Toko faha 9

1 Tsy olo afaky ve iaho? Tsy apostoly ve aho? Tsy nahita an'i Jesosy Tompontsika ve iaho? Tsy asako ao amin'ny Tompo ve anareo? 2 Raha tsy apostoly ho ane hafa iaho, da farafarantsiny ho anareo. Fa anareo gne porofo ame maha-apostoly anaha ao ame Tompo 3 Akohizao gne fiharovako ame izay magnitany anaha: 4 Moa ve iahahy tsy nahazo alalagny gne hihinagny izy ame hisotro? 5 Moa ve iahahy tsy mahazo mitondra vady izay mpino, mitovy gne nanin'ireo apostoly sasany, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy? 6 sa Barnabasy sy iaho raiky gne tsy mainbtsy miasa? 7 Ia gne magnano fanompoagny miaramila ame fandaniagny manokagny? Ia gne mamboly voloboky ary tsy mihinagny gne voany? Na ia gne miandry ondry nefa tsy misotro gne ronono avy amin'izany? 8 Iaho ve gne nizaka anireo zavatry reo mifototry ame fahefan'ny olombolona? Tsy mizaka izany koa ve gne lalàgny? 9 Fa izany da efa vosoratry ao ame lalàn'i Mosesy hoe :" Kasiagny fehim-bava gne omby rehefa miparitaky voany izy." Da tena gne omby tokotry ve hatahoran'Andriamanitra? 10 Tsy mizaka momba anay ve izy? Efa nosoratany ho antsika, fa izay miasa tany da tokony hiasa ane fanantenagny, ary izay mively da tokony hively ame fanantenagny gne hahazo anjara ame vokatry. 11 Raha namafy zavatry ara-panahy teo aminareo iahy, zakabe lôtry aminay ve gne mihila zavatry ara-materiely avy aminareo 12 Raha mampihatra izany zo izany aminareo gne hafa, moa ve iiahy tsy managny mihitry? Ndre da izany, tsy hitaky izany zo izany iahy. Fa kosa, naleonay niaritry gne zavatry rehetra toy izay ho sakagny ane filazantsaran'i Kristy. 13 Moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo ao ame tempoly da mahazo gne sakafon'ny indreo avy ame tempoly? Tsy fantatrareo fa ireo izay manompo eny ame alitra da mahazo anjara ame natao fanatitry teo ame alitra? 14 da akohizany, gne tompo da nandidy fa ireo izay mitory gne filazantsara da tokony hahazo gne fiveloman'indreo avy ame filazantsara. 15 Nefa tsy nitaky gne raiky tamin'ireo zo ireo iaho. Ary tsy manoratry an'izany aho mba mety hisy zavatry hatao ho ahy. Aleoko maty toy izay hisy olo hanaisotra amina izany rehareha izany. 16 Fa raha mitory gne filazantsara iaho, da tsy misy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy manao izany aho. Ary gne loza ho anaha raha tsy mitory gne filazantsara iaho! 17 Fa raha magnano izany an-tsitrapo iaho, da managny valisoa. Fa raha tsy na-tsitrapo kosa, da mbola managny gne andraikitry izay nankinigny tamiko iaho. 18 Ino ary izany gne valisoako? Izany da rehefa mitory aho, da afaky manolotry gne filazantsara tsy misy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraky gne zoko ame filazantsara. 19 Fa na de afaky ame rehetra aza iaho, da tonga ho mpanompo ho ane rehetra, mba hahazoako bebe kokoa. 20 Teo ame Jiosy da lasa mitovy ame Jiosy iaho,mba hahazoako gne Jiosy. Teo amin'ireo izay ambanin'gne lalàgny, da lasa mitovy gne olo ambanin'gne lalàgny iaho mba hahazoako ireo izay ambanin'gne lalàgny. Nagnano anizany iaho ndre da tsy teo ambanin'gne lalàgny gne tegnako. [Fanamarinagny: Gne baiboly ULB sy gne UDB da mivaky hoe:" Nagnano anizany iaho ndre da tsy teo ambanin'gne lalàgny gne tegnako." Gne dikan-teny taloha sasany da tsy magnisy anizany.] 21 Tamin'ireo izay ivelany gne lalàgny, da lasa mitovy gne olo ivelany gne lalàgny iaho, ndre da tsy ivelan'gne lalàgn'Andriamanitra azaky gne tegnako, fa amban'gne lalàgn'i Kristy. Nagnano anizany iaho mba hanagnako ireo ambanin'gne lalágny. 22 Tame malemy da lasa malemy iaho, mba hanagnako gne malemy. Nazary zavatry ho ane olo rehetra iaho, mba hamonjeko gne sasany ame fomba rehetra. 23 Magnano gne zavatry rehetra iaho ho ane filazantsara, mba hafahako mandray anjara ame fitahiagn'izany 24 Moa ve tsy lalanareo fa ame fihazakazagny raiky gne mpihazakazaky rehetra da magnano fihazakazagny, nefa raiky avao gne mahazo gne loka? Koa mezakezaha mba hahazo loka. 25 Gne atileta raiky da mampihatra gne fifehean-tegna ame fanazaran-tegna rehetra. Magnano izany ndreo mba handray satro-boninaitry izay mety ho simba, nefa kosa isika mihazakazaky mba hahazoantsika satro-boninahitry tsy mety simba. 26 Ka noho izany da tsy mihazakazaky ame tsy misy antony iaho na magnome ambia ame rivotry. 27 Fa hafoheziko gne tenako ary ataoko andevo, mba tsy handaha gne tegnako, rehefa avy nitory tame hafa iaho.