotry anizany-- aminareo rehetra. 6 Ampy gne fagnasazigny naniny gne maro rehetra io olo io. 7 Ka amizao raha tokony ho fagnasazigny, anareo da tokony hamela sy hampionona azy. Anio izany mba tsy handifotry zay ame alahelony be lotry. 8 Noho izany mankahery anareo aho mba hagnamafy ampahibe-maso gne fitiavanareo azy. 9 Izany gne antony nanoratako, amizay mba mety hitsapako anareo ary ahafantarako na mankatoa amin'ny zava-drehetra anareo. 10 Raha mamela olona anareo, mamela izany olona izany koa aho. Izay navelako- raha namela gne zava-drehetra aho- izany famelagny izany da fitiavagny anareo ame fagnatrehan'i Kristy. 11 Izany da mba tsy hamitan'ny satana anay. Satria iahy da mahafantatry gne fandaharany. 12 Nivoha ho ahy gne varavara tamin'ny Tompo rehefa tonga tao amin'ny tanagny zakabe an'i Traosy nitory gne filazantsara an'i Kristy tagny. 13 Ndre da izany, tsy nanagny fedanan-tsaigny iaho, satria tsy nahita gne rahalahikoTitosy tagny. Araky izany, nandao andreo iaho ary da niverigny tagny Makedonia. 14 Fa fisaoragny ane ho an'Andiamanitra, izay ao amin'i Kristy mitariky anay isanandro ao ame fandresegny. Ame alalantsika da ahely ndre aia gne hanitry mamin'ny fahalalagny az. 15 Fa iahy da hanitra mamain'i Kristy an'Andriamanitra, na teo amin'ireo izay novonjena sy tamireo ho faty. 16 Ho an'gne olo ho faty, izany da hanitry avy ame fahafatesagny ho ame fahafatesagny. Ho ane sasany izay novonjegny, da hanitry gne fiaignagny ame fiaignagny. Iza gne mendiky amin'ireo zavatry ireo? 17 Fa iahy da tsy mitovy amin'ireo ologny maro izay mivarotry gne tenin'Andriamanitra mba nanagnany tombony. Fa kosa, ame fahadiovam-po gne izakanay amin'i Kristy,satria nalefa avy amin'Andriamanitra iahy, tao ame fahitan'Andriamanitra.