Toko faha 11

1 Alay taky iaho, mitovy aminaha mangala-taky an'i Kristy. 2 Ary midera anareo iaho satria mahatsiaro anaha ame zavatry rehetra anareo. Midera anareo iaho satria mitazogny mafy gne fombafomba araky gne nagnomezako azy teo aminareo. 3 Ary da tiako ho azonareo fa kristy gne lohan'gne lehilahy rehetra, fa gne lehilahy gne lohan'gne viavy,ary Andriamanitry gne lohan'i Kristy. 4 Ary magngalaky gne voninahitriny gne lohany gne lehilahy mivavaky na maminany ka misaron-doha. 5 Fa magnalaky gne voninaitry gne lohany gne viavy izay mivavaky ka maminany tsy misaron-doha. Fa tsy hafa ary mitovy ame hoe viavy manaratra gne lohany. 6 Fa raha tsy misaron-doha gne viavy, da tokony tapahany ho botry gne volony. Raha mahamegnatry gne viavy gne manapaky gne volony na gne manaratra gne lohany, da apetray izy handrakotry gne lohany. 7 Fa tsy tokony handrakotry gne lohany gne lehilahy, satria izy gne sary sy voninahitr'Andriamanitra. 8 Fa gne lehilahy da tsy nanigny avy tame viavy. Fa gne viavy no nalaigny avy tame lehilahy. 9 Fa tsy misy lehilahy namboharigny ho an'ny viavy. Fa kosa, gne viavy no namboharigny ho ane lehilahy. 10 Izany gne tokony hanagnan'gne viavy gne mariky gne fahefagny eo ame lohany, noha ireo anjely. 11 Ndre da izany, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tegna ame lehilahy gne viavy, na gne lehilahy mahaleo-tegna ame viavy. 12 Fa raha avy ame lehilahy gne viavy, da gne lehilahy koa avy ame viavy. ary avy amin'Andriamanitra gne raha aby. 13 Tsarao gne tegnanareo: Mety ame viavy ve gne mivavaky amin'Andriamanitra tsy misaron-doha? 14 Tsy gne natiora mihitsy aza ve no mampianatry anareo fa raha gne lehilahy no lava volo, da fahafaham-baraka ho anazy izany? 15 Tsy mampianatry anareo ve gne natiora fa raha gne viavy gne lava volo, da voninahitry ho azy izany? Fa nomegny anazy gne volo mba handrakofagny anizany. 16 Fa raha misy te-hiady hevitry amizany, da tsy managny fampiharagny hafa anizany, ndre gne fiangonan'Andriamanitra. 17 Fa agnatin'ireo torolalagny magnaraky, da tsy midera anareo iaho. Fa rehefa miara-tonga anareo, da tsy ho ane tsara izany fa ho ane ratsy indrindra. 18 Fa tame voalohany indrindry, reko fa rehefa miaraky mivavaky ao ame fiangonagny anareo, da tsy misy fizarazaragny eo aminareo, ary mino ame ilany iaho. 19 Fa tsy maintsy misy fitsitokotokonagny eo aminareo, mba hankasitrahagny eo aminareo izay nekegny. 20 Fa rehefa mivory anareo, da tsy gne fagnasan'ny Tompo gne hoaninareo. 21 Rehefa mihinagny anareo, da samy mihinagny gne anigny manokagny gne tsirairay alohahan'ny hinanagny gne hafa. Mosaragny gne raiky, ary gne hafa lasa mamo. 22 Tsy managny trano inanagny si indranomagny ve anareo? Ho tsinontsiniavinareo ve gne fiagnonan'Andriamanitra ka hahetrinareo izay tsy managny ndre ino ndre ino?Ino gne tokony ho zakaiko aminareo? Tokony hidera anareo ve iaho? Tsy hidera anareo amizan'izamy iaho! 23 Fa nalaiko avy amin'i Tompo avakoa izany ampitako aminareo, fa Jesosy Tompo, tame gne aligne namadihagny anazy, da nangalaky mofo. 24 Reheha avy nisaotry Izy, da nanapaka izany ary mizaka hoe:" Ity gne vatako, izay ho anareo. Anio izany mba fatadidianareo anaha." 25 Mitovy amin'izany koa da nalainy gne kapoky rehefa avy ninagny ariva, ary nizaka izy hoe:" Ity gne kapoaka ity gne fagnekegny vaovao ao ame ràko. Anio io ndre da ovia anareo gne mindrano, ho fitadidiagny Anaha." 26 Ame fotogny rehetra izay hinananareo an'ity mofo ity sy hindranomareo an'ity kapoaka ity, da magnambara gne fahafatesan'gne Tompo mandra-pevisany. 27 Na iza na iza, noho izany, mihinagny gne mofo na mindrano ame kapoakan'ny Tompo ame fomba tsy mendrika, da ho meloky gne ame vatagny sy gne ràn'ny Tompo. 28 Apetray handiniky gne tegnany aloha gne olo, ary amin'izay da aoka hihinagny gne mofo ary hindrano ame kapoaka izy. 29 Fa izy izay mihinagny sy mindrano ka tsy mahalala gne vatany, da mihinagny sy mindrano fitsaragny ho ane tegnany. 30 Izany gne mahatonga gne maro aminareo ho osa sy marary, ary gne sasany aminareo ho faty. 31 Fa raha mandinin- tegna atsika, da tsy ho tsaraigny. 32 Fa rehefa voatsaran'ny Tompo atsika, da mpagnara-dalàna, mba tsy ho voaheloky miaraka ame tontolo izao 33 Noho izany, ry rahalalahy, rehefa mivory mba hihinagny anareo,da mifandignasa. 34 Raha misy olo raiky mosaregny, apetray izy hihinagny andragno, amin'izay rehefa mivory anareo da tsy ame fitsaragny izany. Ary mahakasika ireo zavatry hafa izay nosoratanareo, da hagnome toro-lalagny rehefa tongo.