Toko faha 10

1 Tiako ho lalanareo, ry rahalahy, fa ireo abatsika da tao ambanin'ny rahogny avakoa ary da namakivaky gne ranomasigny. 2 Nge rehetra da naniko batisa ho amin'i Mosesy tao ame rahogny izy ame ranomasigny, 3 ary gne rehetra da samy ninagny sakafom-pagnahy mitovy. 4 Indreo agnaby da nindrano ranom-pagnahy mitovy. Fa izy da nindrano tame vatolampim-pagnahy izay nagnaraky andreo, da Kristy izany vatolampy izany. 5 Fa Andriamanitra da tsy nankasitraky tsara gne ankamaroan'dreo, sady gne fatin'dreo da naparitaky tagny ame dezaky. 6 Amizao io raha io da ohatry ho antsika, mba tsy hagniriantsika raha ratsyakoho gne nilandreo. 7 Ka manompo sampy, ako gne sasany tamindreo. Izany da araky gne voasoratry hoe: " Gne olo midoboky mba hihinagny sady hindrano, ary nitsangagny mba hihira." 8 Lonoky antsika tsy hijangajanga,ako gne nanine maro tamindreo. Tagnatin'gne andro raiky, da olo telo arivo sy roy aligny gne maty nohon'gne amin'izany. 9 Loniky avakoa antsika tsy hitsapa an'i Kristy, ako gne nanine maro tamindreo da nalavon'gne menaragny. 10 Ka mimenimenigny avakoa, ako gne nanin'gne maro tamindreo ka nalavon'gne anjelin'gne fafatesagny. 11 Ary gne raha akoio e raha niboky tamindreo mba ho oatry ho antsika. Nosoratagny mba ho fampenaragny ho antsika izany aby---ho amintsika zany nevisan'gne faranandro. 12 Noho izany loniky zay miheritreritry gne tegnany ho efa sahy mitandrigny tsara mba tsy ho lavo. 13 Tsy nisy fakam-pagnahy nahatratry anareo izay tsy itambaragny olo agnaby. fizy koa, Andriamanitry da matoky. Tsy agnapetraky anareo ho alaim-pagnahy ambon'gne zakanareo Izy. Miaraky ame fakam-pagnahy da agnome anareo e lalagny izotsoagny avakoa Izy, mba havitanareo miaritry anizany. 14 Noho izany, ry rahalahy, milefasa lavitry gne fanompoam-tsampy. 15 Mizaka aminareo mitovy gne olo managny saigny iaho,mba hafahanareo mitsara gne zakaiko. 16 Gne kapoakin'gne fisaoragny izay isaorantsika, moa ve izany tsy fiombonagny ame ràn'i Kristy? Nge mofo izay vankiantsika, moa ve izany tsy fiombonagny ame vatan'i Kristy? 17 Satria raiky avao gne mofo, isika izay maro da vatagny raiky. Isika rehetra da mandray ame mofo raiky avakoa. 18 Iteo gne vahoakan'Israely: moa ve ireo izay mihinagny ireo fagnatitry tsy mpandray anjara eo ame alitara? 19 Ino ary gne ho zakaiko? Hoe tsy misy dikany zany gne sampy? Sa gne sakafo izay naniko fagnatitry tame sampy gne tsy misy dikany? 20 Fa mizaka momba gne zavatry izay ataondreo Jentilisa mpanompo sampy fagnatitry iaho,fa omen-dreo ane demony io zavatry ireny fa tsy an'Andriamanitra. Tsy tiako anareo ho mpiombogny ame demony! 21 Tsy afaky misotro gne kapoakan'ny Tompo sy gne kapoakan'ny demony anareo. Tsy afaky miray eo ame latabatry gne Tompo sy gne latabatry gne demony anareo. 22 Sa magnano izay mahasaro-piaro gne Tompo ve antsika? Mahery noho izy ve isika? 23 Gne zavatry rehetry da ara-dalàgny,"fa tsy gne zavatry rehetra gne mahasoa." Gne zavatry rehetra da ara-dalàgny," fa tsy gne zavatry rehetra gne mampandroso gne olo. 24 Tsy misy tokony hitady gne tombontsoany manokagny. Fa kosa, gne tsirairay da tokony hitady gne tombotsoan'gne namany. 25 Afaky mihinagny izay rehetra amidy abezary anareo, fa ka magnotany gne fieritreretagny. 26 Fa "an'gne Tompon gne tany, sy gne misy eo aminy." 27 Raha misy tsy mpino manasa anareo hinam-bary, ka magniry gne handeha anareo,da hano gne rehetra mietra eo agnolohanareo ka mametraky fagnotaniha ame fieritreretagny. 28 Fa raha misy mizaka aminareo hoe:" Ity anigny ty da avy ame fagnatry gne mponompo sampy," da ka minagny anizany. Izany da ho an'gne nampahalala anareo, sy ho ane fieritreretagny.[ Fagnamarinagny: Gne dika-teny taloha sasany da magnampy hoe:"Fa gne tany sy gne raha agnaby ao aminazyda an'i Tompo." Fa gne dikan-teny tsara indrindra da tsy misy anizany.] 29 Tsy mizaka iaho hoe gne fieritreretanao manokagny, fa gne fieritreretan'gnolo hafa.Nagny gne fahafako no tokony ho tsarain'ny gne fieritreretan'gne hafa? 30 Raha mandray anjara ame hanigny am-pankatsitragny iaho, nagnino vetavetaigny ame nagnomezako fisaoragny? 31 Noho izany, na mihinagny na misotro anareo, na ino na ino aninareo, da amboharo ho voninahitr'Andriamanitra avakoa. 32 Ka magnome fanafintohagny gne Jiosy na gne Grika, na gne fiangonanAndriamanitra. 33 Miezaky gne hahafaly gne olo agnaby iaho. Tsy mitady gne tombontsohako iaho, fa gne ane maro. Aniko izany mba ho voavonjy indero.